SOS amin'ny mpisera rehetra

1. Irery06 ( 17/11/2014 06:16)
Miarahaba tompoko!Efa atomotra ny fotoana ka ato sisa no itadiavako vahaolana farany akotran izay mba efa azoko.

Ten mila fanampina aminareo aho,tiko aloha ny mampafantatra ety amboalohany fa izaho manana bacc ary mba navita 1er année teny ankatso ian.

nohon amafin'ny fiainana anefa dia voatery nijanonana tamin'fianarako aho na dia mbola te hanoy mafy ary,naleko nandefitra mba atafita reto zandriko.
Ankehitriny nefa miatrika olana goavana aho.

Fony zaho tany Dago dia nisy sinoa Madame client an'zokiko,ten mpinamana&mifankahazo b zareo,kelikely dia niten ilay sinoa fa misy zaobaviny mitady mpiasa trano any chine.nandeha teny ny fotoana dia tapakevitra aho ny andeha hanao mpiasa tranon ilay zaobavin le Madam,zaho mo vao niala teny ankatso mitsy sad mbola ts nahita zay asa atao,netin fatokisana&fifandraisan zokiko&le Mdm aho ka las mb ho fanampiko ny RAD ko na dia tsy fidiny ho ahy ary zany anao sOlafa zany.

Marihiko fa contrat(3ans)ar etoana allé&retour nifanaraana vao niala Dago zaho.feno 3ans amin'decembre aho ary andeha ody janvier 2015.

Ankehitriny aho vao gaga:
-tsisy VISA
-ilay madam sinoa any Dago client an zokiko tsy miverina any intsony fa efa nody aty chine
-izaho irery aty ts mba misy na gasy iray ankory ary.
-ilay madam sinoa av tany Dago ts mihaona@ko mitsy f lasa nifindra Malaysia.
-le sinoa ipetrahako tsy mahay miteny gasy,ts hay iresaana mitsy.
-tamin le madame mb niresak tamiko farany dia hoy izy hoe"izaho tsy mahay visa ra chine mandeha malagasy fa raha malagasy mandehy chine dia haiko"

Mialatsiny aminareo aho fa tena lava,Mbola betsaka tiko lazaina fa tataraiko eo iany,mila vonjy aho fa tsisy visa,izany no ilaiko fanampina&torohevitra aminareo fa tena very aho.MISAOTRA BETSAKA
2. Fiffi ( 17/11/2014 07:17)

Irery06:


mila vonjy aho fa tsisy visa,izany no ilaiko fanampina&torohevitra aminareo fa tena very aho.


Tsy aleo ve mody any Dago ? satria raha tratra tsy manana visa eo enao dé vao maika enjana be ny mahazo anao .....

tsy aiko ny fandehan'olona tsy visa any chine fa sao dé voagadra any raha tratra tsisy visa an !

bref , anao no miheritreritra fa raha sanatria tratra tsisy visa any enao dé tsy ho afaka tsony hanampy ny zandrinao....
3. saho ( 17/11/2014 08:43)
Raha tsiss visa enao niditra ny sisintany chine, dia gaga aho hoe maninona zao vao hitanao, f angah tsy manankery ny tao anaty passeport nao, ao no misy ny fahazoandalana hahafahana miditra sisintany ivelan i gassikara. Tsy mazava

Manantona consulat malagasy, izay rehetra momba ny solontena malagasy any chine any, tadiavo ao google sns...ny momba ny consulat malagasy ny toerana misy anao

Tsy vitan ny vava sy fifampitokisana anie ny fiainana e, ny malagasy sasany dia matoky dia matoky, aleo ihany atao daholo ny control vao mandeha, mahagaga le resakao eto hoe zao vao hitanao hoe tsiss visa, ?????? Tena tsy mazava???
Fiffi:


Irery06:


mila vonjy aho fa tsisy visa,izany no ilaiko fanampina&torohevitra aminareo fa tena very aho.


Tsy aleo ve mody any Dago ? satria raha tratra tsy manana visa eo enao dé vao maika enjana be ny mahazo anao .....

tsy aiko ny fandehan'olona tsy visa any chine fa sao dé voagadra any raha tratra tsisy visa an !

bref , anao no miheritreritra fa raha sanatria tratra tsisy visa any enao dé tsy ho afaka tsony hanampy ny zandrinao....
4. Irery06 ( 17/11/2014 09:19)
misaotra an'i fiffi&saho saad namaly ary manantena ny hafa ko mba anoronoro.

Fiffi a!ef ela zaho te hody,eny fa na vao tong kelikely ary dia efa nitomany ody aho satry tena tsy tamana,nanambitamby nanao zay ijanonako izy satry maty antoka ony zareo ra mody tsy vita contrat za @le zareo miantoka mandeha&miverina.

saho!vao tonga aho dia efa nalainzareo ny passeport ko fa hoe sao very aty amiko,itako nefa ilay toerany passeport ko vao haingana dia jereko tsisy visa retour aho fa ilay 3mois iny fotsiny no ao,izaho nef efa ho 3ans.

zaho nieritreritr hoe passeport ko tazominy iny mba anaovany visa miverina ai noteriziny fotsiny.@zao zareo miteny tsy mahay visa mandehy malagasy f malagasy mandeha chine no hainy.
5. Fiffi ( 17/11/2014 10:16)

Irery06:


zaho nieritreritr hoe passeport ko tazominy iny mba anaovany visa miverina ai noteriziny fotsiny.@zao zareo miteny tsy mahay visa mandehy malagasy f malagasy mandeha chine no hainy.


ce que tu dois faire: mandehana enao mankany am ambasady....tantarao anazy ny mahazo anao

dis leur wé te hody enao....

ny zavatra fantatro kalou dé raha eto france ny olona tsy manana visa ka mitonontena xwé hody dé vao maika aza eken'zareo io satria de bonne volonté hody sady tsy misy visa....

ny any am misy anao njay tsy aiko fa juste si j'étais à ta place , manakany am mabasady zah na consulat dé azavaiko ny problème-ko , dé lazaiko anazy wé te hody zah....

fais-le , aza miandry tsony fa efa ela zay ny visa nao no efa tapitra...
6. andrywui ( 18/11/2014 05:51)
Midira amreny association ireny alou de ireny no mi guide sy miaro mandrapa ...fa enao voafitak fa tsy nanao fanahinina .
7. mirananirina ( 18/11/2014 18:42)
Hoy ianao hoe:"zaho nieritreritr hoe passeport ko tazominy iny mba anaovany visa miverina ai noteriziny fotsiny.@zao zareo miteny tsy mahay visa mandehy malagasy f malagasy mandeha chine no hainy"
Nahoana moa ianao no mila visa raha hody any Madagasikara? Tsy mila visa ianao satria teratany Malagasy.
Raha lany daty indray ny passeport dia mandehana any @ ambassade Malagasy manao izany na omeny taratasy ianao solon ny passeport.
8. andrywui ( 18/11/2014 21:11)
tena marina mintsy zany tenin'i mirana zany a,,
zay mintsy no izy , tsy tokony maka visa zany enao satri teratany malagasy hody amn taniny ,,,

fa raha lany date fotsn le visa de avaozina amn ambassade ,,550.000fmg no tokony manao azy ,,,
tandremo fa efa tsy mi passe tsony koa zao ny passe port biometrique a ,,,,efa passe port electronique zao no miasa ( misy sarina tanalahy sy carrée kely amin'ny electronique )
9. Irery06 ( 21/11/2014 05:32)
Ho tohiziko angamba ny voalazako teny amboalohany ny amin'ny momba momba ahy dia azava aminareo bebe kokoa.

Mpiasa trano aho,azo lazaina fa miadana iany fa tsy dia ilay mijaly be ireny,n'y patron ko tsaratsara fanahy iany .saingy ny olako tena tsy matamana ahy dia:
-tsisy namana
-tsy mba misy fivoahana zany na dia sabotsy n'a alahady fa mitovy isanandro
-sinoa rehefa hoe miasa dia miasa,mitovy amin'ny gadra aho ka tena leo,sady mpiasa no gardien.

Fanampin'izay dia somary miataka ny renivohitra ny toerana misy anay,tena mbola mitovy Antananarivo mandeha Majunga raha amonjy ambasady na ilay mpiahy ny gasy aty chine aho.izaho ary tsy mahazo mivoaka ny vavahady ka maika moa fa andeha hanantona ireo ambasady...reo!!!izany indrindra no ilako fanampina aminareo hoe inona no ataoko???hiandry rehefa mody mitsy ve vao andalo ambasady tsy ho tara?.

Tsy maintsy miandry le janvier nefa aho fa io vao alefan'zareo aho.zavatra lazainy le sinoa amiko dia hoe"ividianana billet fotsiny aho dia mandeha.

Tena tsy azoko tin'i mirana tenenina azafady!tsy mila visa ahoana kay?
Tantara iray nolazain'olona anisany manoro hevitra ahy ty.
Misy namako hoy izy vao tsy ela kory zay avy any chine mitsy,tsisy visa izy rehefa nandeha nody fa ilay 3mois iny iany tanatin'passeport.just billet fotsiny izy.avy hatrany ilay namako ho izy dia nandeha teny amin'aeroport,rehefa nisava visa amin'izay dia tsy nisy izy,avy atrany dia navokan'ny olona ivelany aeroport,n'y avion lasa izy tafajanona satry tsisy visa fa billet fotsiny.

natory tao@aeroport 2andro dia aveo nalain police natao enquête,izy tsy mahay miteny sinoa.niafarany ilay olona dia nigadra 2volana,efa Tonga any Dago izy zao.ka zay tsy azoko amin ilay hoe tsy mila visa.

Izany ry namana no tena mavery ahy fa mba ampio aho hoe inona no ataoko fa tena tsy vitako raha mbola hidy police zany ,dia ahoana koa nefa ny fianakaviako raha izany no izy?fanampin izay aho mbola vehivavy(23taona).MISAOTRA
10. Fiffi ( 21/11/2014 06:56)
ny tian'mirana lazaina dé zao....

puisque tu vas rentrer à Mada, tsy mila visa enao satria enao gasy....

mila visa enao raha ohatra ka mbola hijanona any chine...

la logique est: ataonao inn visa hidirana any Mada nefa enao gasy ?

oh: raha eto frantsa misy oul tsy manana visa , lany visa ka te hody vao maika aza eken'zareo satria de bonne volonté hody...

juste manana billet dé tsy misy arakaraka zany fa même dès fois hampian'zareo mints lé fiverenana any Dago....

dé maninn enao mila mijanona mois de janvier ? am io juste pour le billet ? dé anontanio lé sinoa wé ok zany am mois de janvier mais le passeport est-il en cours de validité sa lany daty am io ?

à mon avis aloha dé tokony hanantona ambasady na consulat enao...fa aza mijanona am zao fotsiny...
11. saho ( 21/11/2014 07:44)
Raha azoko tsara ny resaky irery dia izao
visa 3mois ihany no azonao niala teto mada nandeha tany chine
izany hoe ny visa 3mois io tsy nalavaina noho ny tonga tao chine, dia tena zonao ny nanalava io visa chinois io raha mbola nipetraka naharitra tao chine ianao

Raha miala ny sisintany chinois enao, dia raha tsy mitombona ny ao anaty paaeport hoe nisy visa chinois nandritra ny nijanonanao tany juska janvier 2015, dia izay no antony tsy tafa anao miditra avion mandeha any mada

Alohan ny fotoana handehanana mody any mada dia io visa chinois nijanonanao io no asio vahaolana raha hody any mada enao alohan ny hividianana billet mody
ianao tsy mila visa ho any mada satria manana pasipaoro malagasy

enao koa tsy nahay nanazava tsara. Ataovy izay hisian ny soratra ara dalana ao anaty passipaoro malagasy fa tsy ho tafavoaka ny sisintany sinoa enao raha tsy mazava io

Mino za fa nanampy anao ny resako io
Mahereza
Fiffi:

ny tian'mirana lazaina dé zao....

puisque tu vas rentrer à Mada, tsy mila visa enao satria enao gasy....

mila visa enao raha ohatra ka mbola hijanona any chine...

la logique est: ataonao inn visa hidirana any Mada nefa enao gasy ?

oh: raha eto frantsa misy oul tsy manana visa , lany visa ka te hody vao maika aza eken'zareo satria de bonne volonté hody...

juste manana billet dé tsy misy arakaraka zany fa même dès fois hampian'zareo mints lé fiverenana any Dago....

dé maninn enao mila mijanona mois de janvier ? am io juste pour le billet ? dé anontanio lé sinoa wé ok zany am mois de janvier mais le passeport est-il en cours de validité sa lany daty am io ?

à mon avis aloha dé tokony hanantona ambasady na consulat enao...fa aza mijanona am zao fotsiny...
12. Irery06 ( 22/11/2014 04:47)
Mankasitraka anareo rehetra izay mbola tsy mitsahatra mamaly sy manoro ary manazava foana aho.isaorako be ihany koa Saho fa tena nanampy be ilay fanazavanao.

Io voalazan'saho io indrindra no tiko resahana fa tsy dia nahay nanazava loatra aho,efa miasa loatra ny saina,alahelo lava,vatana reraka ka tsy dia ampy lay fanazavana.

Visa 3mois tokoa no azoko ary mbola io foana anatin passeport ko atramin'izao.Marihako foana fa izaho vao Tonga dia nalainy ny passeport ko,izaho nefa mba neritreritra s'y efa mandry saina fa nohalavainy 3ans contrat ijanonako aty io 3mois io,saingy indrisy anefa fa tsy nisy nokitiana ilay izy fa dia 3mois io iany.

zay indrindra tena namaika ahy itady hevitra ato amin'serasera fa ho very aho.

Raha tenin'i saho zany dia zany hoe tsy ho tafavoakan chine aho ra tsy nalavaina ilay visa 3mois?izany hoe tsy maintsy higadra zany no hiafarako!?

ho an fiffi,efa io volana teneninzareo andefasany ahy satry décembre contrat ako no vita(3ans).tena tsy avelany mihintsy aho raha tsy vita ilay contrat,izaho ary mbola tadiaviny ijanona 1an fa izaho mitsy tsy mety intsony fa tsy maintsy andeha ody aho na inona ho sedraiko any andalana.

Efa tapaka amin'izao fa io billet io fotsiny no hovidiany fa tsy fantany ilay visa.
Miheritreritra aho any mba hevitra kely ato atsaiko dia hoe"mandeha aho dia entiko ilay billet,ka raha vao tonga any amin'ilay toerana misy ambasady aho dia any aloha no alehako voalohany itantarako ny olako rehetra.

fantatro fa raha tonga dia andeha aeroport za dia tsy maintsy higadra,sady sinoa tsy mba misy risoriso fa vao tsy aradalana dia gadrainy.ka tsy haiko hoe mba mety ve io hevitro ambony io?ampio aho.MISAOTRA HATRANY
13. vahiny2004 ( 22/11/2014 06:44)
1- tsy mila manana visa vao afaka mody, zo-nao ny mody any amin'ny taninao ( afa-tsy Ra8 ;-) )
2- mandehana any @ ambasady gasy maka laisser-passer


14. mpisotrtoaka ( 15/01/2015 03:43)
Mandre ny tantaranao aho retsy d sady malahelo no mitsiriritra ihany ! Raha izaho amin'izao toerako izao mantsy no misy miantso hanao sôlafa any dia mety ho avy tokoa saingy mandre ny resakao d toa miahotra ihany ! Courage retsy d mvavaha a !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6203