NY TOMBO-KASEN'ILAY ANDRIAMANITRA VELONA

21. endriny ( 26/07/2014 04:30)

Maranatha:

Ny bibilava sy ny dragona dia ny Tsitoha tokoa no namorona azy fa saingy izy nanaiky nampiasaion'ny devoly tao edena mba ho entina hamitahana ny olom-belona dia nozonin'i Tsitoha izy ka lasa mandeha @ kibony . aza adino fa ny menarana no tsara indrindra t@ biby izay noforonin'i Tsitoha, Nanana elatra sy tongotra izy fa tsy ohatr'io hitanao io.

Sao dia mba sariteny koa aza ilay hoe bibilava sy dragona, araka ny fomba filazanareo hoe "virjiny" dia sariteny fa tsy tena izy. Ka bibilava ve afaka hamitaka olona, fa io ilay hoe alako bika tsy tiako tarehy fotsiny izao raha ny marina. Firy amintsika no tsy mandositra sy mihori-koditra raha mahita bibilava? Dia indrindra moa fa olona any amin'ny tanihay desert, vao maika izy saritahotra noho isika aty amin'ny tropika raha mahita bibilava.

Fa ilay hoe "MENARANA", dia mihomehy fotsiny aho, aoka ho fantatrao fa ny "MENARANA" dia bibilava tsy misy afa tsy eto Madagasikara, ka andeha ahoana no ahitamin'ny Israelianina izany? Saingy io ilay fomba fanimbana ny hafa fanao. Rehefa hita fa ny Menarana dia mariky ny hery eo amin'ny foto-pisainana Malagasy: "Menarana mamolak'omby" dia novaina ny baiboly mba hilaza fa ny Menarana dia avy amin'i Satana sy ny Demonia. Noho io antony io dia naringana ny Menarana teto Madagascar, ilay madtsoiid snake, indrisy mantsy ry tany...
22. endriny ( 27/07/2014 04:52)

Maranatha:

“Ary hoy Jehovah taminy : Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny andrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao aminy.” Ezekiela 9 : 4 Araho ato ny famelabelarana

ILay hoe tombokase aloha dia mampihomehy be, satria ny tombokase tsy mbola nisy tany amin'ny tany fahagola, fa marika famantarana no nisy tamin'izany foana izany, toa ny tomboka vatsa, na tombok'afo fatao amin'ny omby iray tompo.

Fa io moa kolotsainan'ny fanandevozana e... Tombokase no nampiasan'ny mpanjanaka mba hanamarinana ny taratasim-panjakana sy ahafahan'ny indigene mivezivezy sy ny manao ny asa aman-draharahany dia ilay teny hoe "famantarana na tomboka vatsa" ao amin'ny baiboly novaina hoe tombokase...
23. Maranatha ( 28/07/2014 06:55)

endriny:

Sao dia mba sariteny koa aza ilay hoe bibilava sy dragona, araka ny fomba filazanareo hoe "virjiny" dia sariteny fa tsy tena izy. Ka bibilava ve afaka hamitaka olona, fa io ilay hoe alako bika tsy tiako tarehy fotsiny izao raha ny marina. Firy amintsika no tsy mandositra sy mihori-koditra raha mahita bibilava? Dia indrindra moa fa olona any amin'ny tanihay desert, vao maika izy saritahotra noho isika aty amin'ny tropika raha mahita bibilava.

Fa ilay hoe "MENARANA", dia mihomehy fotsiny aho, aoka ho fantatrao fa ny "MENARANA" dia bibilava tsy misy afa tsy eto Madagasikara, ka andeha ahoana no ahitamin'ny Israelianina izany? Saingy io ilay fomba fanimbana ny hafa fanao. Rehefa hita fa ny Menarana dia mariky ny hery eo amin'ny foto-pisainana Malagasy: "Menarana mamolak'omby" dia novaina ny baiboly mba hilaza fa ny Menarana dia avy amin'i Satana sy ny Demonia. Noho io antony io dia naringana ny Menarana teto Madagascar, ilay madtsoiid snake, indrisy mantsy ry tany...

Tena ianao ity ve ry endriny tena ...... mihintsy a! fa iza no nisy voalohany M/car sa ny saha Edena. Dia tsy fantatro hoe iza no tokony hihomehy ..... Ilay menarana ela izay efa nisy tany edena. izay nipetrahan'ny fanahin'ny satana hamitakana ny olona.
Ny baiboly tsy miresaka momba ny Israely fotsiny fa milaza ny zava-nisy rehetra na talohan'ny Israely na ny amin'izao andro izay hiainan-tsika izao.
Ny soratra masina tsy misy idiran'ny fandringanana ny menarana (bibilava ara-baki-teny) araky ny voalazanao mihintsy.

endriny:

ILay hoe tombokase aloha dia mampihomehy be, satria ny tombokase tsy mbola nisy tany amin'ny tany fahagola, fa marika famantarana no nisy tamin'izany foana izany, toa ny tomboka vatsa, na tombok'afo fatao amin'ny omby iray tompo.

N...aa! dia inona ity t@ andron' Estera ity Estera 3:10 Dia nesorin'ny mpanjaka tamin'ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy andininy faha 12 Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian'i Hamana ho an'ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin'ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin'ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin'ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka.

Estera 8:2 Ary nesorin'ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren'i Estera hanapaka ny tranon'i Hamana.
24. endriny ( 30/07/2014 06:10)
Dia ilazao koa re ry Maranatha fa teto Madagasikara ny sahan'i Edena taloha a, dia teo Ankaratra araky ny anganonay no noforinina ny olom-belona...

Estera 3.10, mba vakio tsara aloha hoe inona tokoa no asan'ilay peratra fanaovana tombok'afo na hoe sila hoy ny fandikan'ny Malagasy azy fahiny, fa tsy hoe tombokase (izay hoe tomboka cache) ary raha adikantsika amin'ny teny Frantsay ary ilay izy dia hoe : "peratra fanaovana tombok'afo = chevaliere", izay peratra ihany koa natolotra sy ifandimbiasana eo amin'ny samy mpanjaka. Ka izay manao io peratra io dia midika fa nahazo fahefana izy mba hanjaka. Peratra tsy misy dika mitovy io na nisy kaopia vita avy any sina a... LOL.

Ny hafatry ny mpanjaka dia tsy maintsy mihidy, ka mba anamarinana fa tsy nisy nanova teny an-dalana ny hafatra dia tsy maintsy asiana tombok'afo.
25. Maranatha ( 31/07/2014 05:25)

Fa ny tombo-kase ve aloha tsy mariky ny fahefana e!
oh lehiben'ny fokontany hianao dia manana ny fitomboka maha president anao. manana ny fahefana eo amin'ny toerana izay misy @ izay zavatra izay iaindraiketanao. Nadika izy io taty aoriana hoe tampon .
tany aloha peratra satria ny mpanjaka no manana fahefana sy izay homeny iny peratra iny fa nkehitriny efa notsinjaraina isam-paritra ohatra ilay fahefana dia samy manana ny fitombokany ny manam-pahefana rehetra .
Amin'ny fahatsoram-po diniho tsara
26. endriny ( 04/08/2014 06:57)
Izay iantsoanao azy e... Tsy maninona fa antsoy ao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6178