"INDRAY MISIDINA EO ANIVON'NY HARENA VOAJANAHARIN'I MADAGASIKARA"

1. vonynive ( 15/06/2014 08:03)
Ny Foibe momba ny Teny an'ny Akademia Malagasy sy ny ny Tambazotran'ny Fokonolona Mitantana ny Harena Voajanahary eto Madagasikara (TAFO MIHAAVO)
dia faly manasa antsika hiaraka hankalaza ny "Iray volan'ny Teny Malagasy" amin'ny alalan'ny hetsika fampirantiana : "INDRAY MISIDINA EO ANIVON'NY HARENA VOAJANAHARIN'I MADAGASIKARA". Hampisehona amintsika ny harena voajanahary ananan'ny Malagasy manerana ny Nosy. Izany hetsika izany dia hotanterahina ao amin'ny :
-TAHALA RARIHASINA manomboka ny 12 jona 2014 hatramin'ny 20 jona 2014
toy izao ny fandaharam-potoana amin'izany :

-12/06/14 : 11 ora: fanokafana ny fampirantiana amin'ny fomba ofisiany eo ambany fiahian'ny tompon'andraikitry ny Akademia Malagasy
- 13/06/14 : 9 ora maraina- 5 ora hariva : fampirantiana ao amin'ny Tahala Rarihasina
- 14/06/14 : 9 ora maraina- 5 ora hariva : fampirantiana arahina velakevitra manomboka amin'ny 2 ora sy sasany : " Ny Fokonolona sy ny zahavoahary "
- 16/06/14 : 9 ora maraina- 5 ora hariva : fampirantiana
- 17/ 06/14 : 9 ora maraina- 5 ora hariva : fampirantiana (andro manokana ho an'ny mpianatra)
- 18/06/14 : 9 ora maraina- 5 ora hariva : fampirantiana arahina velakevitra manomboka amin'ny 2 ora sy sasany : " Ny harena voajanahary sy ny fizakan-tenam-pokonolona"
- 19/06/14 : 9 ora maraina- 5 ora hariva : fampirantiana (andro manokana ho an'ny mpianatra)
20/06/14 : 9 ora maraina- 5 ora hariva : fampirantiana (andro manokana ho an'ny mpianatra ho an'ny anjerimanontolo)
tolakandro : Velakevitra : Fizakantenan'ny Fokonolona, tanjona tsy azo ihodivirana : ny lanjan'ny Teny "

" NY TENIKO, NY TANIKO, NY TANTARAKO : ADIDIKO NY MAMANTATRA SY MAMPAHAFANTATRA AZY "

Mahaliana tokoa ity fampirantiana sy velakevitra ity satria misy ireo fijoroana vavolombelon'ireo fikambanana VOI : Vondron'Olona Ifotony (na GELOSE teo aloha) izay mahita tombontsoa amin'ny fitantanana ireo harena voajanahary ao aminy, misy tamin'izy ireo ohatra no efa nahavita nanangana sekoly avy amin'ny herin'ny tenan'ny fikambanana eo amin'ny faritra misy azy. maha te-hidera !
raisina an-tanandroa ny soso-kevitra,

tongava dia tongava !




novalian'i vazivazo ny 11/08/2014 09:11
2. vazivazo ( 23/06/2014 09:37)
Mba tonga teny ihany ny tenanay fa tsy nahita an'i vonynive mihitsy, tsy nisy nampahafantatra anay mihitsy hoe aiza moa ilay nanetana tato ô, amin'ny manaraka mba mitonona hoe ity aho ohatra hoe amin'ny alalan'ny badje mba asiana soratra hoe vonynive eee, sa ahoana?
3. vonynive ( 24/06/2014 12:09)

vazivazo:

Mba tonga teny ihany ny tenanay fa tsy nahita an'i vonynive mihitsy, tsy nisy nampahafantatra anay mihitsy hoe aiza moa ilay nanetana tato ô, amin'ny manaraka mba mitonona hoe ity aho ohatra hoe amin'ny alalan'ny badje mba asiana soratra hoe vonynive eee, sa ahoana?


raha hanao badje koa ianao hoe vazivazo dia vonona koa aho hitondra ny ahy kah, dia amin'izay isika mba mivazovazo e
4. vonynive ( 24/06/2014 14:20)
tena iriko tokoa ny hanatrika ireny fihaonana ireny fa tsy hampahafantatra sy hanentana fotsiny saingy noho ny adidy dia indraindray tsy tonga, nefa na izany aza dia miezaka ihany aho ny hampita araka izay fantatro ny fizotran'ny fihaonana
raha misy afaka mifampizara dia raisina an-tanan-droa

5. mpisotrtoaka ( 29/07/2014 11:03)
Samy mbola te hijan ho anonyme daholo nareo e !
6. vazivazo ( 11/08/2014 09:11)
fa ianao ngah efa te hampiseho ny "NONYME"-nao???? HAHAHAHA, izay moa izany ny opposé n'ilay oe Anonyme? ASEHOY ARY NY TENA MARINA MOMBA ANAO E
mpisotrtoaka:

Samy mbola te hijan ho anonyme daholo nareo e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2394