Tsy hahavita "2 mandats" ny HVM

1. rabaradaka ( 30/05/2014 11:36)
Ireny hitantsika tamin'ny Télévision ireny zany no ekipan'i Hery hitondra ny firenena mandritra ny 5 taona, tsy ho lasa lavitra ireo raha ny fahitako azy ary tsy hahavita mandat roa ireo satrai ireo olona ireo dia businessman daholo ary tsisy ivadihan'ireo atidoha ny amin'izay fitondrana sy fampandrosoana izany
2. hery ( 30/05/2014 12:21)
Ny hahavitany mandat 1 izao no jerena satria toa efa misy mikotrika empechement sa motion de censure sahady?
3. endriny ( 31/05/2014 05:44)
Isika aza moa teto tamin'ny 2009 samy nilaza daholo fa tsy aharitra hatramin'ny volana jiona 2009 i TGV satria hoe tsy hisy intsony ny volam-panjakana, sns... fa iny izy teny ihany 5 taona ngarangidina.

Koa maika moa fa ity voafidim-bahoaka ity. Mety hanao mandat in-telo mihintsy io raha izao a. Samy mbola tanora daholo mantsy ry zalahy ka tsy mbola vanombanon'ny hiala. Sady vola tamina miliara ange no nolaniana tamin'ny propagandy, dia dimy taona iasana amin'ity karaman'ny filoha 5.000.000 ar ve dia rahoviana vao ho tonga miliara...
4. rabaradaka ( 31/05/2014 15:00)
ny an'ny endriny koa no hitako hoe tokony hahamailo, iza no nanampo fa hahavita 5 taona ny TGV? Fa ny ahy indrindra fa izahay tantsaha mpiompy sy mpamboly dia tokony esorina izay tsy mamely ao anatin'ny 6 volana na io HVM io aza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1145