tsy mila

1. bazylou ( 10/06/2014 14:11)
Vazaha sy ny forongony sy ireo mpisolelaka aminy rehetra i madagasikara sy ny malagasy.
2. Fitokisana ( 10/06/2014 19:49)
Ny fiaraha-miasa amin'ny vazaha sy ireo forongony de tena ilaina tokoa ohatra fotsiny hoe eo amin'ny lafiny fianarana! Tsy mahavita tena ny Malagasy. Saingy mila mailo ny miara-miasa amin-dry zareo satria matetika samy mitady ny tombotsoany.
3. endriny ( 12/06/2014 10:52)
Betsaka izay hoe nianatra tany amin'ny vazaha izay, sy miverina eto mitondra firenena fa e e. Tsy hita akory izay tombony amin'ny olona nivoaka teny Ankatso....
4. rabaradaka ( 12/06/2014 11:06)
Lasan'ny karana vazaha (Hassanein) ny Banky, ny Telma efa azy rahateo, zao ho lasany koa io Ambohitsirohitra io, ny PM efa mandohalika aminy. Ka inona moa zany sisa fa tsy ny fahantrantsika sisa. Izany dia mbola hiforetan-dramalagasy ihany, isika malagasy ireto koa ka mahagaga samy mponina eto ambonin'ity tany ity ka
5. Fitokisana ( 12/06/2014 11:15)

endriny:

Betsaka izay hoe nianatra tany amin'ny vazaha izay, sy miverina eto mitondra firenena fa e e. Tsy hita akory izay tombony amin'ny olona nivoaka teny Ankatso....




Io kosa angamba hoy aho tsy de le fianarana loatra no olana fa ny toe-pisainana sy ny fitiavantena.

Tsy adalana akory ny andry zareo Europe ny namorona ny Union Europeenne.Ireo tany rehetra ao anatiny afaka mianatra any Min'ny hafa. Misy antony io.... Tsy mahavita tena na tany matanjaka aza. Indrindra moa isika Malagasy tena mila ny fiaraha miasa amn'ny firenena hafa tokoa. Saingy ny hafetsena hoy aho tsy maintsy ampiarina fa ra tsy izany de ohanin'olona fotsiny eo.

Ny hitako oe tena vahaolana de mila olona tsy tia tena sy tia tanindrazana i Madagasikara. Ra manana traikefa avy any ivelany vao maika tsara fa na ny eo antoerana koa aza tsy maninona.
6. Fitokisana ( 12/06/2014 11:24)

rabaradaka:

Lasan'ny karana vazaha (Hassanein) ny Banky, ny Telma efa azy rahateo, zao ho lasany koa io Ambohitsirohitra io, ny PM efa mandohalika aminy. Ka inona moa zany sisa fa tsy ny fahantrantsika sisa. Izany dia mbola hiforetan-dramalagasy ihany, isika malagasy ireto koa ka mahagaga samy mponina eto ambonin'ity tany ity ka


Iza no nanome ny Banky? Isika gasy ihany. Iza no nivarotra ny telma? Isika Malagasy.Tsy nisy natao ankery angamba hoy aho. Ohatran'ny hoe an-dry zareo vazaha ny erreur nefa ny gasy sasantsasany no kely loha sy tia vola.

Io le fiaraha-miasa ratsy tantana. Isika tokony hahazo tombony indray no lasa sakafon'ny olona sy victime.

Za tsy tia vahiny a, fa aleo mba ampiasaina ry zareo tahaka ny ampiasany antsika e! Hakana tombotsoa any amin-dry zareo no tadiavina (Interets sy tombony ihany no jerena).

Ny tena mahavoa antsika tsy manana Industrie de miankina amin'ny vazaha. Io no ilaina ny mana-pahaizana avy any ivelany, mba hampivelatra ny Malagasy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2345