feraparan'ny tsy mino an'Andriamanitra

1. vony501 ( 29/10/2014 06:05)
Ity endrika "ferapara" ity ve midika fa tsy mino an'Andriamanitra (athée) ilay maty sy ny havany?

novalian'i bor2lais ny 07/11/2014 08:59
2. vahiny2004 ( 29/10/2014 09:02)

vony501:

Ity endrika "ferapara" ity ve midika fa tsy mino an'Andriamanitra (athée) ilay maty sy ny havany?




Dia ahoana ? Inona no mety ho olanao ?
3. bor2lais ( 29/10/2014 10:11)
Sao dia mba tsy mety kosa izao lohateny izao !
4. rhaj0 ( 29/10/2014 11:02)
Ny olana ve? mety hoe very kil (sy vola sy autorité) ny Fiangonana sy Damopra/Rapasy... Fa toa tsy nasiany ilay karazany hoe Ny Andriana koa... Dia toa tsisy fokontany koa...

Fa kosa, ny soratra etsy ambony dia hoe "lasa nanantona" ireo efa maty izy. Raha "athee" izy dia TSY mino an'izany hoe rehefa maty dia mihaona any ho any izany, fa dia maty = vita.


Fa mampieritreritra tokoany io... hoe lasana izany i ranamana, ary dia tena tsisy "fombafomba" ... Ireny "fombafomba" ireny mantsy mety manampy ny mpisaona @ fisaonany ao.

5. vony501 ( 29/10/2014 11:36)

vahiny2:


Dia ahoana ? Inona no mety ho olanao ?


Tsy dia misy olana loatra, fa mba mahalasalasa saina ihany, araka ny fanamarihan'ny namana hoe "tsy misy hita ireo fombafomba" : na ny maha malagasy, na ny maha kristiana, na ...Tsy ahitana soritra izay mba mety ho finoany e!
Izy aloha izany efa tsy nantsoin'ny Ray hody any aminy, fa lasa nanatona ireo havany efa maty talohany, izay tsy fantatra hoe aiza...
6. vahiny2004 ( 29/10/2014 11:45)
Ka efa io izany ilay fombafomba e, nanatona ny havany izy

Ny tiako hahatongavana dia mahavariana isika tia mitady zavatra sarotra fa tsy manaiky fotsiny ny safidin'ny hafa.

Samy manao izay tiany angamba @ fampandrenesana toy itony (afa-tsy ilay lasa no tsy afa-manoatra) . Ekena fotsiny no mety fa tsy tadiavina na tsikeraina hoe inona no mety ho antony na inona no mety finoan'ilay olona .

Ohatran'ny tian-tsika ilay mampiditra ny olona anaty boaty : boaty kristiana, boaty tsy kristiana, boaty andriana ...

Tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy, saika hiteny ohatry ny vazaha aho hoe "de quoi on se mêle dès fois ? "

Tsarà aby
7. rhaj0 ( 29/10/2014 12:31)
ilay izy kosa mba fitia te-ahalala e... (mbola "fitiavana" daholo izany)

Hafa indray ilay mambosibosika na maneritery, ka hoe tsy maintsy lazaina izatsy sy izaroa, ary izaroa no lazaina voalohany, dia avy eo azany misy manilikilika hoe, tsy mahazo miakatra atsy ho atsy satria izao sy izao.
8. gasy1zay ( 29/10/2014 13:19)
Ohatrany tsy mety kosa angamba izao ataonao izao ry rhaj0 fa ny olona efa nidonam-pahoriana ianao ohatrany mbola mamendrofendro. Hitako tsy mety ny hipublienao azy eto na dia ataoko hoe fianakavinao aza izy ireo na tsia.
9. gasy1zay ( 29/10/2014 13:25)
azafady fa i vony501 no tiako ambara fa tsy ianao rhaj0, miala tsiny fa ohatrany fahazarana ilay mamaly an'i rhaj0 :)
10. rhaj0 ( 29/10/2014 13:28)
"Fampandrenesana" efa "public" io nampitainy io, fa maninona kosany azany...

Sao "manelingelina" anao kosany azany ilay resaka dia mody hoe...
11. vony501 ( 30/10/2014 12:29)

gasy1zay:

azafady fa i vony501 no tiako ambara fa tsy ianao rhaj0, miala tsiny fa ohatrany fahazarana ilay mamaly an'i rhaj0 :)


"fampandrenesana" izay natao ho hitan'ny rehetra tokoa izy ity ka (sady navoaka an-gazety tao amin'ny midi-madagasikara).
Tsy fanamelohana sanatria, na fanadisoana, fa mba ohatra ny olona rehetra avy mamaky gazety dia mahita vaovao, dia mba mi-comment kely manontany ny anton-javatra sy ny hevitry ny hafa e!
12. toriteny ( 30/10/2014 14:39)
Tsy hamendrofendroana ny maty akory fa hananarana izay mbola velona ny zavatra teneniko eto.

Voafehin'ny loahevitra io daholo ny zavatra rehetra. Rehefa tsy mino ianao dia afaka miteny izay tianao tenenina (na ny havanao marimarina kokoa). Rehefa tsy kristianina ianao afaka miteny hoe lasa any rangolahy izy , lasa any Andrebabe, Nirvana, Valahala.

Fa rehefa kristianina ianao dia mijoro ho kristianina hatramin'ny farany. Ary amiko ny fahafatesana no tena tokony hijoroan'ny kristianina amin'ny finoany (ny havanao mbola velona io fa tsy ianao efa maty) hatrany amin'ny fiandrasam-paty (tokony hira fiderana fa tsy hira mampalahelo) ka hatrany am-pasana ary ao anatin'izany ny ferapara.

Inona ny fiainana ho an'ny Kristianina? Fandalovàna ity tany ity hanomanana sy hiariana harena any amin'ny tena fiainana (MAt6:20). fa tsy eto akory ianao no hieritreritra hanangana zavatra haharitra ka hoe na tsy tanteraka aza ny nokasainy ho an'ny tanindrazany.
13. endriny ( 31/10/2014 05:56)
Fa inona aloha no olana raha tsy mino ilay olona e?

Manjary tsy manao fara rakitra ve?
14. vony501 ( 31/10/2014 07:03)
Niova endrika ilay ferapara androany, lasa nisy tenin'Andriamanitra, sady entina any am-piangonana

15. vony501 ( 31/10/2014 08:14)
Azafady, hay tsy entina any am-piangonana fa aorian'ny fandevenana vao hisy fiaraha-mivavaka
16. rhaj0 ( 31/10/2014 12:53)
Mahafinaritra ahy izany rehetra izany..
Raha ny fahazoako azy, na atao hoe mba manohy ny tantara, araka ny fahitako azy aho izany (arosoy ny anao dia ndao iarahana mijery)...

TSY mino ilay "fombafomba" Ratompokolahy, fanefa kosany, mbola milefy (tolerant) ary mitsinjo (comprehensif) ihany ny havany (izay "mino") izy, fa tsy mba miziriziry toa ireny Itsimahalalaafatsynyfinoany ireny..

Ka dia kopy koa ny fianakams, ary dia nampiana ilay "fombafomba",fa kosa, izany dia AORIANA, rahefa avy tsara petraka "any @ fasan-drazany" izy. Ilay verset nosafidian'ny velona moa, amiko aloha, dia mitaratra ny revin-dRatompokolahy, dia "... ny mba hifankatiavanareo".

Revy universel io fa tsy i Jaona irery no manana ny droit d'auteur an'io... fa fotsiny mba tsy ifandirana dia io izany e...

17. rhaj0 ( 31/10/2014 13:11)
Tsy aritro fa fanampiny kely...

Tena manaja ambony an-dRatompokolahy raha izaho. Izao tranga izao dia azahoana lesona lehibe (raha izaho aloha) :

Ny olona TSY mino dia tsy arak'ilay diabolisation fanaon'ny mpino (sasany), ka dia hoe olona tsisy fanahy. Araka ny "inoako" azy io ambony io, dia olona tena tsara fanahy Ratompokolahy (tolerant et comprehensif ary mitsinjo ny fifankatiavana). Koa na ny sariny fotsiny azany dia tena sympa izy e... Ary TSY toa an'ireny Itsimahalalaafatsynyfinoany ireny ho'a izy...


[size=8]ohatra ilay sary ato izao... asa raha sympa aminao ohatra ho'a[/size]
18. toriteny ( 31/10/2014 15:56)

rhaj0:
Ny olona TSY mino dia tsy arak'ilay diabolisation fanaon'ny mpino (sasany), ka dia hoe olona tsisy fanahy. Araka ny "inoako" azy io ambony io, dia olona tena tsara fanahy Ratompokolahy (tolerant et comprehensif ary mitsinjo ny fifankatiavana). Koa na ny sariny fotsiny azany dia tena sympa izy e... Ary TSY toa an'ireny Itsimahalalaafatsynyfinoany ireny ho'a izy...

Ny pape koa tsara fanahy , ianao koa tsara fanahy, be dia be ny olona tsara fanahy eto an-tany fa tsy misy mihitsy Teny na iray aza ao amin'ny baiboly milaza fa izay tsara fanahy sy manova fihetsika sy toetra no handova ny fiainana mandrakizay. Izaho sahy milaza aminao fa tsy misy mirehareha noho ny Jiosy angamba raha firenena eto ambonin'ny tany satria mahatandrina ny lalàna rehetra, manao asa fanasoavana (tsara fanahy),sns.

Fa nisy Jiosy voavonjy ve nefa tsy nateraka indray? tsisy.

Ny azy anie efa vita e, efa maty izy tsisy azo ovaina intsony ny amin'ny destiné any fa regret sisa no mahazo any amin'izao. Ianao mbola omena andro dia aza miantehitra amin'izany tsara fanahy dia ampy izany mba tsy hi-regretter na.
19. rhaj0 ( 01/11/2014 15:42)
eee.... ka dia aleoko lavitra mhintsy miaraka (na eto an-tany na any an-koatra any izany) @ olona "tsara fanahy" na dia TSY mino azany izy, toa izay ireo olona manilikilika/manavakavaka/mambosibosika/mi-culpabiliser olona/manakatsakana/egocentrist-nombril du monde/....
20. endriny ( 02/11/2014 05:13)
Inona no olana? tsy nahazo fara rakitra ve eh?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.313