Vaovao manamafy ny efa nambara teto ary voaporofon'ny zava-misy

1. rabaradaka ( 06/10/2014 05:09)
Mitombina daholo ny zavatra notanteriko teto enim-bolana lasa izay, tsy hoe mpaminany akory Rabaradaka na mpamantatra ny ampitso mifono mystère fa olom-pirenena tsotra toa anao, tantsaha aty ambanivolo e !
- Rolland Ravatomanga, efa ela no niresahan-dRabaradaka an'io olona io fa mpamadika ny mouvance Ravalomanana io ary tena tontakely mihitsy, io rangahy io dia anisan'ireo tsy manaiky ny hiverenan-dRavalomanana miampy an'ireo députés sy ireo TIM nahazo fitondrana. Mibaribary izao fa toa hoe ho esorina tsy ho mouvance intsony i Ravatomanga izay tena migalabola fa lasa ministre ;
- ny mpomba an-dRavalomanna dia ry Maitre Hanitra sy ry Guy Rivo sy ny forongony izay toa nangina fa mody mivazavaza etsy sy ero izao, raha tena manana hazon-damosina izy ireo dia miala ao anatin'ity fitondrana ity ary tsy misy miditra anaty fitondrana na SG na DG na directeurs ireo zanaky dada sy mouvance Ravalo. Tsy izay no zava-misy fa vao mainka mitapikitra ry le maty ireo ;
- ny fampanantenana poak'aty nataon'ingahy Filoha mamim-bahoaka tsy misy tanteraka na iray aza efa ho tapitra ihany ny taona. Diso malama vava loatra ny Filoha fa raha mihaino ny kabary ataony ianao dia toa mbola kabarin'ny mpanao propagandy ihany, haharitra eo tokoa ve i Hery Rajaonarimampianina ? Tena hisy tokoa ve ny famatsiam-bola avy any ivelany ?
- miaraka amin'ny fitondrana tokoa ve ny AREMA tarihin'ingahy Amiraly Didier Ratsiraka sy ny ankohonany sa ilay AREMA an-dry zalahy nisintaka no misolelaka amin'ny HVM ? Betsaka ny resaka mandeha mantsy fa hoe olon-dRatsiraka no ho PM eo, sy ny sisa.
Ireo zavatra ireo dia efa notanisain-dRabaradaka teto efa ho 5 volana sa 6 volana lasa izay dia io izy miseho mibaribary io.
Veloma nareo fa andeha hividy sakafo aloha ho an'ny mpiasa tany izahay, veloma e !
hoy Rabaradaka
2. rabaradaka ( 11/10/2014 12:20)
Tsy tahotra tsy henatra i Rolland Ravatomanga sahy milaza fa tsy hiala ny gouvernement raha tsy ny Président Hery no manala azy, nefa izy ihany no miteny fa ny mouvance Ravalomanana no nahatao azy. Tena tsy mahalala menatra intsoy yty lehilahy lehibe tia seza sy voninahitra ity. Fin de carrière politique io Ravatomanga io raha izao no miseho ary dia potika miaraka aminy daholo izay manodidina azy rehetra toy ny DirCab izay zanakt Dada, ny SG izay TIM , ny DG rehetra izay TIM sady extremiste daholo. Io Ravatomanga io mihevitra fa tia azy i Hery sy ny HVM, diso izy, samy malama vava ireo ary samy mifamitaka koa.
Veloma ry Rolland Ravatomanga a !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4473