Ahoana indray ity tany 18 million 18.000.000 ha andeha omena an'Israely ity

1. endriny ( 17/06/2014 04:19)
Dia miomana ianao Ramalagasy fa tsy hanana kijanan'omby intsony
novalian'i Gasiaho ny 20/06/2014 14:48
2. rabaradaka ( 17/06/2014 06:52)
mampalahelo ange isika malagasy e ! nefa dia mahagaga koa fa dia mitanondrika sy miaritra ny mafy eo
3. Gasiaho ( 17/06/2014 08:40)

[quote=endriny]
Dia miomana ianao Ramalagasy fa tsy hanana kijanan'omby intsony
Ny tena olana amintsika dia ny tsy fahazoana ny dikan'ny teny hoe "Masina ny Tanindrazako".
Atao inona fotsiny ity tany be. Raha mbola manana toe-tsaina tsy hivoatra isika dia tsy handroso mihintsy.
Hametraka fotodrafitr'asa na usine lehibe ve ianao ( na Gasy na vahiny) dia tsy anao ny tany na fara-faharatsiny hofaina mandritran'ny taona maromaro voafetra?.
Aza dia sarotiny loatra isika ê. Ny fifananrahana no atao tsara.
4. bazylou ( 17/06/2014 11:10)
Andao ary aongana i rajao e.
5. endriny ( 20/06/2014 04:28)
Avelao ho eo dia mba lasa solafan'ny Jiosy sy ny Frantsay daholo ny ankamaroantsika e, amin'izay mba mihinana fromage hono sady misotro ny tsikan-divay...
6. Gasiaho ( 20/06/2014 14:48)
Rehefa mahay mandrindra ny fifanarahana dia tena azo ekena. Ialana ny kolikoly fa io no tena mahatonga ireo orinasa lehibe manao tsinontsinona ny fitondrana sy ny vahoaka.
Mangarahara ny fifanarahana fa tsy tonga dia efa tafapetraka ilay orinasa vao mahalala indray isika malagasy. (Hanao inona?-Hitrandraka inona?-Hanondrana inona?...dia hanome inona hampandrosoana ny malagasy). Tsy ho 1% kosa angamba?
Tokony misy foana commission anankiray ( mahaleo tena) hanara-maso ny fifanarahana.
Tsy ho solafan'iza mihintsy isika raha fifanarahana ahitan'ny rehetra tombontsoa sy tsy misy kolikoly no voasonia.
Ara-tantara, tamin'ny ady lehibe faharoa dia dia efa saika hanao sesitany ny jiosy teto Madagasikara i Hitler (cf Historia).
Raha mieritreritra ny hifindra monina aty kosa aloha ny JIOSY dia resaka hafa izay. Tsy azo ekena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2076