Veloma ry Paris kaloin'i Barijaona

1. Maningana ( 09/10/2014 06:13)
Mba omeo n tonony sy ny clip an'io hira io izay manana ô, mrc, raha misy KARAOKE vao maika tena tsara
novalian'i ora ny 18/12/2014 12:14
2. sitlo ( 02/12/2014 20:16)
Fa angaha moa tsy hoe "Veloma ry Iarivo" na "Alina Paris"?
3. sahia ( 18/12/2014 12:12)
ito no misy ka asa raha io marina no ilainao


VELOMA RY PARIS –Barijaona (cludegeorges)

Veloma ry Paris fa roso ny dia
Toerana nahitan-tsoa tsy hohadinoina tokoa
Dia gaga ve ianao raha toa ka hifandao
Tiako ianao ka aoka re tsy hanafenako
Tiako noho ianao I Gasikara ilay fonenako

Veloma hotsaroana ry toera-pandrosoana
Ny sarinao no entiko ka iny no nofisiko
Tiako ianao kanefa aoka tsy hanafenako
Tiako noho ianao I Gasikara ilay fonenako

Dia tody izao ny dia , iry ery ho ery
Lay Nosy madagasikara, lay toera-manana tantara
Dia io tokoa va re ilay tsy hitako elabe
Tiako ianao ka etsy kely iantsapazako
Etsy ifanoroka ry Nosy Tanidrazako
Kopaka mosoara tonga soa aman-tsara
Handeha arangarangako ity Analamangako
Tiako ianao fa aoka , aoka iantsapazako
Etsy hifanoroka e ry Nosy Tanindrazako

sitlo:

Fa angaha moa tsy hoe "Veloma ry Iarivo" na "Alina Paris"?
4. ora ( 18/12/2014 12:14)
zah manana ny tonon'ny anakiray

sitlo:

Fa angaha moa tsy hoe "Veloma ry Iarivo" na "Alina Paris"?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1858