Tapenam-bava sahady ve ny mpiserasera ? Sao mba tsy rariny ?
1. rabaradaka
(
31/07/2014 04:15)
Matahotra an'ity Loi sur la cybercriminalité ity daholo izao ny mpiserasera rehetra amin'ny alalan'ny internet. Mba hitondra inona ho an'ny firenena io Lalàna io e ? Hitondra fampandrosoana sa ahafahana miady amin'ny fahatran'ny 90%-n'ny vahoaka malagasy ?
Didy jadona tena tsy eken'ny fisainako izaho manokana izany, aleo hiteny ny olona ary aleo avoakany ny marina.
Io resaka bois de rose sy corruption io no tena nahatonga an'ningahy Rajaonarimampianina Hery nanao an'io Lalàna io haingana satria voakasika ao anatiny izy

novalian'i rabaradaka ny 07/08/2014 10:53
2. rabaradaka
(
31/07/2014 04:24)
Raha mbola misy koa ny tsy rariny, ny corruption, ny famonoana olona , ny halatra harem-pirenena, ny fanararaotam-pahefana sy ny forongony dia tsy maintsy miteny na inon-kihatra na inon-kidona. Izay tsy mahatanty miala e ! Misaotra tompoko
Hoy RABARADAKA
Hoy RABARADAKA
3. Tibao
(
31/07/2014 12:50)
Aza matahotra ianao Rabaradaka fa tsy manana vola na fitaovana hampiharana io lalàna io ny governemanta ankehitriny: izy ary efa sahirana miady amin'ny valala sy dahalo gasy atsy atsimo sy ny dahalon-dranomasina somalianina atsy avaratra. Ny nosy madinika manodidina izay tokony ho antsika aza tsy voatakiny akory ! Tsy manana fitaovana fanivanana sy fitsikilovana ohatra ny Sina sy Etazonia anie i Madagasikara izay fanjakan'i Baroa e !
Ka ny tanjon'io dia manampina ny vavan'ny mpanao gazety izay mora avahana amin'ny vahoaka. Raha tiana hafenina marina ny tena zava-mitranga ao Madagasikara dia tsy tokony handray vahiny ihany koa i Madagasikara, raha tsy izany dia aleo fidiana manokana ny toerana tiantsika ho hitan'ilay vahiny.
Tsy mendrika hitondra ny malagasy ny governemanta namoaka lalàna tahaka io, ka tokony ahongana haingana dia haingana alohan'ny fihatombohan'ny tena gidragidra, izany hoe fipetrahan'ny didy jadona eken'ny fikambanana iraisam-pirenena.

4. vaotonga
(
01/08/2014 02:10)
Na izaho koa dia gaga, tena sahala @ fanjakana Kominista fa tsy fanjakana Demokratika intsony. Aty Chine ny google, youtube, facebook sy ny maro hafa..... dia tsy malalaka mihintsy na tena sakanana mba hananjambana ny olona tsy hahalala ny marina satria raha mahalala ny tena zava-misy ny olona dia hitroatra. Dia tena Demokrasia sarintsariny sady sadasada tokoa na azo lazaina azy fa tena fitondrana Kominista mihintsy e. Inona izao no atahorana izay resaka akatakonana any @ "cyber" any? Tena misy mahamahana an-dry zareo ireo mihintsy ao.
Ny mahagaga hafa manaraka koa dia ity resaka fandoavana ny zon'ny mpamorina ity, ampandoavina 2000Ar isaky ny "ordinateur" ny tompon'i "Cyber". Ny mpamoron-kira na ny "Artistes" mpihira no mandoa vola any @ Fanjakana na "OMDA" fa tsy ny tompon'ny kapila manjelatra satria izy nividy dia mampiasa. Ka ny mpamorina ny "ordinateur" no tokony handoa vola @ Fanjakana fa tsy ny mpampiasa ny "ordinateur" sa tao Mada efa nisy mpanao "cyber" namorona "ordinateur"? Ny aty an-dafy aty aloha dia tsy misy an'izany satria mahita "cyber" maromaro ihany aho aty,fa io zava-misy ao Mada io dia tena hafahafa mihintsy; efa halatra iray hafa koa io e. Tsy mahita vola hanodinana ny Firenena ny mpitondra ka mitady hirika @ fomba rehetra ahitana vola. Amin'ny zavatra faran'izay madinika indrindra dia hitadiavana vola hamenoana ny kitapom-bolam-panjakana hono, nefa ve tena mandeha @ laoniny ny vola izay azo? Mamohehatra, mpangalatra, mpampitahotra, mpamoritra sy mpanagadra. KOMINISTA fa tsy DEMOKRASIA.

Tibao:

5. rabaradaka
(
01/08/2014 06:05)
enganie ry havako fa dia fitondrana sampotsampona mihitsy izy ity. Io resaka cybercriminalité io dia natao hanenjehana ny mpanao gazety fa tsy isika mpiserasera eto.
6. Tibao
(
01/08/2014 21:42)
vaotonga:
Na izaho koa dia gaga, tena sahala @ fanjakana Kominista fa tsy fanjakana Demokratika intsony. Aty Chine ny google, youtube, facebook sy ny maro hafa..... dia tsy malalaka mihintsy na tena sakanana mba hananjambana ny olona tsy hahalala ny marina satria raha mahalala ny tena zava-misy ny olona dia hitroatra. Dia tena Demokrasia sarintsariny sady sadasada tokoa na azo lazaina azy fa tena fitondrana Kominista mihintsy e. Inona izao no atahorana izay resaka akatakonana any @ "cyber" any? Tena misy mahamahana an-dry zareo ireo mihintsy ao.
Ny mahagaga hafa manaraka koa dia ity resaka fandoavana ny zon'ny mpamorina ity, ampandoavina 2000Ar isaky ny "ordinateur" ny tompon'i "Cyber". Ny mpamoron-kira na ny "Artistes" mpihira no mandoa vola any @ Fanjakana na "OMDA" fa tsy ny tompon'ny kapila manjelatra satria izy nividy dia mampiasa. Ka ny mpamorina ny "ordinateur" no tokony handoa vola @ Fanjakana fa tsy ny mpampiasa ny "ordinateur" sa tao Mada efa nisy mpanao "cyber" namorona "ordinateur"? Ny aty an-dafy aty aloha dia tsy misy an'izany satria mahita "cyber" maromaro ihany aho aty,fa io zava-misy ao Mada io dia tena hafahafa mihintsy; efa halatra iray hafa koa io e. Tsy mahita vola hanodinana ny Firenena ny mpitondra ka mitady hirika @ fomba rehetra ahitana vola. Amin'ny zavatra faran'izay madinika indrindra dia hitadiavana vola hamenoana ny kitapom-bolam-panjakana hono, nefa ve tena mandeha @ laoniny ny vola izay azo? Mamohehatra, mpangalatra, mpampitahotra, mpamoritra sy mpanagadra. KOMINISTA fa tsy DEMOKRASIA.
Tsy maintsy mahita fomba hahampidiram-bola foana ny fanjakana e! Ny fanontaniana mipetraka fotsiny dia tena mankany amin'ny mpanakanto malagasy marina ve ireo vola ireo sa ho hanin'ny solombavambahoaka nomem-bola hatory ao amin'ny antenimieram-pirenena , ary mahatonga lalàna manolam-pahafahana tahaka itony ?
Tena mampalahelo ny fivoaran'i Madagasikara ny namana. Fa tsy fanjakana lavorary kosa ireo firenena Tandrefana izay lazaina fa "demokratika" ireo. Misy ihany koa ny fanampenam-bava, ny zavatra tsy mangarahara toa ny fanjanahan-tany vaovao amin'ny alalan'ny fanohanana ireo didy jadona any amin'ny firenena mahantra hitrandrahana maimaimpoana ny harena an-kibon'ny tany.
Raha amin'ny resaka hetra indray dia maro ireo firenena mampandoa hetra anao noho ny fananana fahitalavitra, izay natao "hanohanana ny televiziom-bahoaka" ary ny tsi-fisian-dokam-barotra aorian'ny amin'ny 8 alina eo amin'ny televiziom-pirenena no takalon'izany.
Ary tsy hitako izay maha-kominista ny governemanta malagasy. Tsy lasam-panjakana ny tany aman-trano ka tsy mbola azo lazaina fa kominista i Madagasikara.
7. rabaradaka
(
07/08/2014 10:53)
mety hataon'ny fitondrana HVM koa ilay hoe radiocriminalité na télécriminalité ho an'ireo mpisera amin'ny radio sy télé ka tsy tia HVM. Aza mba hitako leretsy fa dia tena fitondran'ny babakoto araka ny tenin'nilay vazaha akaman'ny Andry sy Hery izay, Babakoto e !