Ahoana indray ity honohono amin'ny Ice Bucket Challenge ity e?

1. sitlo ( 08/09/2014 21:12)
Hitako eto aloha fa i Maranatha no hiteny voalohany hoe "za tsy efa niteny?" Mariky ny bibidia. hihihi

novalian'i sitlo ny 10/09/2014 20:52
2. endriny ( 10/09/2014 06:18)
Batisa eny an-dalambe aza ho atao. Mitovy ihany ny vokany, rehefa nolemana rano mangatsiaka ianao, dia mifoha... Taitra sy very daholo ilay hakamoana saika hatory. Matoria ange ianao atoandro e, dia na renoka toa inona aza, ka misy manondraka ranomangatsiaka... Tonga dia taitra mitsamboatra, sady mahavita manompa mihintsy.... Randremanitra o!
3. rhaj0 ( 10/09/2014 13:48)
Ny kisangisangy fataoko an-janako dia ... mitso-drano.. ny vitsika : fenoana rano ny vava dia ampitsitsitra sahala @ ireny manondraka bozaka ireny e... dia lasa vinany lavitra izy : raha izy hono ilay vitsika ka hoe misy goavambe mitso-drano azy.. dia hoy aho hoe, mety hivavaka @ ilay goavambe ianao raha izany... noho ny fahatahorana azy fotsiny
4. sitlo ( 10/09/2014 20:52)
Ny tena marina dia izany no tena atao hoe mitso-drano amin'ny malagasy. Ny dadabe-n'ny mamanay mitso-drano ny zafizafiny foana, fony izy mbola velona, rehefa feno eritaona eo ilay zaza. Dia izany mihitsy: asiana rano any am-bava dia tsofina lena amin'iny ilay zaza dia avy eo tenenina amin'izay ilay tsodrano.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3172