« Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. 1 Jaona 4 : 16 ; ... fa marina ny didinao rehetra. Salamo 119 : 172 ; ... koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. Romana 13 : 10 ; Ny fahamarinana dia fitiavana, ary ny fitiavana no maneho ny toetran’Andriamanitra sy ny fiainany mihitsy. Ny fahamarinan’Andriamanitra dia nasehony tamin’ny alalan’i Jesosy : ka amin’ny fandraisana Azy no hahazoantsika fanamarinana.”» ARAHO ATO
Tsy misy manda ny fahamarinan'izany fa tokony havoakanareo aloha ilay baiboly mifanaraka @ tena izy. Satria raha mampianatra olona hianao ka rehefa tonga eo amin'io teny io hoe jesosy izany dia hovana hoy hianao??? koa tsy lazainy fa manampy sy manala ve??? . Efa adi-hevitra goavana teto aminay io fa ny fanampahan-kevitra farany dia ny hoe harahina io rehefa misy baiboly mifandraika amin'izany toy ny fanononana ny hoe Iaveh raha baiboly katolika no ampiasaina sy ny hoe Jehovah rehefa baiboly loterana no ampiasaina ary rehefa tonga ny baiboly izay havoakanareo dia atao hoe Yeshoah ny anarany ary YHWH ny anaran'i Tsitoha .
Tsotra be izany moustafar a! Efa voalazako taminao fa ny fahamarinana fototra aloha vao ny pitsopitsony madinidinika