"MPAMINANY" manao facebook ! Ahoana ny hevitrao ?
1. ZAKAIOSY
(
28/06/2014 00:55)
Misy "Mpaminany" (Araka ny filazany sy ny fiangonana misy azy ary ireo mpiangona ao) hita ao amin'ny facebook, mpaminany maharaka ny toetr'andro ve ? Sa "MpamS" araka ny filazan'i Mailhol sa mba olombelona tahaka antsika rehetra ihany koa izy indraindray ?
répondu par mpisotrtoaka le 02/07/2014 12:30
2. Tefigasy
(
30/06/2014 07:01)
ZAKAIOSY:
Misy "Mpaminany" (Araka ny filazany sy ny fiangonana misy azy ary ireo mpiangona ao) hita ao amin'ny facebook, mpaminany maharaka ny toetr'andro ve ? Sa "MpamS" araka ny filazan'i Mailhol sa mba olombelona tahaka antsika rehetra ihany koa izy indraindray ?
Tamin'ny fotoan'andro niroboroboan'ny television, ny internet, .... dia maro ireo antokom-piangonana milaza azy ho kristianina no nanohitra ny fampiasana azy ireny. Saingy rehefa nandeha teny ny fotoana sy ny andro dia toa lasa nampiasa e-mail daholo ihany, toa lasa nanao fandaharana ara-pilazan-tsara amin'ny haino aman-jery daholo ihany, .....
Tahaka izany ihany koa ny facebook , ny twitter, .... efa nisy ary mbola misy ireo antokom-piangonana manohitra ny fampiasana azy ireny nefa mino aho fa hampiasa an'io daholo ihany indray izy ireo rehefa atsy ho atsy. De lol
Misy antokom-piangonana iray izay aza moa tsy mampiasa teknolojia mihitsy na dia fiara aza fa dia miaina amin'ny kapa hoditra sy ny fandehanana tongotra hatrany izy ireo satria hono i Jesoa tsy mba nampiasa fiara sy ny ..... hatrizay.
Ireto ny ahy ny hevitro dia anjaranao ny maka izay tandrify anao:
Rom.8:28 "Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra."
1.Kor.10:23 "Ny zavatra rehetra azo atao , nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa , ny zavatra rehetra azo atao , nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso ."
