Tsy ho tafody mihitsy i Ravalo raha mbola ireo ekipany ireo no antenainy

1. rabaradaka ( 04/08/2014 08:27)
In'enina angamba i rabaradaka no niresaka an'ity fa averiko eto indray.
Fotoana tokony hakan'ny mouvance Ravalomanana hevitra izao, na hijanona ao amin'ny fitondrana satria tsara ny seza sy ny voninahitra toy ny nataon-dry Rakotoarivelo sy ireo CT sy CST tamin'ny Tetezamita nefa tsy nahavaha olana na hiala ka hanao fitakiana hentitra sy henjana amin'izay.
Raha ny fahitana an'ireo olon-dRavalomanana ao amin'ny fitondrana Repoblika faha-4 dia karazan'ireo olona tehanan-karena tampoka sy tia voninahitra izy ireo, Rolland Ravatomanga, efa fantatra amin'ny aferana vary ataony, tsy hampody an-dRavalo iny fa be resaka fotsiny, ny akama rehetra aza notsipahany; ry Hanitra be sy ry Guy Rivo indray efa mitavana ny ao Tsimbazaza tsy manaiky ny ho elingelenina intsony.
Koa raha izaho Ravalo dia i Lalao vadiny isa no azony antenaina.
Na midrikina ny mouvance rehetra manala an'ireo olony ao anaty fitondrana na avelao i Ravalo ho any.
Misaotra tompoko
Hoy i rabaradaka, zanaka tantsaha
2. hery ( 05/08/2014 06:00)
Efa nanomboka nanao menace Ravalo fa asa izay hataony. Tsy hitako koa izay tena antony hiezahany hody raha izaho. Ny bizna mandeha ihany any :-)
3. rabaradaka ( 05/08/2014 08:07)
Ka Ravalo ange ry dadatoa Hery tsy vitan'ny hoe miesona fa ampiesonin'ireto mpiara-dia aminy e !! Zay no mahatonga fofona an-drazoky io, tehody ihany aloha izy nefa kely ny chance hodiany alohan'ny 2022 raha ny fahitako azy. Ny frantsay sy ny amerikana aloha efa kivy amin'ny fomba fitondran'Andriamatoa Filoha hajaina mamim-bahoaka sy voafidin'ny ankamaroan'ny malagasy Rajaonarimampianina Hery, ka izay afitsok'ireo firenen-dehibe ireo sisa no ho avin'ingahy Ravalomanana Marc
4. hadji ( 06/08/2014 04:49)
misy tahotra ireo olona sasany naka n fananan dravalo satri tsy maintsy haverina ireny misy mpanohana azy akaiky koa tamin izany
5. rabaradaka ( 07/08/2014 10:56)
o ry hadji a, iza moa no nangalatra ny fananan'i Ravalo fa tsy ireo TGV sy HVM ireo, ry Sareraka, ry Pety, ry Voninahitsy, ry Hery, sy ny sisa. Ny mety hampiomehy dia ity : hirona hanohana an-dRavalo daholo zao ireo olona nahiliky ny HVM ireo dia hiravona ihany ilay hoe nangalatra ny zavatry ny TIKO. Mampiomehy รด !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5367