Bois de rose: miaiky fa voafandrika

1. hery ( 21/07/2014 07:51)
Namaky lahatsoratra iray tao amin'ny Tribune aho vao tonga saina hoe toa voafitapitaky ny foza marina ka aleo zaraina aminareo ihany.

Ilay lahatsoratra dia milaza hoe fika be fotsiny iny resaka hoe bois de rose hodorana iny. Iny aloha dia itovizana hoe samy naharaka. Fa ilay fikabe tao ambadika no tsy ilay noeritreretiko. Ny noeritreretiko mantsy dia hoe mody lazaina hoe dorana ny bois de rose, dia mandoro tokoa ry zareo, kanefa avy eo tsy izy rehetra no nodorana ka afaka namidy antsokosoko ilay stock. Ilay fikabe noeritreretiko izany dia hoe mody atao cinema fotsiny ilay mandoro. Ka izay no niantsoantsoana hoe aza doroina fa amidio.

Fa ny tena mety ho fikabe izay tsy takatra anefa, araka ny nosoratan'i Ndimby dia ny tohin'io. Tonga dia miaka-pofona daholo ny rehetra hoe aza dorana izany ny bois de rose fa aleo amidy satria ny fanjakana rahateo tsy manam-bola. Dia izay anefa no tena andrasan'ny fanjakana. Ny fahafahana mivarotra ny stock araka izay tiany.

Raha ohatra tokoa ka nanao filazana ny fanjakana hoe aleo amidy ny stock bois de rose dia be dia be ny hanaramaso hoe sao dia atao varo-boba izany, sao dia mankaiza izany sns. Fa amin'izao, ny rehetra indray no manosika ny fanjakana hivarotra ka tsy miraharaha izay vokany eo fa hoe "zara aza nisy nividy ilay saika nodorana".

Misaotra an'i Ndimby nanazava ny saina
http://www.madagascar-tribune.com/Jeu-d-echecs-en-bois-de-rose,20111.html

2. rabaradaka ( 23/07/2014 04:14)
dadatoa Hery a, efa takatry ny olona ny fikan'ny fitondrana HVM fa ny mahagaga dia izao maninona no manao toa izany ny mpitondra, fa rehefa ry zareo no poritra sy milaza hoe afabaraka dia mahita hirika hanagadrana olona ao anatin'ny fotoana fohy tena fohy fa rehefa tenenina hoe nankaiza ny vola nahodina tao amin'ny MEN, ny bois de rose nalefa an-tsokosoko hatramin'izay dia mody fanina. Averiko indray fa manahy aho ary tena mampanahy ity zava-mitranga ity. I Ravalo izany aloha dia amin'ny 15 avril 2019 vao mety ho tonga eto raha izao zava-misy izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5531