NY HEVITRY NY TEHIN'i ARONA NITSIMOKA IZAY NAPETRAKA TAO AMIN'NY FIARAN'NY FANEKENA ANKEHITRINY

1. Maranatha ( 11/07/2014 12:14)
Izay nisy lovia volamena fandoroana dintin-kazo manitra sy ny fiaran’ ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa;ary tao anatin’ io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ ny mana, sy ny tehin’ I Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena.” Hebreo 9 : 4 ARAHO ATO NY TOHINY
novalian'i Maranatha ny 16/07/2014 07:55
2. endriny ( 13/07/2014 04:40)
Raha namaky ity rohy aho dia nahatsapa fa toa mitovy amin'ny sampy rehetra ihany kay ilay izy. Ilay vatakely natao hoe tabernakila dia misy efitra misy ny masina ary misy ny efitra misy ireo fitaovana toy ny tehina sy lovia volamena. Moa tsy mitovy amin'ny sampy ihany: Misy toerana foana hoe itoeran'ny fanahy, dia misy ireo tapatapakazo sy silatsilaka vilany sy lovia fampiasa an-davan'andro, na potika bala na tapaka fantsika sy fanjaitra.

Saika dangin'ny hehy aho, fa natahotra ho bedin'ny vadiko fotsiny.
3. Maranatha ( 14/07/2014 05:15)
endriny:

Ireo fanaka hita ao antempoly ireo dia ny Ray Tsitoha izay any andanitra no nampametraka ireo tao . Dia hoy hianao hoe mitovy @ sampy ihany ( ny hevitry ny hoe "sampy" aloha no tokony ho fantatrao ) . Ireo fanaka ireo dia hita any @ tempoly any an-danitra.
Omeko ohatra hianao: Raha nahita an'i Tompo i Jaona ao @ apokalipsy dia teo ampovoan'ny fanaovan-jiro fito no nahitany azy Apok 1:13 ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany
Ny lovia volamena dia hita ao antempoly
Apok 5:8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona* efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany
Hita ao koa ny vavolomelona.
Apok 15:5 Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia* ny tabernakelin'ny vavolombelona** tany an-danitra;
Ireo rehetra ireo dia manamarina ity teny izay ao @ Hebreo 5:5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Ny Avo-indrindra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra"
Nampalahelo ny nahare fa nihomehy hianao sy nampitovianao t@ ratsy ny tsara ohabol 5: 20 Lozan'izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
4. endriny ( 16/07/2014 06:15)
Dia mitovy amin'ny tranovola fitoeran'ny kalanoro izany ity koa inona moa e. Misy efitra kely fatoriany, dia misy efitra hafa fasiana ny lovia tanimangany fanaterana tantely, dia misy efitra fasiana emboka ramy.
Fa tsy hihoehy intsony aho fa manjary voaozona. Nefa ozona ve moa ahafaty?
5. Maranatha ( 16/07/2014 07:55)

endriny:

Dia mitovy amin'ny tranovola fitoeran'ny kalanoro izany ity koa inona moa e. Misy efitra kely fatoriany, dia misy efitra hafa fasiana ny lovia tanimangany fanaterana tantely, dia misy efitra fasiana emboka ramy.
Fa tsy hihoehy intsony aho fa manjary voaozona. Nefa ozona ve moa ahafaty?

Ny tsy tsapanao dia nakatahaka ny fanaon'ny lanitra foana ny ratsy hatramin'izay . Satria efa notsiriritin'ny Losifera hatramin'ny haja fanome ny Ray . Izay no hisafidianan-tsika zanak'olombelona na hanome voninahitra ilay ratsy na hanome voninahitra ny Ray Tsitoha. Efa resy anefa ilay ratsy ka izay miombokevitra aminy dia miaraka haripaka miaraka aminy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.48