Tena tsy am-piheverana no nanalana an'i Rabesa Zafera Antoine

1. rabaradaka ( 12/08/2014 14:18)
Efa naneho hevitra aho mikasika an'ity président de l’Université de Mahajanga Rabesa Zafera Antoine ity fa tokony ho jerena akaiky satria mety hiteraka korontana nefa dia izao izy nesorina izao, mety tsy hampilamina an'i Mahajanga intsony io resaka io.
Izao no fandehany : misy milaza fa i Rabesa Zafera Antoine dia manao izay fomba ho "islamisé"-na ny Université an'i Mahajanga, mpampianatra Mpiandry FJKM ao no manely tsaho. I Rabesa anefa dia nitondra fanatsarana tena goavana tokoa ary nitondra fitaovana tena raitra ho an'ny Université Mahajanga izay indrisy fa potika tanteraka nefa mitentina amina miliara. Ny mpomba an'ingahy Rabesa indray anisan'izany ireo mpampianatra Silamo (betsaka no fantatro satria efa nampianatra tao koa aho) dia tsy hanaiky mihitsy, miampy koa an'ireo zanaky Sofia sy Boeny izay mpomba an'i Zafera.
Tena adalan'i Hery Rajaonarimampianina mihitsy io, tsy aleo ve ny mpianatra no natao izay hampilamina azy toa izay izao korontana izao ? Diso aloha ilay filazana fa hanao islamisation ny Université de Majunga i Zafera, tena diso izany, finoany io toy ny hoe Katolika na FJKM na Pantekotista na boudista, sy ny sisa.
Afo mirehitra tsy ho faty intsony io ao Mahajanga io ary raha ny hevitro amin'ny maha mpandinika politika ny tena dia avy ao Mahajanga no haharava an'ity fitondrana ity.
Mbola hitohy ny fanazavana
2. hery ( 14/08/2014 16:31)
Ohatry ny nilamina an... sa mangingina fotsiny?
3. rabaradaka ( 15/08/2014 10:48)
tsy hilamina io fa mandrimandry ratsy fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6032