AHOANA VAHOLANA IREO TOVOVAVY MITERAKA TSY MANAMBADY?

1. ANDRIAMENA45 ( 02/08/2014 20:43)
MBA LAZAO ENTO HEVITRAO INONA VAHOLANA
novalian'i tiris8786 ny 13/04/2015 17:43
2. sipagasy ( 02/08/2014 20:49)

ANDRIAMENA45:

MBA LAZAO ENTO HEVITRAO INONA VAHOLANA



inona moa ny olana @ izany?? ny fanambadiana tsy voatery ho CDI foana fa tsara aza atao CDD hihih ary tsy voatery ho voasoratra @ poti-taratasy fa rehefa voasoratra ao-am-po dia izay no tena zava-dehibe aloha amiko.
3. mirananirina ( 05/08/2014 08:56)
Vahaolana, dia any aminareo lehilahy, vadio izay sipa nataonareo bevohoka.
Na izany aza misy safidy koa ny vhv miteraka tsy manambady, izaho ohatra fahiny dia nieritreritra izany, aleoko miteraka fa tsy manambady...teny teny ihany dia nanambady vao niteraka lol
4. booboo ( 05/08/2014 10:10)
Ilay vhv kosa ve dia tsy mba nahay naka fepetra raha tsy te ho bevohoka ? sitra-po ny azy raha izany. Na izany na tsy izany, mitovy hevitra @ Sipagasy koa aho ( CDD renouvelable...ou pas :-D :-D )
5. Tibao ( 09/08/2014 08:50)
Tsy aleo ve vehivavy miteraka tsy manambady toa izay manambady tsy tia hiteraka? lol

Avelao ho azy ny safidy. Resaka taratasy fotsiny ny hoe fanambadiana. Rehefa "vady" ao am-po izy dia izay no ilaina. Tsy mbola amin'ny fomban'ny gasy izany vavy miteraka tsy manambady izany ka ohatra ny mahamenatra. Tsy maninona fa mbola hiova ny fisainana atsy ho atsy.
6. rabaradaka ( 30/08/2014 09:36)
Safidiny io, toy ny mopera tsy manambady nefa miteraka etsy sy eroa, safidiny io baina a !
7. mpisotrtoaka ( 09/09/2014 08:31)

sipagasy:


ANDRIAMENA45:

MBA LAZAO ENTO HEVITRAO INONA VAHOLANA



inona moa ny olana @ izany?? ny fanambadiana tsy voatery ho CDI foana fa tsara aza atao CDD hihih ary tsy voatery ho voasoratra @ poti-taratasy fa rehefa voasoratra ao-am-po dia izay no tena zava-dehibe aloha amiko.
Ts ho vazaha rahoviana ianao manana izany toe-tsaina izany !
8. tiris8786 ( 13/04/2015 17:43)
vahaolana amin'inona moa izany ? na izy nanao ny safidy na izy tratran'ny tampoka tsy azo iodivirana. raha bevohoka izy ka tsy te hanambady azy ilay lehilahy dia ataonao ahoana ? izy ve no omenao tsiny ?
rehefa responsable sy mahavelona ny zanany dia efa ok e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6307