Vokatry ny fikaonan-doha nataon'ireo mpikambana ato amin'ny tambazotra TIHAVA izay nanadihady ny tombontsoa sy ny sakana sedrain'ny vehivavy iharan'ny herisetra te-hisitraka ny "Zo hisintaka " , ny akany TSARAMONINA izay sehatra iray ao anatin'ny asa sahanin'ny APVC (Action et Prévention contre la Violence conjuguale) tetikasan'i ENDA OI Madagasikara vatsian'ny Vondrona Eropeana sy ny Provictimes ara-bola : toerana iray natao hampiantranoana ireo vehivavy iharan'ny herisetra ao an-tokantrano rehefa "hisintaka" izy.
Ny tanjon'ny AKANY dia ny hamonjy ireo vehivavy tandindomin-doza noho ny herisetra mandritra ny fotoana, ary manolotra azy ireo toerana milamina manamora ny fandraisany fanapahan-kevitra tsy misy teritery
ny lalàna malagasy dia manome alalanany vehivavy hisintaka ny tokantranony mandritra ny 2 volana raha toa ka misy " antony lehibe " tsy hahafahany miara-miaina amin'ny vadiny ka any amin'ny fianakaviana na olona mahatoky na akany no toerana andehanany amin'izany
Miarahaba!
Azafady mba avoahy eto ilay lalàna malagasy mifehy ny fanambadiana raha azo atao, fa ny fahalalako azy dia any amin'ny fianakaviana (raiamandreny) ihany ny vehivavy no mahazo mandeha misintaka, sinon, azon'ilay lehilahy enjehina pour abandon de foyer indray izy raha vao mandeha any an-toeran-kafa