Mba nijerijery ny vidin'ny .mg tamin'ny internet aho dia toa tena lafo be daholo ny hitako. Efa 10x mihoatra mihitsy.
Ny .com ohatra $10 isa-taona eo, ilay .mg toa $120 mihitsy.
Aoka ihany fa nijery ny siten-dRadot.mg aho dia kay izy mivarotra. Dia raha 5 taona dia mba tafidina $25/taona mihitsy.
Fa na izany aza mbola hitako lafo ihany.
Manalasala tahaka ny tendan'akoho ihany ilay izy satria io no antsika. Nefa koa ny hoe antsika matetika ny hafa ihany no tena ao ambadiny fa manambaka fotsiny.
Somary nijery kely ihany aho fa ilay site-n'ny tena malagasy topon'andraikitra aminy nic.mg aza indraindray mandeha indraindray tsy mandeha.