Miraharaha sy mamonjy Jeso / Tsy mandraharaha Jeso

41. rhaj0 ( 25/11/2014 11:46)
Ny @ Ebola sy ny Pesta sy ny Valala indray ry Bor2lais dia miezaka ny Siansa a... Ny Siansa ho'a tsy mihambo hoe efa vita voazava sy voavaha olana daholo izao tontolo izao.

Ny "Finoana" (kristiana) anefa dia manitrikitrika sy "mino" fa vaovahaNY daholo izany (raha te-hamaha Izy) fa Izy fotsiny (angamba) no mihevitra fa ... mbola tsy lerany e... na hoe "safifin-draolona" no mampa-io azy io... Ka dia ireo mitsirara sahala @ valala ireo daholo izany ny madinika eeee...

Ka "tsy mandraharaha tokoany azany ve Izy" eeee ???

(nefany ho'a toa ny "vavaky ny sasany" toa "rahirahiany" ihany...)
42. bor2lais ( 25/11/2014 14:50)
Averiko eto indray ity filamatry ny dokotera (sasany) ity (na dia tsy eken'i rhaj0 aza) fa mahafehy ny tiako lazaina mikasika ny finoana Kristiana sy ny siansa : "Izahay mitsabo ihany fa Jesoa irery no manasitrana".

Manaraka izany ao anaty Baiboly ao misy an'izao :

"Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra"
Ny tiako ahatongavana dia tsy ny (fahasitranana) ara-nofo ihany akory no zava-dehibe amin'ny finoana Kristiana fa indrindraindrindra ny (fahasitranana) ara-panahy !

Dia miverina @ voalazan'i tefigasy nambarako tetsy aloha ... satria mitaky finoana Azy izany !
:-)
43. rhaj0 ( 25/11/2014 15:25)
bor2lais:
"Izahay mitsabo ihany fa Jesoa irery no manasitrana"

Rahefa manome fanafody izany i dokotera Bor2lais, dia "mitsabo".. fa TSY voatery "manasitrana" ilay fanafody, fa i "Jesoa irery no manasitrana", hozy i dokotera Bor2lais...

Izay ve ??

Mba "formule" ny an'i dokotera Bor2lais ka formuler-na, fa raha izaho kosany aloha, rahefa hoe, rahefa apalesina ilay pupille, dia lasa mahita kokoa ny myope, dia ahoana hoz'ianao... na hoe, inty "morphine", ary fantatra fa izany dia "manasitrana" ny fanaintainana... dia inona no idiran'i Jesoa @ izany kosany e...
[size=4](sa ... ny an'i Jesoa angamba "opium" ihany ...)[/size]

bor2lais:
Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona...

Dia hoy aho hoe, ianao Bor2lais manana ny ampy marina angamba no afaka misonanina dia milaza izany... Koa na ilay mofo azany (mety) iavonavonanao fa be calorie sy gras saturE ka ndrao mampitombo ny obesite-nao ao.. ohatra..

Fa "torio" @ ilay olona tsy manan-kohanina mitsindroka zoridira sy misotro ny rano ambanin'ny tetezan'ny bekiraro azany izany e...
44. bor2lais ( 25/11/2014 16:23)
:-)
ramose rhaj0:

Rahefa manome fanafody izany i dokotera Bor2lais, dia "mitsabo".. fa TSY voatery "manasitrana" ilay fanafody, fa i "Jesoa irery no manasitrana", hozy i dokotera Bor2lais...
Izay ve ??

[size=8]Eny tompoko ![/size]
Olona manana finoana Azy no afaka miteny an'io ramose a ! Olona mahatsiaro tena nanankinaNY andraikitra (mpiara-miasa Aminy) ! :-)

Ny atao hoe sitrana (amiko) koa ange tsy voatery hoe sitrana ara-batana (afaka aretina) foana (araka ny eritreretinao) e ! [size=80](resaka hafa indray iny sao lazain-dramose fa surmené eto)[/size]:-)

Fanamarihana ho an-dramose mpampianatra ny ankizy :
1. Tsy i bor2lais akory no niteny an'io hoe "Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra" (fa Ilay inoako) :-).
2. Ary mba tohizo hatramin'ny farany ilay fehezan-teny fa aza tapahina tahaka io fa lasa manoro sy mampianatra vilana ny ankizy ramose ! Tsy misy milaza mihitsy eo hoe aza mihina-mofo ... fa tsy izay ihany akory no voalazaNY (asa raha mba fantatrao iza no nilazaNY an'io !)

Am-pitiavana ! :-)
45. rhaj0 ( 25/11/2014 17:02)
o zalahy... saika vaky ny ecran-ko fa ngozabe ny soratrareo :-)
46. bor2lais ( 25/11/2014 17:39)
[size=8]Hihihihi ... azafady fa tsy voaova ilay size=80 e ![/size] :-)
47. rhaj0 ( 25/11/2014 17:40)
Hotry ny politisiana koa ilay naman'i Bor2lais izany ka milaza ilay formule hoe: "Jesoa irery no manasitrana".. @ izay raha diso prescription izy dia... any @ Jesoa ny tsiny...

Fa ny ana(re)o koa ka double sens daholo izao teny izao kah.. ny "sitrana" kay izany tsy hoe "afak'aretina" ihany... ny "ivelomana" kay koa tsy hoe sakafo ihany.. Tena toa ireny politisiana mpanao resaka tsy-loa-body ireny koa iana(re)o izany ry Bor2lais kah...
48. bor2lais ( 25/11/2014 18:28)
Zay ve ny fahitan-dramose azy ? :-)

Fanehoana fotsiny io fa "tsy ny ara-nofo ihany fa misy koa indrindra² ny ara-panahy" ka ! :-)
49. rhaj0 ( 25/11/2014 19:11)
Ilay "ara-panahy" izay ilay TSY takatro.. tena serieux fa tena TSY tsapako. Miteny ny olona, hoe ara-panahy eee... hoe spirituel eee.... dia ieee fotsiny hoy aho, fa tena tsy takatro, tsy tsapako.

Fa hitako "sambatra" tokoany moa izay olona milaza fa mahita revy an'io ka dia ... mahasoava ao azany e...
50. gasy1zay ( 25/11/2014 20:36)
rhaj0 > azafady raha hametraka fanontaniana perso anao ny tenako fa ohatrany curieux aho mahita ity nosoratanao hoe "Ilay "ara-panahy" izay ilay TSY takatro.. tena serieux fa tena TSY tsapako" hono hoy aho ry rhaj0, efa natao batisa ve ianao fony zaza?

Mba te hamaly anao ihany aho hoe raha ny voalazan'ny baiboly matoa tsy mahazo toerana mintsy ny fanahy ao anatinao dia satria ny asan'ny nofo no manjaka, mifanohitra izy ireo ka raha ny voalohany no mahazo bahana dia tsy mahita toerana firy ny faharoa.

Ny asan'ny nofo zany raha ara-filozofika dia "ny plaisir de la chair :épicurien", raha miaina @ izay hahitanao fahafinaretana ara-nofo ianao dia voabahana ilay fanahy, dia mety izay ilay tsy hahatsapanao azy.
51. rhaj0 ( 26/11/2014 18:46)
yep... vita batisa aho..

Fa TSY "asan'ny nofo" fotsiny ihany no iainako, fa indrindra ny "asan'ny saina" sy ny "asan'ny fo". Fa tsy hitako ny "asan'ny fanahiko" izany..

Mba ameo ohatra an'izany "asan'ny fanahinao" izany hoe raha tsy manahirana ?

52. rhaj0 ( 26/11/2014 20:01)
Eo ampiandrasana ohatra an'izany hoe "asan'ny fanahy" izany, dia nijerijery diksionera aho.

Spirituel
Sens 1 Relatif à l'esprit, à l'âme
Sens 2 Qui concerne la religion et l'Eglise

Esprit
Sens 1 Être incorporel ou imaginaire.
Sens 2 Facultés intellectuelles. .
Sens 3 Humour, ironie.
Sens 4 Manière de penser, façon de concevoir.


ka ny famaritana raisiko @ ilay hoe "fanahy" izany, na hoe ilay "fanahy" izay TSY takatro, dia ilay hoe "Être incorporel ou imaginaire"

Asa ahoana ny anao..

53. gasy1zay ( 27/11/2014 15:03)
rhaj0 > raha ny marina dia ny fanahy no mitarika anao voalohany hatahotra an'Andriamanitra, izay no asany voalohany, rehefa mi-culpabiliser ianao rehefa manao ratsy dia izay no asan'ny fanahy voalohany, faharoa ny fanahy koa no mitarika anao hitady an'Andriamanitra satria ny fanahy dia t@ voalohany dia fofon'aina avy amin'Andriamanitra ary Andriamanitra irery no afaka mampitombo sy mampiadana ny fanahinao, satria dia ny tenin'Andriamanitra no sakafom-panahy hoantsika, io no mahatonga ny olona hivavaka na inona na inona fivavahana satria maro no mahatsiaro hoe na misy aza ny vola, na misy aza ny fahasalamana, na misy aza ny fahombiazana dia ohatrany misy tsy ampy na ohatrany misy "vide" noezahina nofenoina t@ zavatra maro : fahafinaretan'ny nofo, mihinana , misotro, mifoka, fijangajangana, divertissement isankarazany,
Misy tokoa ny olona tsy mahatsiaro io banga io rehefa mbola misonanika anaty fiainana heverin'ny olombelona fa mahasoa, fa maro koa anefa ny mahatsiaro hoe ohatrany misy banga ny fiainany dia mitady zavatra satria tsy ny nofo ny ory fa ny fanahy ao anatiny, dia hitanao ireny olona malaza maro ireny fa dia gaga ny olona hoe toa manana izay irian'ny olona rehetra nefa dia maninona no mamono tena, simban'ny zavamahadomelina tanteraka ny fiainany?
Satria manankarena @ ara-nofo fa ny aram-panahy dia mahantra indrindra, misy koa moa ny lasan'ny secte toy an'i Tom Cruise satria any no heveriny fa hameno ilay banga ao anatiny.

Tsy haiko hoe maninona ianao rhaj0 tsy mahatsapa ilay banga ao anatinao, mety nofenoinao t@ zavatra hafa ve ilay banga? Tsy haiko satria tsy haiko ny fiainanao, fa tsapanao ihany ilay asan'ny fanahy rehefa mi-culpabiliser ianao rehefa misy miteny hoe : aza manao an'izao fa tsy sitrak'Andriamanitra izany. Fa ny asan'ny fanahy hafa dia izao: mampitsiry ny finoana an'Andriamanitra ao anatinao, izy io no mitarika anao hino an'Andriamanitra.

Miala tsiny fa lava nefa hitako mbola tsy ampy aza io fanazavana io.

54. rhaj0 ( 27/11/2014 15:45)
Azokazoko ihany hoe, misy "fanahy" mampanao anao ny "tokony ataonao" (araka ny finoanao ao). Fa ny (tsy) azoko tsara dia, inona io "fanahy" lazainao io..


Mijery diksionera ihany aho, ary toa "ame" indray no dikany @ teny frantsay (?)
âme
Sens 1 Principe spirituel de l'homme, qui existe en soi et s'oppose au corps [Religion]. Synonyme esprit Anglais soul
Sens 2 Principe des qualités morales, de la conscience, de l'humanité d'un être. Synonyme nature Anglais spirit


Dia ny ahy izao dia ireo no famaritana raisiko. Asa ny anao...
- Raha @ "mpino", dia io "Sens 1" io.
- Fa ho ahy, TSY mahatakatra ny takatry ny "mpino" io, dia ny "Sens 2".


- Mihevitra aho fa ny "Sens 2" dia samy mahatakatra azy na mpino na tsy mpino.
- Fa ny "Sens 1" izay an'ny "mpino" ihany, dia ho ahy TSY mahatakatra izany, dia sahala @ famaritana ny "Esprit" etsy ambony, dia "Sens 1 Être incorporel ou imaginaire."


Fehiny : "imaginaire" ...
Ao @ "imagination"-nao irery ao ihany izany... na ao @ "imagination collectif"-n'ny mitovy finoana aminao.


[size=8]hi hi hi... Fomba fijeriko ihany anefa izay a ![/size]
55. gasy1zay ( 27/11/2014 16:03)

rhaj0:

Azokazoko ihany hoe, misy "fanahy" mampanao anao ny "tokony ataonao" (araka ny finoanao ao). Fa ny (tsy) azoko tsara dia, inona io "fanahy" lazainao io..


Mijery diksionera ihany aho, ary toa "ame" indray no dikany @ teny frantsay (?)
âme
Sens 1 Principe spirituel de l'homme, qui existe en soi et s'oppose au corps [Religion]. Synonyme esprit Anglais soul
Sens 2 Principe des qualités morales, de la conscience, de l'humanité d'un être. Synonyme nature Anglais spirit


Dia ny ahy izao dia ireo no famaritana raisiko. Asa ny anao...
- Raha @ "mpino", dia io "Sens 1" io.
- Fa ho ahy, TSY mahatakatra ny takatry ny "mpino" io, dia ny "Sens 2".


- Mihevitra aho fa ny "Sens 2" dia samy mahatakatra azy na mpino na tsy mpino.
- Fa ny "Sens 1" izay an'ny "mpino" ihany, dia ho ahy TSY mahatakatra izany, dia sahala @ famaritana ny "Esprit" etsy ambony, dia "Sens 1 Être incorporel ou imaginaire."


Fehiny : "imaginaire" ...
Ao @ "imagination"-nao irery ao ihany izany... na ao @ "imagination collectif"-n'ny mitovy finoana aminao.


[size=8]hi hi hi... Fomba fijeriko ihany anefa izay a ![/size]


Mitombina daoly ireo définition 1 sy 2 ireo ka, satria nambarako anao hoe ny fanahy no mitarika anao hanao ny sitrampon'Andriamanitra, marina fa efa manomboka tsy mitovy intsony izao ny lalan'olombelona (morale) sy ny an'Andriamanitra satria efa manomboka ekena izao ny L+L sy V+V ary efa ho ekena atsy ho atsy ny fidorohana zava-mahadomelina.

Fa tany amboalohany dia izay, fa io moa tianao ho porofoiko ny zavatra tsy azo tsampaina tanana sy tsy hitan'ny mason'olombelona, ka izaho olombelona tsotra ihany fa raha te hahatsapa izany asan'ny Fanahy izany ianao dia afaka manantona mivantana ilay afaka maneho anao izany : Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, hanontanio izy fa hainy ny maneho anao ny tsy tsapan'olombena , ny tsy hitan'ny maso. Omeo toerana eo @ fiainanao izy dia ho tsapanao ny fisiany sy ny asany.
56. rhaj0 ( 27/11/2014 16:19)
"Ao @ "imagination"-nao irery ao ihany izany... na ao @ "imagination collectif"-n'ny mitovy finoana aminao."

Diso ve aho raha milaza an'io ??

Satria, ny "lojikako", dia izay olona "ivelany" dia TSY m-hahatsapa na oviana na oviana izay "imagination-nao" ao izay.

Ary raha ny concept "iombonantsika raolona", dia ny concept-na "imagination" no hany afaka ahatakaranay TSY mahatakatra ny takatrareo, ka manazava na mahazo ny resakareo.
57. gasy1zay ( 27/11/2014 17:19)

rhaj0:

"Ao @ "imagination"-nao irery ao ihany izany... na ao @ "imagination collectif"-n'ny mitovy finoana aminao."

Diso ve aho raha milaza an'io ??

Satria, ny "lojikako", dia izay olona "ivelany" dia TSY m-hahatsapa na oviana na oviana izay "imagination-nao" ao izay.

Ary raha ny concept "iombonantsika raolona", dia ny concept-na "imagination" no hany afaka ahatakaranay TSY mahatakatra ny takatrareo, ka manazava na mahazo ny resakareo.


Misy anefa ireo olona tsy kristianina mintsy ny R+R lasa kristianina niova fo, donc nahatsapa an'ilay hetahetam-panahy hanantona an'Andriamanitra izy ireo na dia tsy taranaka kristianina aza. Matoa ianao tsy mahita dia tsy mbola vonona ny hitady na hihaino ilay hetahetam-panahy ao anatinao ianao na mbola misy zavatra mibahana ny toerany ao anatinao, io fahatokinao ny herinao sy ny fahaizanao @ mahaolombelona anao io ohatra dia manakana ny asan'ny fanahy satria mety hoy ianao hoe tsy mila an'Andriamanitra aho fa mahavita ny tenako samy irery.
58. rhaj0 ( 27/11/2014 18:03)
Io kosa k'lou ry Gasy1zay, dia mila miaiky ianareo (se rendre a l'evidence), fa TSY afaky ny fahananareo @ seringue ho tafiditra ao @ "imagination"-n'ny olona hafa ny tsapanao ao @ "imagination"-nao irery ao, na ny "imagination collectif"-nareo miaraka @ Finoanareo ao.


Koa nareo samy mitovy Finoana azany toa samy manana ny "imagination"-ny .. ka dia ... eo ianao izany...
59. gasy1zay ( 27/11/2014 18:31)
rhaj0 > Andriamanitra dia mananatra @ alalan'ny teny renao na vakianao, mba hahatonga saina anao, hampiverindalana anao hanantona azy, fa izy anefa tsy hanova anao raha tsy tena nisy hetaheta avy aminao ny hiova. Haveriko hoe na tian'Andriamanitra hiala @ fahotana aza isika dia nomeny safidy malalaka, tsy hi imposer anao seringue izany izy fa izay safidinao dia hajainy saingy aza adino fotsiny fa hisy ny fitsarana any am-parany any.
Izaho dia tena eto tokoa ny tranoko fa tsy hiala ao @ Andriamanitra izany aho fa tena mahasambatra ahy tokoa ny eto ambanin'ny fitahiany sy ny fahasoavany ka, tsy hainao nga fa izaho matahotra an'Andriamanitra io ka anjely manodidina mintsy no miaro ahy :)
60. rhaj0 ( 27/11/2014 18:59)
Raha feheziko izany, araka ny fahazoako azy, dia sambatra aho @ fiainako ara-nofo sy ara-tsaina ary ara-po... fa ny anao dia miampy ny ara-panahy, izay raha ny fahazoako azy, dia ny imagination-nao irery ao, toa ny hoe, ianao mino fa mahita izany "anjely manodidina mintsy no miaro"

Fa raha izay moa ny anao dia mahasoava ho'a e...
Fa aza asiana eritreritra ny amiko, ka hoe, raha tsy toa (ny) anao tsy sambatra... izaho k'lou sambatra koa e...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3919