Saucena nem

1. Josiah ( 21/06/2014 03:22)
Sao dia mba misy afaka manome sauce nem ilay voanjo sy sakay iny , fa tena tsy tadidiko ny fanaovana azy si ireo ingredient ilaina.Misaotra mialoha.
novalian'i josiah ny 27/06/2014 03:00
2. jantina ( 21/06/2014 08:30)
Raha ilay sauce mitovitovy amin'ny any Madagasikara ireny, mitovy ihany ny fanaony na amin'ny masikita na nem.

- Voatabia esorina ny hodiny sy ny vaoniny dia potserina.
- Tongolo tetehina atao madinika kely
- Totom-boanjo amin'ny "boite"
- Siramamy kely
- Sakay kely raha tiana
- Sira araka izay ilaina
- Lafarinina kely na maizena kely
- Zavatra maha manimanitra (persil na kotomila na sakamalaho) araka izay tiana.

Endasina kely ny tongolo dia arotsaka ny voatabia. Avela ho masaka tsara. Asiana sira dia asiana siramamy kely indray mitsongo raha marikivy. Arotsaka tsikelikely ny totomboanjo dia arahina rano mafana araka izay mampatsora azy. Sady aroharoina amin'ny sotrobe hazo mba tsy hiraikitra. Ranoina etsy ankilany ny lafarinina kely dia arotsaka tsikelikely ao anatiny. Sady aroharoina hatrany. Esorina eo ambony afo dia arotsaka ny zava-manitra amin'ny farany.

Dia izay.
3. josiah ( 27/06/2014 03:00)
Misaotra betsaka anao fa mahafapo ilay sauce nam nam.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.194