hiran'i VICTOR SOLO

1. sahia ( 09/10/2014 06:10)
SLM DôLY
SAO MBA MIS MANANA CLIP na hira MP3 izay an'i Victor solo fa i NOROSOA ilay zanany no mihira azy, ireto lay hira mba ilaiko: Neny ô, Dada sy Neny, vavaka, misôtr e, vao maika tsara raha misy mba afaka manome ny tonony, efa nikaroka ihany tao @ tonokira zah f ten tsy nahita mihitsy
novalian'i ora ny 18/12/2014 12:14
2. ora ( 18/12/2014 12:14)
RY NENY –VICTOR SOLO(Norosoa)
Ry Neny ô, neniko
Lazaiko anao fa tsy afeniko
Ny tenako dia mbola kely
Tsy manambola velively
Aza dia omena tsiny
Ry nitrotro ahy fahiny
Fa ny azoko omena
Dia ny foko volamena

Ry nitaiza nanasoa
Ny fitiavanao tsy lany
Ary fahendrena koa
No hanampiako an’izany
Neny ô, ry Neniko
Ianao no fifaliako
Ka ny mamiko eto an-tany
Dia ianao irery ihany
Dada sy Neny –(Victor Solo)

Dada sy Neny rehefa miteny
Tsy maintsy hajaina fa fototrin’ny aina
Matoa lasa ambony ireo mamin’ny fony
Dia I Dada sy Neny no fototr’ireny

Ny zaza manjeny rehefa tafita
Ny Ray aman-dreny no hodiana tsy hita
Ry zaza manoa manara-dalàna
Akaro ho soa ireo vy nahitana



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1933