Projet fanatsarana tranon'ny rafozana

1. Ryhaj ( 22/08/2014 08:33)
Izaho miteny dia ilay vinanto lahy.
Za+vadiko+mpiray-tampo am vadiko = nanana projet hanatsara ny tranon'ny rafozana.
Nivory, dia samy hoe anangona vola "nandritry ny 5 mois" izahay.

Participation za sy ny vadiko = 50% .
Participation an'ny mpiray-tampo am vadiko = mifampizara ny 50% ambiny zareo.

Za+vadiko = efa naloha ny vola anjaranay.
mpiray-tampo am vadiko = nahaloa 25% fa mbola misy 25% ambiny mbola tsy voaloha.

Au dernier moment anefa (omaly) dia nilaza ny 1 t@ ireo mpiray-tampo ireo fa misy probleme ka tsy afaka manome ilay vola fa tsy misy tampoka any aminy.
Androany, 75%-n'ny asa no vita satria banga io 25% io.

Niantso ahy par téléphone zareo vao maraina teo hoe sao dia misy possibilité afaka omeko io vola banga io fa averin'i zareo "rehefa misy"(Tsy misy date précise an, fa hoe rehefa misy fotsiny dia averina).

Za nefa niteny t@ vadiko fa izahay mivady tsy hanome satria zahay efa nanome 50% an'ny budget total , mba farafaharatsiny tokony manana finiavana zaraina io banga 25% io , dia anontaniana hoe iza no hanome.

Ny Mahasorena anah dia hoe tonga dia mitodika aty aminay mivady ny point hoe mba fenoy aloha ny banga fa refa manana averina ny anareo, sady par téléphone fa tsisy fivoriana, (non.. efa nisy fivoriana kely zareo (sauf zahay mivady) satria ilay tsy nanana vola io nampita hafatra tam ilay niantso anah io hoe teneno aloha i Ryhaj hoe fenoy ny vola raha possible, zareo koa efa niala bala daholo hoe tsy manana vola fa i Ryhaj mivady manana dia ataovy alohany any aloha), ka hany lasa mahatsiaro tena ho impliqué sy culpabilisé izany izahay raha tsy mameno ny banga.

Malahelo ah satria tsy rariny izany amiko, fanatsarana no tanjona, sao dia ady no aterany ...
novalian'i tiris8786 ny 13/04/2015 17:41
2. miarana ( 22/08/2014 09:55)
rahha ny hevitra azoko omena dia mila mivory miaraka hianareo rehetra dia eo no miresaka mazava ary eo no tsy maintsy tapaka ny hevitra oe atao sa tsy atao ilay ambiny.

Raha ny tena tsara dia ianao no mampiantso fivoriana ary tanteraho any an-tranonareo mihitsy (tsy eo ny rafozana).
3. Ryhaj ( 22/08/2014 10:31)
Hitako tsara tokoa izay hevitra zay.

Satria niaraha-natao daholo ny fanapahan-kevitra rehetra ka raha misy fiovan-javatra dia aleo miara-mandinika fa samy concerné daholo, fa tsy atao par téléphone mangingina any.

Vao avy nampiantso fivoriana aho rahampitso: hita eo izay avoakany.

Merci
4. mpisotrtoaka ( 09/09/2014 08:26)
Ts voalohany tamiko io resaka fanatsarana fiainana rafozana io ! Nisy fotoana aho namporisihan'ny vadiko sy ny rafozako mba hindrana vola tam banky iray mba hivarotany hono ! Nentim-pitiavana ve sa dedaka dia naka tokoa ary ny antsasa-manila nomena azy avokoa ar ny ambiny mazava ho azy namidy fanaka tao an-trano ! Taty aoriana anefa d tapaka sy namana aho ar tsis nijery miits ! Nony avy eo anefa dia hoe hanao trano ry zareo ary ho an'ilay zaodahiko faralahy le trano ! D gaga aho hoe ts manambola hono nefa hanao trano ! Mampalahelo le toe-tsaina tahaka izany fa dia manakorazy an'ise aho rahalahy !
5. vahiny2004 ( 19/09/2014 14:59)
Tsotra kely izany amiko :

- tsy manana vola ianao : tsy afaka manome dia tsy manome
- manana vola ianao fa tsy te hanome : tsy manome
- manana vola ianao sady te hanome : manome

Inona no manakana anao tsy hanao izay heverinao fa mifanitsy @ ao an-tsainao ?
6. tiris8786 ( 13/04/2015 17:41)
raharaha be izany ! mety ny nataonao satria ianareo roa aza efa nanome ny atsasany dia ampy izay. avelao ao rehefa tsy vita ny asa ka tsy manome ny anjarany izay tokony hanome. izay foana ny resabe amin'ny fianakaviana fa misy manome dia misy manao parasite fotsiny ary efa lasa mahazatra ny ray amandreny gasy ilay manome adidy ho an'ny zanany na misy na tsy misy. Tsy misy mandà hanampy fa indraindray mihoatra ny fefy satria ny zanakao koa mba manana ny tokantranony sy ny priorités-ny ary matetika dia efa lasa fahazarana ho an'ilay ray amandreny ilay manao hoe :"anjaranareo inty".
izaho dia efa leo satria nanambady lahimatoa ka hoy aho hoe latsaka ambany nohon'ny voaozona fa izy foana no mizaka voalohany izay zava misy eo amin'ny ray amandreniny. tena hoe leo leo leo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3027