Miraharaha sy mamonjy Jeso / Tsy mandraharaha Jeso

61. gasy1zay ( 27/11/2014 19:18)

rhaj0:

Raha feheziko izany, araka ny fahazoako azy, dia sambatra aho @ fiainako ara-nofo sy ara-tsaina ary ara-po... fa ny anao dia miampy ny ara-panahy, izay raha ny fahazoako azy, dia ny imagination-nao irery ao, toa ny hoe, ianao mino fa mahita izany "anjely manodidina mintsy no miaro"

Fa raha izay moa ny anao dia mahasoava ho'a e...
Fa aza asiana eritreritra ny amiko, ka hoe, raha tsy toa (ny) anao tsy sambatra... izaho k'lou sambatra koa e...

Tsy niteny aho hoe tsy sambatra ianao satria mino aho fa matoa tsy mbola maika ny hitady ny tavan'Andriamanitra ianao dia tena miaina tsisy problème tokoa, marina izany, tsy manahy ny @ fahasambaranao eto an-tany aho rhaj0 fa ny fiainana mandrakizay sy ny fitsarana any am-parany no tiko eritreretinao dieny ety an-tany.
62. rhaj0 ( 27/11/2014 19:31)
Afaka mety hoe, mandalo @ eritreritrao 1 segondra ve, ny hoe.. ka ny "fiainana mandrakizay" anie ka dia ao @ "imagination" (collective)-na(re)o ao fotsiny ihany eee..

Koa na samy ianareo "mpino" azany ho'a dia samy manana ny "imagination"-ny ny @ izany "fiainana mandrakizay" izany... ao ny mahita vatosoa-volamena, ao ny tsy mahita an'izany fa rahona fotsiny ets...

Mainka fa ireo TSY "mino" ao @ Finoana(re)o ao.. toa ny Buddhist, ny Atheist, ny Ntaolo, ny Sinoa ets...
63. gasy1zay ( 27/11/2014 20:17)

Raha toa ianao manimpy vola anaty fontaine dia manao voeux 1, dia mivaly ilay voeux dia mety hisalasala ianao hoe ilay izaho nanimpy vola ve no nahatonga izao???, raha in-100 ianao nanimpy vola tao ka in-90 ohatra nivaly araky ny nieritreretinao ny voeux-nao na tianao na tsy tianao dia hanontany tena ianao hoe tena marina tokoa ve hoe misy cause à effet ny manimpy vola anaty fontaine sy ny réalisation an'ilay voeux anao, fa raha in-1000 ianao nanimpy vola tao ka à 99% nivaly foana ny voeux anao ary mihoatra noho ny eritreretinao aza dia inona no ataonao, tsy hanimpy intsony ve raha misy milaza hoe "imagination-nao" izany.

PS: Izaho aloha tsy mbola nanimpy vola tanaty fontaine dia nanao voeux an!

Ny tiako hiavina rhaj0 dia izao, raha ny vavaka nataoko t@ io Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina io dia efa maro tokoa ary ny valimbavaka azoko taminy dia tsy tambo hisaina ka hitako hoe be loatra ny zava-mahagaga nataony teo @ fiainako ka sarotra be ny hampisy ilay 1 segondra lazainao hi-"douteko" hoe tsy misy Andriamanitra, raha misy anefa izy dia mazava hoazy fa marina daoly ny voalazan'ny Baiboly, ary ny afobe anisany. Amin'ny olona sasany mety hoe ny fivavahana @ Andriamanitra dia finoanoam-poana mitovy ny olona manimpy vola anaty fontaine , fa amiko tsy nijanona hoe finoana fotsiny dia miandry ny faraandro hiakarana any andanitra fa tena niainako ilay finoana ary nandramako hoe tena marina ve ary fantatro fa misy izy satria novaliany ny vavaka maro nataoko teo anatrehany, tsy valimbavaka ihany anefa fa tena nohamarininy daoly ny teniny toy ny hoe ny fiadanako no homeko anareo, ataoko samy hafa ny manompo sy ny tsy manompo ahy, manana làlana hieverako anareo aho mitondra soa fa tsy loza etc...
64. rhaj0 ( 27/11/2014 20:56)
Izaho anie "mino" fa tena sambatra ary tena mety ny fiainanao (h@ ilay mandrakizay) e... dia efa hoe mahasoava ho'a. TSY handresy lahatra anao ny hiala ao mihintsy aho, satria tsy manana alternative ho aroso ho anao.

Fa ny manitikitika ahy, na ny mikitika ahy fotsiny dia, ahoana ny fijerinao ny fiainan'ny hafa ... raha ohatra ka ilay "hafa" ireo dia TSY mahatakatra ny axe de reference na domaine de definition-nao ao, na tsotsoriko koa hoe, ny "imagination" (collective) ana(re)o ao...

Fa manomboka "mino" aho fa efa mi-comprendre ny "hafa" iana(re)o.. Rahefa misy ny comprehension mutuelle dia .. .afaky ny miara-miaina isikana... hatramin'ny Ankizy io.
65. mycall ( 28/11/2014 11:13)
bnjr nareo;tena tsy takatry ny saina ko io ny tena marina fa ny tompo manana ny fotoanany hanovany ;refa tonga zay fotoana zay dia mino automatique :ny fantatra fotsiny aloha dia jesoa dia andriamanitra panjaka fa tsy ankizy tsotra araky ny voalaza:ary antatr i marie reniny izany
66. gasy1zay ( 28/11/2014 14:40)

rhaj0:

Izaho anie "mino" fa tena sambatra ary tena mety ny fiainanao (h@ ilay mandrakizay) e... dia efa hoe mahasoava ho'a. TSY handresy lahatra anao ny hiala ao mihintsy aho, satria tsy manana alternative ho aroso ho anao.

Fa ny manitikitika ahy, na ny mikitika ahy fotsiny dia, ahoana ny fijerinao ny fiainan'ny hafa ... raha ohatra ka ilay "hafa" ireo dia TSY mahatakatra ny axe de reference na domaine de definition-nao ao, na tsotsoriko koa hoe, ny "imagination" (collective) ana(re)o ao...

Fa manomboka "mino" aho fa efa mi-comprendre ny "hafa" iana(re)o.. Rahefa misy ny comprehension mutuelle dia .. .afaky ny miara-miaina isikana... hatramin'ny Ankizy io.

Matoa misy ireo kristianina hitanao hoe "mibosesika" mandresy lahatra anao hiova fijery na finoana tsy hoe resaka "tongava aty @ fiangonanay" akory na resaka rakitra sy fahafolon-karena araky ny eritreritry ny sasany, fa ny antony dia satria izahay mpino , ny tenako ao anatiny dia resy lahatra fa ireo olona tsy manaiky handray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy dia tsy mba afaka handova ny fiainana mandrakizay raha tsy miova @ izany safidiny izany. Ny ety ambonin'ny tany afaka miara miaina tokoa fa tsy maintsy ao foana anefa indraindray ilay hoe ity olona ity moa zany ahoana ny hiafarany raha tsy mba nandray ny Tompo izy? Io tsy resaka hoe mivavaha mba hambinina ianao satria fanambinana na fahombiazana mety azon'ny tsirairay na tsy mpivavaka aza, fa ilay hoe minoa an'i Jesoa Kristy sy ny famonjeny dia handova ny lanitra ianao.

Marina tokoa hoe mety miaina anaty fahasambarana ianao izao, fa mba noeritreretinao ve hoe ahoana tokoa moa raha mba hiainako éternellement izany fahasambarana izany?
67. rhaj0 ( 28/11/2014 16:23)
Tena tsy hi-click aminao mihitnsy, na dia 1 segondra monja azany, ary toa tsy hi-click anao "mandrakizay" akoriny azany, fa hoe.. misy anie olona TSY "mino" izany "fiainana mandrakizay" izany (izay ao @ "imagination"-na(re)o manokana ao izao)

Hadinoy ny Atheista, fa heverovereto hoe inona no "inoan'ny" Amerindiana na ny HIndu ohatra (reincarnation), na koa ny Ntaolo (Razana), ets...
68. gasy1zay ( 28/11/2014 16:55)

Manaiky anie aho hoe misy ireo tsy mino ny fiainana mandrakizay e, fa ianao nanontany ahy hoe ahoana ny fijerinao an'ireo tsy mino dia io no novaliako hoe raha ny finoako dia izay rehetra tsy mino dia tsy mba afaka handova ny fiainana mandrakizay.

Raha ny finoana Kristianina anie rhaj0 dia hoe ilay Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izy no namorina IZAO TONTOLO IZAO, fa tsy hoe ny kristianina na zanak'Israely ihany e! Izaho mino hoe izy no namorina ny olombelona na kristianina, na jiosy, na athé, na silamo, na boudiste, agnostique, satanique, mormons, etc...

Amiko dia Andriamanitra no namorina antsika rehetra fa safidintsika tsirairay no nahalasa antsika ho tsy mino, athé, silamo, boudista, ... ko raha namorina izy dia rariny izy raha hitsara.
69. rhaj0 ( 28/11/2014 18:13)
Ieee.... dia aronjonao ho ao @ 'imagination'-na(re)o ao daholo ny olona rehetra...

Fa tsy olana izany.. ao @ 'imagination'-nao ao ihany izany no 'mitranga'...

Fa ny hafa rehetra, dia lasa any @ 'imagination' an'azy hafa any koa.

Dia mba milaza koa ireo hafa ireo fa ianao dia .. iny lasa valala iny any aoriana any :-)
70. gasy1zay ( 28/11/2014 18:29)

Ka ianao ve ry rhaj0 raha mino sy manaiky hoe ny olombelona dia avy @ gidro, dia tsy ho raisinao faobe daoly ve hoe rehefa olombelona sa hoy ianao hoe ny olombelona mino fa avy @ gidro izy dia tena avy @ gidro tokoa fa ny ankoatrany dia izay "imagination"-ny no niaviany.

Dia toy izay koa,izaho mino fa hitsara ny olombelona rehetra Andriamanitra rehefa tonga ny fitsarana farany, na kristianina io na tsia satria na tsy mino aza ianao dia ao anatin'ny valampamaritana "olombelona" foana :)

71. rhaj0 ( 28/11/2014 18:35)
Ilay "olombelona avy @ gidro" dia ... TSY "finoana" fa "siansa"
72. gasy1zay ( 28/11/2014 19:21)

rhaj0:

Ilay "olombelona avy @ gidro" dia ... TSY "finoana" fa "siansa"

Fa ny fahatokisanao hoe marina ny voalazan'ny siansa dia mitovy lanja @ fahatokiako hoe marina ny Baiboly sy ny fitsarana ny velona sy ny maty @ andro farany.

Izaho anie manaja ny safidinao raha tsy mino ny voalazan'ny baiboly ianao e, fa izaho resy lahatra fa na tsy mino aza ianao dia tena anisan'izay hotsaraina tokoa rehefa tonga ny andro farany. Ka io ry rhaj0 raha mahatoky tena ianao hoe tsy hoany @ helo dia safidinao izany fa hotrany akaiky ihany io 80 taona io ahafantarana ny ao ambadiky ny fahafatesana an!

73. rhaj0 ( 29/11/2014 15:39)
"Finoana" = manaiky TSISY porofo (tonga dia "izay voasoratra dia voasoratra")
"Siansa" = manaiky fa miaraka amina fanaporofoina (miaraka amina methods sy facts)

La dia sasa nangy samy hafa re ireo ry Gasy1zay e...
(asa ahoana ny sasa nangy anao ao...)

74. gasy1zay ( 30/11/2014 12:24)

rhaj0:

"Finoana" = manaiky TSISY porofo (tonga dia "izay voasoratra dia voasoratra")
"Siansa" = manaiky fa miaraka amina fanaporofoina (miaraka amina methods sy facts)

La dia sasa nangy samy hafa re ireo ry Gasy1zay e...
(asa ahoana ny sasa nangy anao ao...)

matoa ahoa manaiky dia tena nisy porofo teo @ fiainako manokana ny fisian'i Jesoa Kristy sy ny fitahiany, fa tsy porofo siantifika io.

Tsy mampitovitovy velively ny finoana sy ny siansa ny tenako, tsy izay ilay ohatra tiko avoitra fa ilay fandraisanao azy no ohatrany makany @ ilay fampitahana foana, ny tiako asongadina dia tsotra :
ny siansa dia misy manaiky ary voaporofo aratsiantifika araka ny nambaranao, fa misy olona tsy manaiky izay voalazany koa, fa ianao raha manaiky hoe marina ny voalazan'ny siansa dia tsy hanova ny voalazan'ny siansa raha misy milaza hoe tsy marina izany.

Ohatra noraisiko io satria ianao nilaza hoe ( mba vakio ny post tany aloha raha tsy mahadiso) fa ahoana no ho tsaraina @ fara andro ny olona rehetra fa anareo kristianina izany.

Ny valiny dia satria voalazan'ny baiboly fa hitsara ny olombelona rehetra Andriamanitra @ farany, izay no ekeko ho marina araky ny finoako ka nizarako teto raha nanontaniana ny hevitro.

Raha ohatra tsy nety izany tsy zavadehibe fa afaka hovaina satria adihevitra no atao, fa ny tena tiko ambara dia hoe resy lahatra hoy aho ny tenako fa ny olona tsy mino na tsy mandray ny Tompo dia tsy mba handova ny fiainana mandrakizay, ary izay faharesendahatra izay no manosika ahy hibosesika handresy lahatra ny hafa hiova lalana tsy ho any @ helo. Mandalo ny fiainana eto an-tany fa aleo mibanjina ilay mandrakizay.

75. rhaj0 ( 01/12/2014 11:28)
"Finoana" = manaiky TSISY porofo (tonga dia "izay voasoratra dia voasoratra")
"Siansa" = manaiky fa miaraka amina fanaporofoina (miaraka amina methods sy facts)

Efa tsisy miady hevitra na manakiana ny "Finoana" (na ny Finoanao) ka mangataka "fanaporofoina" anie ry Gasy1zay e... efa ekena TSISY porofo... izay ao @ "imagination"-na(re)o ao...

Fa ... satria olombelona ihany I Gazy1zay, ka dia tsy mety @ sainao tokoany koa izany "manaiky-tsisy-porofo" izany, ary dia hoy ianao hoe : "tena nisy porofo teo @ fiainako manokana..."

????

Dia raha "mino" ianao, na lazaiko hoe, raha ao @ imagination collective-na(re)o ao, dia hoe, iharan'ny ... "fahatezeran'A.tra" (izay foana moa no "asan'ny fanahy" ventesin'i Maranatha eto ohatra)... iharan'ny fahatezeran'A.tra h@ Buddhist sy ny Amerindiana ka h@ Aborigene aostraliana sy ny Ntaolo, dia ... OK ho'a fa tsy mila ifandirana eeee... ao @ "imagination"-na(re)o ihany izany, fa ny ... valala mbola iny miriaria iny foana... (ao @ imagination-n'ny hafa rehetra) :-)

76. gasy1zay ( 01/12/2014 15:44)

"Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy"

Io no antony mbola mampiriaria ny valala ry rhaj0

Raha porofo hoy aho no tadiavinao dia tsy hahita araky ilay eritreretinao ianao fa t@ andron'i Jesoa aza dia tsy nomeny famantarana ireo fariseo raha nangataka "porofo" hoe izy tokoa no ilay zanak'Andriamanitra.

Aza miandry ireo efa lasa any @ helo hiverina hampitandrina anao hoe mibebaha fa tsy anjarany izany fa anjaran'ny velona izay efa nahita ny fahasoavan'Andriamanitra.
77. rhaj0 ( 01/12/2014 17:39)

gasy1zay:
...Raha porofo hoy aho no tadiavinao dia...

K'efa hoe TSY misy mitady porofon'ny ao @ "imagination"-nao ao ho'a ny olona (na izaho).
78. gasy1zay ( 01/12/2014 17:59)
rhaj0 > Ianao aloha tena tian'Andriamanitra mihintsy fa na tsy any ampiangonana aza mbola hampahalalany ny teniny @ alalan'ny olona maro eto e! Tsy tiany ho very ianao satria efa mba natolotra ho azy ihany t@ alalan'ny batisa fony fahazaza :D
79. rhaj0 ( 01/12/2014 18:38)
ok... Tena anao ny "dernier mot" :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1618