GADRA VE NY FANAMBADIANA

1. vonynive ( 31/07/2014 05:40)
miarahaba ny mpisera

Maro no milaza fa lasa toy ny olona gadra izy ao anatin'ny fanambadiana, ao ny voagadra : voagadran'ny fitiavana hono, ao koa ny nanagadra tena
novalian'i Radavison ny 08/09/2015 08:08
2. Fitokisana ( 01/08/2014 14:14)

vonynive:

miarahaba ny mpisera

Maro no milaza fa lasa toy ny olona gadra izy ao anatin'ny fanambadiana, ao ny voagadra : voagadran'ny fitiavana hono, ao koa ny nanagadra tena


Amiko ny fanambadiana tsy gadra izany fa fifankatiavana naseho na nohamafisina ara-taratasy sy/na ara-mpiangonana.
Ny olona roa anefa samy manana ny toetrany sy ny mahaizy azy, ka ilaina ny fifandeferana, fifanarahana sy fifanajana ary comprehension fa indrindraindrindra fitiavana mba hahalavorary ny fanambadiana!
Ny tena ilaina koa dia ny tsy fiankianana be amin'ny anankiray (ohatra hoe ara-bola). Satria ra miankina be ohatra ilay vehivavy/lehilahy, de mety hoararaotin'ilay lehilahy/vehivavy. Eo ilay vehivavy /lehilahy no tena ho voagadra.
Ny fitiavana sy ny tontolony zavatra sady mahafinaritra no manahirana, ny decision handahatra ny fiainany ho lavorary anefa avy any amin'ny tsirairay . Eo no misy victime( gadra) na mpandresy!!
3. josiah ( 01/08/2014 22:44)
Mampalahelo anefa fa maro ny vehivavy no lasa otrany gadra rhf tafiditra ao anatiny fanambadiana, maro ny ohatra azo ambara indindra moa fa any aminireo firenena sarotiny.Tsy mahazo miasa ny vehivavy fa natao hijanona ao antrano hikarakara ny lahy sy ny zanaka, tsy mahazo manapakevitra sns, maro ireo vehivavy very zo.....Soa ihany ankehitriny fa efa maro ireo vondrona no miasa mafy hoany zony vehivavy.
4. 5laody ( 02/08/2014 14:41)
sali daholo

Unis par le lien du mariage kosa angamba fa tsy emprisonnés.

Arakaraky ny fijery ihany io e

fijerin'ny bandy akama: lery koa vao nanambady tsy hita miaramirevy amintsika intsony.
Misy fahafahana tokony tazonina fa anjaran'ny mpivady no mandamina sy mametraka ny fetra.

5. booboo ( 04/08/2014 19:32)
http://youtu.be/ZGhcXQCcQqI

Iny mariazy iny ihany, iny alitara iny ihany. oh oh...ouz ilay hira.
6. mirananirina ( 05/08/2014 08:53)
Sady marina no tsy marina, hazavaiko ny teniko
Tsy gadra satria fitiavana no misy, tsara kokoa ny 2 noho ny 1.
Gadra satria tsy afaka manao izay tiana atao intsony fa voafehy ny fanambadiana. Tsy maintsy 2 no manapaka izay atao sns..
7. rhaj0 ( 14/08/2014 17:19)
"prison dorée" ve...

Raha matoky ianao fa (miezaka) "manao ny tokony ataony" (foana) ny andaniny, na hoe, zovy moa no tsy ho diso, fa matoky ianao fa afaka "mifanarina" sy "mifanitsy", ary matoky ianao fa afaka mandeha ny fifanakalozan-teny (communication)... dia tsy (tokony) ho voateritery ny (fahalalahan'ny) isan'isany...

Ny @ vehivavy gadrain'ny lehilahy noho ny Finoana na koa Fombafomba efa lany andro indray dia, raha ny fahitako azy, dia resaka Fiaraha-monina ankapobeny fa tsy hoe an'azy roaroa eo fotsiny... F'izany hoe.. tena mbola @ izany ve ny ... lehilahy gasy ? manahy aho...
8. mpisotrtoaka ( 18/08/2014 10:14)
TSIA avy hatrany ny valiny ! Ny fanambadiana dia raharaha notadiavina ka mahaiza mifanakalo hatrany ! Jereo am lafiny tsara daholo ze rehetra miainga eo d mialà voly miaraka rehefa hita fa vizana loatra ! Raha ifampisintonana ny tady dia tapaka fa rah mahay mifandefitra ny tsirairay dia tsapa fa zaridaina mila zezika sy mila tondrahana foana io tokantrano io !
9. mycall ( 29/11/2014 14:22)
mba omeo torohevitra,mety ve ny mpivady miara-miasa araka ny hevitrareo,
10. Strong3 ( 18/02/2015 12:31)
aleo mba tohizana kely ity resaka ity fa toa mahaliana be ny ato anatiny kay...

_Mitady raharaha ohatran'ny ankizy andeha hanao "raharaha" hono eh!
_Miala raharaha ohatran'ny ankizy tsy te hanao raharaha ao antranon'RAD hono fa te hanao ny an'ny olo-tiany noho ny RAD eh...

1/ ny tsy fifampitokisana no gadra voalohany
2/ ny fierenampitia tafahoatra atanon'ny ankilany no gadra faharoa
3/ farany nefa tena ventiny : ny saina mbola tsy vonona hifanaiky izay tapakin'ny olo-tiana no gadra lehibe (ka mahatonga ny gadra te ho tosahana, mbola te hiliba sns...)

ny zavatra tena hita matetika dia ireo tanora tia miliba no tena mahatsiaro voagadra... mihevitra izy ireo fa rehfa tsy eo akaikin'ny RAD dia malalaka ny lalana, ary ny olo-tiany no hanaiky izany
Diso hevitra anefa izy ireo fa tsy araka izay noeritreretina ny tranga nisy;
adidy
andraikitra
ny laharampahamehana
ny maika
ny tsy maintsy atao
ny fikararana ny tokatrano
...sns ... hoy , tena mandreraka

raha tsy tia miliba dia tsara raha miaraka miasa ny mpivady... fa raha misy ny iray aminareo mbola tia mibouraingy dia aleo tsy miara miasa fa harary andoha ao.
__ misy miteny hoe rehefa mifankahita lava dia leo
°°° tsy marina tanteraka izany; nefa misy fahamarinany ihany
eo ny zavatra tsara misy dia ny fiarahana manao fialamboly mavesabesatra mihitsy; fotoana malalaka sy tsy maimaika izany. hanalana ny hamohamo niarahana tao foana.
°°° Fa gaga za hoa hoe : "mpifankatia te hiray nefa tsy te hifankahita isanandro sy hiara hiasa ,fa aleo hono mba misy libértééééé ..."

fa na izany aza de izao eh, mbola maro ny zavatra (toetra) tsy fantatrao momba io vadinao io , ka amin'ny fotoana ahitanao ireo dia mety ho leo tokoa enao raha tsy misy fifampiresahana sy fandeferana ao.
Mirary tokatrano sambatra

11. bazylou ( 11/04/2015 10:17)
tena marina ity.............

""ny zavatra tena hita matetika dia ireo tanora tia miliba no tena mahatsiaro voagadra... mihevitra izy ireo fa rehfa tsy eo akaikin'ny RAD dia malalaka ny lalana, ary ny olo-tiany no hanaiky izany
Diso hevitra anefa izy ireo fa tsy araka izay noeritreretina ny tranga nisy;
adidy
andraikitra
ny laharampahamehana
ny maika
ny tsy maintsy atao
ny fikararana ny tokatrano
...sns ... hoy , tena mandreraka""
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0021