Mampanahy ny ho fatezan'ity Repoblika faha-IV ity

1. rabaradaka ( 03/07/2014 16:59)
Ilay affaire des 360 fusilles de chasse et 4417 munitions saisies au port de Toamasina le 22 mai dernier dia hidiran'ireo olobe avy any Tuléar ary tarihin'i Général Camille VITAL. Raha ny vaovao henoko dia anisan'ireo ao anatin'io reseau du trafic d'armes io i Vital. Raha jeren'ny Fitondrana fotsiny io afera io ka tsy hidiran'ny BIANCO an-tsehatra izany corruption de haut niveau izany dia hiditra an-tsehatra ny vahoaka hametraka ny lalanany ary eo vao vita ny momba an'i Hery Rajaonarimampianina.
Afera 3 no andrasan'ny vahoaka ary hampitroatra azy :
- affaire du trafic d'armes,
- affaire détournement par le bureau permanent de l(Assemblée nationale,
- affaire de bois de rose et pierres précisues dont Hery figure parmi les trafiquants.
Raha tsy mahita hirika hanagadrana ireo mpiray tsikombakomba ny Fitondrana dia ho rava alohan'ny faran'ny taona ny IVe République
novalian'i ZAKAIOSY ny 06/07/2014 20:13
2. ZAKAIOSY ( 06/07/2014 20:13)
Ary mety ho marina ihany izany ilay resaky ny olona teny ambony taxi-be hoe manana andian-jiolahy an-jatony mahery mitam-basy any atsimo any i C. Vital, efa misy toerana fitobian'izy ireo hono any, ary mivory matetika izy ireo. Mahagaga ihany manko ity dahalo an-jatony tato ho ato ity, raha toa ka 20 tany ho any ny dahalo "ara-pomban-drazana" teo aloha, ankehitriny dia lasa 100 mahery ary mitam-basy avokoa. Efa fanomanan'ny firenena mpanjanaka sy ny "multinationale" an'i Madagasikara ho amin'ny ady an-trano izao mba higohany ny solitany atsy ho atsy, ka mety hananganan'ireo "dahalo vaovao" ireo faritra mizaka tena ka tohanan'ny firenena mpangalatra solitany izy @zany. Aiza daholo ianareo ry foloalindahy : "Tanindrazana" sa "firaisana petsapetsa". Sao dia mba efa fantatra ihany ny tena Remenabila. Mbola mino aho fa misy miaramila tena miaramila ao fa tsy sarimbavy daholo akory ireo. Miandry anareo ny firenena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1444