Merci Götze :-)

1. hery ( 13/07/2014 22:31)
Ho an'izay tsy naharaka dia lasan'i Allemagne ny amboara eran-tany an :-) i Götze no nampiditra ny baolina nandreseny azy tamin'ny minitra faha 113
Nanana 90 minitra ny Argentine hamonoana baolina fa tsy tafa.

Kintana 4 izany izao ny Allemagne... mitovy amin'i Italie.

novalian'i 5laody ny 17/07/2014 10:27
2. 5laody ( 14/07/2014 10:21)
Salama daholo e

Ka nahazo amboara izany ny ekipan'i Benoît XVI ary niujanona ho kintana roa ny ekipan'i François.
Marihiko fa nisy Francesco ny fanampin'anaran'ny iray amin'ny mpilalao argentin ary nisy Benedikt ny iray amin'ny alemà.

Naka Argentine aho tamin'ny famaranana nefa hitako fa mendriky ny hahazo ny Rainiboto ary efa kivy aho hoe tsy miady izany finale tir au but izany.

Ny pôlitikan'ny ekipa Argentine nanao rindrim-by efa lalao telo izay dia tsy dia nampisy spectacle mihitsy ary hita fa tsy naka risque mihitsy rizareo. hita taratra loatra ny kajikajy amin'ny filalaovana.

Betsaka koa no diso fanantenana amin'ny hoe ny fisian'ny mpilalao iray malaza sy lafo eo anivon'ny ekipany no ho antoky ny fahazoana amboara. (Ibrahimovitch, Neymar, Messi, Benzema......).

Amin'ny efa-taona indray mihaona e!

Ary aza adino any Canada amin'ny juin juillet 2015 ny coupe du monde ekipa vehivavy.
Ny ekipan'i Japon izao no tompon-dàka.

Ny ekipa hitako nisongadina ary mendriky ny ho lasa lavidavitra kokoa: Nigeria, Costarica,Colombie. Algerie dia nanao lalao tsara taorian'ny nihaonany tamin'i Belzika.
3. rhaj0 ( 14/07/2014 14:39)
Izaho tsy mpanaraka baolina (tsy mahita vaovao, na koa hoe tsy mitady vaovao zahay aty). Fa nanaraka iny lalao famaranana iny aho dia izao no hitako sy tsapako ka zaraiko:

1- tena tsy reviko (mihintsy ary intsony) ity mi-triche lava ity, ary nefa efa lasa fanao, efa lasa normal : mitazona akanjo, mody manao maty raha vao voakitika kely.. Ny aty Kanada, rizalahy manao hockey, efa tapaka ohatra ny soroka, nefa mbola mandeha ihany fa tsy misari-mitomany sahala @ mpanao kitra io... ry Steve Nash efa vaky ny taolan'orona nefa mbola manohy milalao basikety ihany.. ry Michael Jordan voan'ny tazo ... Dia izay misari-mitomany lava izay koa no ianaran'ny ankizy.

2- tena tsy reviko (mihintsy) rizalahy sasany TSY mba manana esprit d'equipe fa, na miady an-trano (tezitra t@ ilay Arzentiniana namorika devant but teo ny sasany t@ namany), na be eboebo (toa an'i Cristiano Ronaldo), ary tezitra raha vao tsy mety (amin'azy) ny ataon'ny namany.

3- tena tsy reviko (intsony) ity strategie lalina be (hono) ny mandany fotoana ity. Mierina ny 5 minitra nefa dia tena tsisy n'inon'inona ihany. Asa na efa americanisE aho fa ny football amerikana sy basikety sy hockey anie ka dia "action-packed". Tsy nijery mihintsy aho t@ lalao fanintsanana fa naleoko nijery famintinana fotsiny. Variana aho fa taloha fony tany Dago anefa niaratena tory h@ marain'andro ity izy.


4. hery ( 15/07/2014 09:00)
Fa tamin'ity izay ekipa be taktika dia latsaka daholo ka. Anisany voalohany tamin'izany i Espagne.

Ny nitiavako ny mpilalao rainiboto dia ny hafainganany milalao (mampatsiahy ny brésil taloha). Satria matanjaka kokoa ny esprit d'équipe ao anatiny. Angamba noho ry zalahy ilay efa zatra miaraka satria 7/11 amin'ireny dia ekipa iray ao amin'ny Bayern.

Fa ireo izay nampiasa ny taktika vedettisme, hoe izay mahay no tena heriny (Neymar, Messi, Ballotelli) dia resy daholo.

Sady ireny koa ilay mpilalao be vola dia tsy mampaninona azy akory na resy aza. Ny karama miditra ihany.
5. 5laody ( 15/07/2014 10:45)
Salama daholo,

efa tapaka ohatra ny soroka, nefa mbola mandeha ihany fa tsy misari-mitomany sahala @ mpanao kitra io... ry Steve Nash efa vaky ny taolan'orona nefa mbola manohy milalao basikety ihany. Misy ary efa omena tehin ambola maha tafiditra baolina ihany.


Avelan'ny mpitsara ho faty ho an'ny tanindrazana ianao izany fa tandremo.
6. rhaj0 ( 15/07/2014 13:12)
Marina ny an'i 5laody. Ny aty dia any @ extreme ilany.

Nijery hockey zahay in-1 mandeha. Mba lalao iankinan'ny irosoan'ny ekipanay taty Ottawa ilay izy, fa tsy vita akoriny ny baolina dia tena leo be zahay ary dia lasa nody. Satria avelan'ny mpitsara iady totohondry eo @ kianja ny mpilalao. (dia izany koa no ianaran'ny ankizy).

Fa ilay maratrabe, dia misy "protocol". Ry Steve Nash sy Michael Jordan dia nikiry biby ny hilalao; fa rahefa nojeren'ny dokoterany tao, dia navelany ilalao. Asa nareo raha mba taitra ihany t@ ilay Rainiboto iray voa iny. Zahay taty tsy nahajery ary tsy tia ahalala izay baolina intsony, fa nitady hoe, naninona ihany izy teo? Ary toa mbola naverina nilalao nefany tena fanina ary tsy ao mihintsy ranamana. Sao mba matimaty foana eo, fa ny minitra voalohany eo anie mety hitondrana takaitra be e.

Fa ilay Arzentiniana voan'ilay mpiandry tsatokaso Alemaina no tena nahatsikaiky nahatsiravina. Voa lery. Dia nitsangana dia tezitrabe teo. Dia niverina nitsilany, dia nisari-nitomany tao... Dia tsy hay intsony hoe, voa sa tsy voa. Dia niherika fotsiny zahay taty tsy te-hijery, dia hoe, izany no alehany rahefa mi-triche foana...
7. rhaj0 ( 15/07/2014 13:50)
HO an'ny mpitia Braziliana... jereo eto : fa toa tsy ao zareo :)
8. hery ( 16/07/2014 10:03)
Gaga koa aho nahita an'io :-)
Mahay ry zalahy mpanao sary ka.


9. 5laody ( 17/07/2014 10:27)
Sali daholo,

Mampahatsiaharo ahy ny baolina tany amin'ny fokontany taloha ilay horonan-tsary io. Rehefa tsy tonga ny ekipa mifanandrina aminao dia manao ohatr'izao fa mampiditra baolina indroa fotsiny angamba izy izay.


Ilay tifitra midona amin'ny tsivalam-by niditra iny kosa na mpiandry tsatokazo milay be aza no teo angamba fanina ihany. (Nitehaka ny mpijery Breziliana tamin'iny na dia efa jembin'ny alahelo aza).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2273