manomboka hivoaka ny marina mikasika ny nidiran'ingahy Ravalomanana

1. rabaradaka ( 14/11/2014 07:49)
Mitady ho sempotra sahady ny fitondran'i Hery Rajaonarimampianina satria efa manangasanga any ny fanazavana ny hoe iza no nanosika azy hiditra ary iza no nampiditra azy. Raha ny marina dia naman'ny efa arian'ny communauté internationale i Hery raha zohina ny fomba nidiran' Ravalo teto Madagasikara. Ho hitanareo eto tsy ho ela ny tohiny fa ny fahatongavan'ireto SADC sy ny Troika dia hahitana ny marina satria mba hahita rirany kely hiresaka amin-dry zareo aho (na dia tantsaha kely avy eny Itasy aza)
2. rhaj0 ( 14/11/2014 16:02)
misaotra mizara, dia mbola ampio sopapa kokoa fa liana e... Iza no nanampy azy tao ?
3. rabaradaka ( 15/11/2014 15:26)
Mpanao politika sady olona ambony tena ambony eto amin'ny firenena no niteny tamiko ary resaka sendra tsy nampoiziny no nilazany af tao ambadiky ny fidiran'ingahy Ravalomanana ny Communauté internationale . Aleo hijanona eo aloha fa mbola hitohy
4. mpisotrtoaka ( 20/11/2014 14:33)
Tao ambadika izy koa nahoana no milaza fa hoe ts "pour" tam voalohany sady niala bala mihitsy ! Mapme !
5. rabaradaka ( 25/11/2014 05:05)
Fomban-javatra ary fomba fiteny diplomatika no nataon'ny communauté internationale fa ny frantsay irery no tsy niteny fa nanaiky ny nidirany an-tsokosoko. Mbola hitohy fa mbola aty Atsimon'ny Nosy aho manao fanadihadiana mikasika an'ity Dahalo niova fo (DNF) ity
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1944