Ny silak'ilay vato nanoroatana ny didy folo hita teto madagasikara

1. hafahafa ( 14/11/2014 10:12)
Miarahaba daolo!
Nisy fotoana tany aminy taona 2009 tany sendra nanao vacance tany Fianarantsoa zahay ka sendra nihaino radio no naheno tampoka t@ fandaharana fa ny silak'ilay vato nanoratana ny didy folo dia hita tao @ tanàna atao oe: "Iboka" ao fianarantsoa ao izy io.
Mety misy afaka manamarina anio zavatra io ve eto amin'ity serasera ity?
Possible ve ny nahatongavany aty amintsika?
2. hery ( 14/11/2014 10:50)
Dia ao Iboka ihany no malaza izany resaka izany :-)

Izany hoe tsy misy mahalala an'izany eran-tany... na siantifika na mpanao gazety. Tsy azo tenitenenina angamba sao manjary tototry ny mpizahatany?
3. moustaraf ( 14/11/2014 12:13)
Salama namana,
izaho aloha tsy hanamarina na handiso an'izany fa ny fahalalàna fototra momba ny "asseret hadvarym" dia nakarina nesorina eto an-tany izy io.....(...)

fa ny tiako holazaina fotsiny dia hoe:
betsaka anefa ireo zava-misy sy tranga eto amintsika Mkara, na tantara na voka-pikarohana, na seho hafa mihitsy izay toa ezahina tsy lazaina mihitsy, na @ sehatra nasionaly eny fa international !
Raha ireo zava -mahazendana misy eto dago fotsiny, na dia tsy hitrandraka ny ao ambany tany aza isika dia ampy hidiram-bola vahiny mandavan-taona! nahoana no afenina??? Misy antony ao hoy ny mpahalala!

Firy @ gasy no mba mahalala fa any @ musée any Turkey dia misy "carte d'exploration de gisement d'or" tranainy indrindra eto ambonin'ny tany izay manondro an'i Dago?
4. hafahafa ( 14/11/2014 12:38)

hery:

Dia ao Iboka ihany no malaza izany resaka izany :-)

Izany hoe tsy misy mahalala an'izany eran-tany... na siantifika na mpanao gazety. Tsy azo tenitenenina angamba sao manjary tototry ny mpizahatany?

Efa nisy fotoana nivoka gazety fa tsy noprecisendry zareo le tanana fa oe Madagasikara fotsiny no naitana azy, mety noheveriny olona fa vazivazy de tsy nahaliana ny olona, io zavatra io tena nisy naka sary mitsiny fa ny teo aminio tanàna io no tena naita naita any le izy daolo. Soratra Hebreo le izy ary ny tsy fahafatarany olona teo antanàna any le soratra no nahatonga any le izy nalaza be t@ zany.
5. hafahafa ( 14/11/2014 12:45)
Ialako ny tsiny aminy le oe soratra Hebreo alo satri zay mitsiny no nolazainy le olona t@ teo antànana an!
6. ombelline ( 14/11/2014 13:48)
Iboka sa Iboaka ilay tanàna ?
7. hafahafa ( 14/11/2014 14:40)

ombelline:

Iboka sa Iboaka ilay tanàna ?

Iboaka fa lasa fazarandartsy le manona de lasa vosoratra
ohatra: ahoana lasa aona; havoana lasa havona; fihaonana lasa fionana etseetsetra fa diso le fanoratra
8. hery ( 14/11/2014 15:09)
Tantara vao vetivety aza dia efa sarotra ny mandresy lahatra ny olona satria samihafa be ny avoakan'ny valin'ny analyse amin'ny Carbone 14... vao mainka fa zavatra tamin'ny andron'i Mosesy?

Fa na izany na tsy izany dia tokony hararaotina izany zavatra izany (na marina na tsy marina) mba hampandrosoana ny tanànan'Iboaka
9. vikina ( 02/01/2015 19:15)
Efa henoko io tantara io mety ho marina ihany ilay izy raha nitambatra t@ Afrika isika teo aloha, zany hoe raha nanalava lalana zany ry zareo an de mety nandalo taty Dago. Nefa ara-baiboly dia niampita ny ranomasina mena ry zareo.
10. Fiffi ( 10/01/2015 15:46)
...zany ve dé mba marina ? ...mety we angano angano....

tahaka an'lé tantara we misy maséra zany nitsangana tam maty.....de maty ;..dé velona indray...

tahaka an'lé tantara milaza fa ho avy ny fara-andro dé misy an'lé village Lemud, célèbre pic de Bugarach ihany no tsy hilentika...

....dé ahoana koa re...dé ahoana koa re ny manaraka....
11. andry 1000 ( 13/04/2015 05:54)
mety ho marina ve sa tsia fa raha ny tantara henoko aloha de taty aminy nosindriaka misy antsika i salomona mpanjaka no naka ny ampahany taminy hazo tsara indrindra (mety ho bois de rose ve) nanamboarana ny lapany jerosalema e!! henoko fotsiny fa tsy voatery ho marina an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6281