Lafiny teknika mba mila valiny mahafapo ity tompoko, hoy i rabaradaka

1. rabaradaka ( 12/08/2014 14:27)
izahay tantsaha itony moa tsy mba mahay loatra an'ity resaka internet sy informatique itony fa misy namana nasaiko niditra ho "ami" amin'ny serasera izay tena bobaka be tokoa. Fa hoy ry zareo hoe angaha tsy mety atao hoe misho avy hatrany ho an'izay nanao "j'aime" an'ilay serasera.org Malagasy mifandray fa tsy maintsy manoratra hoe serasera ao amin'ny recherche vao miseho ilay izy ? Mba valio io ry dadatoa Hery fa tsy haiko izay hamaliana azy.
Misaotra tompoko
Rabaradaka tia serasera
2. hery ( 10/09/2014 07:11)
Tena tsy azoko ilay fanontaniana rabaradaka.

Raha ny ao amin'ny facebook dia sokafana mivantana fotsiny ity rohy ity: https://www.facebook.com/seraseraorg

Tsy hitako hoe aiza no mila manoratra.
3. rabaradaka ( 19/09/2014 17:38)
Misaotra dadatoa Hery fa dia tena mahay zavatra nareo leretsy a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.2075