fiainam-pitiavana

1. shannie ( 21/08/2014 16:46)
Ny tsy mbola manambady tia hanambady, ny efa manambady tia iala @ vadiny ny sasany, fa maninona? aƓna ny hevitrao?
novalian'i tiris8786 ny 30/04/2015 16:43
2. Randri87 ( 05/09/2014 07:26)
Arakarak'ilay olona sy izay situation iainany angamba no mahatonga an'ilay fiainam-pitiavana samihafa. Tsy hoe ny tsy mbola manambady rehetra no te hanambady dia tsy ny manambady rehetra koa no te hiala : ny sasany ihany araka ny efa noteneninao rahateo. Misy mpivady mahita fahasambarana ao amin'ny tokantranony fa misy mahita ny mangidy sy ny tsy nampoizina dia mety vosarika hiala.
3. moi ( 12/09/2014 10:56)
izay tsy ananana ihany ange ny tadiavina e ! ny mainty te ho fotsy, ny mahia te hatavy... tsy mety afa-po mihitsy raolombelona !
4. mpisotrtoaka ( 25/09/2014 12:12)
Ts mety afa-po ny olombelona ! Izay manana ariary roa te hanana ariary 4 ! Lalam-piainana izany ary izay no famaritana ny atao hoe fiainana !
5. shannie ( 25/09/2014 18:29)
lakalaka ny fiainana eh! fa eo @ tokatrano ko d tokny ifankatia sy ifanaja , mifampatoky sy mifandefitra ny mpivady d tokony ilamina izy @zay. mila manana fifehezan-tena iany koa. mirary soa ho an rehetra e.
6. ombelline ( 29/09/2014 08:40)
Marina foana io na resa-pitiavana na resaka hafa.
7. tiamanaja ( 01/04/2015 22:01)
Zao reto a!za oa manambady fa toa tsy mety tsony nenay ka ramisy vevavy mety manaraka tsara amiko mba valio za de afaka miresaka tsara fa tsy diso fanantenana ianao!mercie !
8. tiris8786 ( 30/04/2015 16:43)
na izany aza olombelona olombelona ihany. miankina foana amin'ny anjaranao, ny fanabeazana azonao, ny fiainana hiatrehanao. izao anefa no hitako, tsy mbola naheno aho hoe sambatra aho amin'ny fanambadiako fa dia samy manafina ny lamba malotony. amin'ny voalohany aloha mahafinaritra foana na misy vola na tsy misy fa rehefa avy eo amin'izay dia miomana fa mipoitra daholo ny olana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3045