ZAZA MIPIPY AM-PANDRIANA

1. mpisotrtoaka ( 14/07/2014 10:31)
Sao d mba mis namana afaka manoro hevitra mahomby amin'ny zaza mipipy am-pandriana ! Na antony mahatonga izany !?
2. booboo ( 15/07/2014 14:04)
firy taona izy ?
3. mpisotrtoaka ( 18/07/2014 07:06)
6 ans latsaka kely !
4. 5laody ( 19/07/2014 14:42)
Sali daholo,

Anaro ihany aloha sao dia maka tahaka ny ataon-drainy rehefa dizina. :D

RAha ohatra hono ka vokatry ny fiovana eo amin'ny fianan'ilay zaza (nahazo zandry na vao nosarahina fandriana tamin'ny ray sy reniny) dia afaka moramora eny ihany izy.

Ny azonao atao raha tsy izany dia ny manazatra azy mankany an-kabone alohan'ny hatory, na mijery indray mandeha hoe amin'ny firy ny ora fandemany dia fohazina alohan'iny izy. ataovy lasa fahazarany ireo roa ireo dia tsy omena rano be loatra rehefa alina.

Mety matahotra koa izy amin'ilay mitsangana irery amin'ny alina dia aleony vitaina mangingina ao. (indrindra hoe any an-tokotany ny kabone!)

izay no takatra hoy ilay nahandro takatra. tchinn e!
5. booboo ( 21/07/2014 15:28)
Ankoatra izay, afaka ampianarina manolo irery ny lamba lena izy à 6ans latsaka kely izany, na hoe manala ilay drap dia izy ihany manatitra azy any @ lamba ho sasana. Asiana pyjama de rechange koa eo akaikiny eo, dia asaina misolo irery izy. Tsy bedesina satria tsy fanahy iniany io. Ilay fohazina tsy dia mety loatra satria manapaka ny cycle-n'ny torimaso nefa important @ ati-doha n'ny ankizy ny voahaja ny cycle 1 ohatra. Ny boisson gazeuse tsara fadiana na ahena noho ny mahazatra. Hanampy azy koa ny manana andraikitra hafa bebe kokoa ao an-trano.

Ny antony mety hatrany @ razambe, immature ny vessie, resaka hormone, miampy ny trucs trucs psy. bref, mazotoa be e.
6. booboo ( 21/07/2014 16:33)
Hadinoko, mety hanampy be azy hiala @ ilay mamany am-pandriana koa ny manao sary. Ataovy maro² fotsiny ny loko (na feutres, na crayons de couleurs na peinture), dia avelao izy sy ny imaginaire-ny hi-s'évader eo. Raha mahay mamaky sary nataon'ankizy ianareo rad-ny dia vao maika tsara be, raha tsia dia aza forcer-na izy hi-commenter ny sariny fa avelao @ zao fotsiny.

(manankarena beee farak'izay beee mihitsy ny zaza sy/na ankizy omena fahalalahana sy amporisihana manao sary.)
7. mpisotrtoaka ( 11/08/2014 07:16)
Misaotra booboo a ! Dom-bera !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2606