lohahevitra fitariam-bavaka

1. simplet400 ( 17/09/2014 10:36)
Miaraba antsika rehetra,

Mpianatra katekomena ny tenako. Tsorina ny marina fa tsy mbola mahay mitarika fotoam-pivavahana izany. Hisy anefa ny fotoana tsy maintsy anaovana izany. Ko dia manontany hevitra aminareo oe aona sy aona ny fomba isafidianana soratra masina ao am Salamo, ny fividianana hira, sy ny fanomanana vavaka amin'izay fotoam-bavaka izay. Marihina fa famakian-teny soratra masina ao am salamo, hira iray, sy vavaka fohy ihany no atao amin'izay. Ka dia manantena ny fanampiana avy aminareo

Misaotra indrindra
novalian'i yohanan ny 17/09/2014 12:01
2. hery ( 17/09/2014 10:48)
Raha Katolika ianao dia azonao raisina ny lohahevitra mandritra ny andro. Isanandro dia misy vakiteny aroson'ny Fiangonana ka iny no hakàna ny lohahevitra. Misy salamo rahateo efa voafidy ao anatin'izany. Jereo ny http://katolika.org/katolika/vakiteny/herinandro

Raha Protestanta ianao ka tsy te hampiasa an'ireo dia mino aho fa misy koa ny perikopa sy ny mana isan'andro.

Fa raha tsy izany dia azonao koa ny maka lohahevitra mikasika ny tranga ilàna ilay vavaka. Vavaka miaraka amin'iza? Ho an'iza? Mikasika ny inona?

3. simplet400 ( 17/09/2014 10:56)
Misaotra tamin'ny valinteny.

Protestanta aho, ary fotoam-pivavahana entina anombohana fianarana katekomena ihany ilay izy.
Ho jereko iany aloha io natoronao io ra sendra mety.

Misaotra tompoko
4. yohanan ( 17/09/2014 12:01)

simplet400:

Misaotra tamin'ny valinteny.

Protestanta aho, ary fotoam-pivavahana entina anombohana fianarana katekomena ihany ilay izy.
Ho jereko iany aloha io natoronao io ra sendra mety.

Misaotra tompoko


Shalôm !
Miharihary fa tanteraka aminao izay voalaza ao @ JEREMIA 50:6
Toro hevitra d hoe mitadiava an'i ELOHYM Ilay nampisy ny lanitra sy ny tany tokony hivavahantsika TARANAKA VOAFIDY
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7751