ASMATIQUE ARETINA MANARANAKA VE? SA TOEMBATANA?

1. ANDRIAMENA45 ( 25/05/2014 19:56)
Izahay Somary Sempotra Ny Renibenay Mamanay Dadanay Efa Sempotra, Dadanay Sy Mamanay Efa Somary Sempotra, Izaho Efa Niditra Hopitaly Fa Sempotra Be Asma Misoika Be, Ny Zandriko Koa Somary Sempotra . Anefa Tsy Mifoka Sigara , Tsy Misotro Toaka , Havanay Efa Sempotra Koa Na Avy Dadanay Na Mamanay .
2. 5laody ( 26/05/2014 10:37)

ANDRIAMENA45:

Izahay Somary Sempotra Ny Renibenay Mamanay Dadanay Efa Sempotra, Dadanay Sy Mamanay Efa Somary Sempotra, Izaho Efa Niditra Hopitaly Fa Sempotra Be Asma Misoika Be, Ny Zandriko Koa Somary Sempotra . Anefa Tsy Mifoka Sigara , Tsy Misotro Toaka , Havanay Efa Sempotra Koa Na Avy Dadanay Na Mamanay .

Miarahaba an'i Andriamena,

Mety manaranaka tokoa izy ireny, fa mankanesa any amin'ny dokotera maka hevitra tsara. Mety misy zavatra hafa mety mahatonga azy ho henjana kokoa: tahaka ny dion'ny rivotra, ny hamandoan'ny rivotra ao an-trano, ny hatsiaka, ny stress;

rehefa mihetsika izy io dia misy karazana fanafody mety omen'ny dokotera ny marary: fanafody atelina, fanafody atao amin'ny aerosol na puff .

Azonao atao lavalava sy mazava kokoa ny hafatra apetrakao sy ny valinteny andrasanao eto fa aza atao toy ny mandefa telegrama fahiny. Mety ho be mpamaly ny hafatrao amin'izay.

3. endriny ( 26/05/2014 18:20)
Zavatra roa no mahatonga ny asma ho antsika:
1- tarazo, izany hoe ny RReny teo aloha dia efa nisy asma
2. Alerizy, tsikelikely ny olona dia manangona ao anatiny ireo poizina tsy zakan'ny vatany: mety hoe vovoka, zavatra simika, vovom-bony avy amin'ny vonikazo. Ka rehefa mitambatra ao ireo dia lasa tandimerina saingy ao anaty avokavoka, ary manempotra. Ny trano tsy azon'andro izay miteraka bobongolo matetika dia tena mahatonga asma na fahasempoarana, ka tsy mahasalama mihintsy.
Aza mihinana zavatra tsy tanty toy ny orana, foza na trondro, ho an'ireo tsy mahazaka ireo zavatra ireo. Fadio ny zavatra be solifara na souffre.
Aza misaraka amin'ny ireny bomba ireny mihintsy an am-paosy
Aza mifindra fonenana amin'ny toerana mando sy tsy ampy oksizena, toa ny morontsiraka sy ny moron-drano.
Aza manao mafana na mangatsiaka loatra. Fadio ny mandro vao maraina.
Ampangan'amalona izay no fanafody fampiasan'ny mlagasy teo aloha sy ariandro.
4. rurik ( 11/10/2015 08:42)
Mety misy karazany angamba tsy haiko aloha fa za de nisy t @ za tany nosybe de tena tsy afaka mandeha refa mietsika le izy fa refa nifindra aty aho de afaka tsy notsaboina akory le izy . Raha ny eritreritro de misy zavatra tsy zaka ao izany hoe allergie fa ny mety de ny mahafantatra hoe inona no fotoana mampietsika le izy . Ny ahy n'a fofona olona mandalo aza de efa mampietsika azy . De mangididy daholo ny maso , anaty tenda, anaty sofina , de refa mikohaka de misy ohatran'ny rehoka fona mivoaka fa tena betsaka an . Refa nifindra aho izao de afaka tsy notsaboina le izy .
5. rhaingooinjaniaina ( 20/04/2020 20:50)
Misy ny manaranaka de misy toebatana, raha izaho manokana zao dia toebatana satria isaky ny manadio trano aho na manakorotana zavatra ela tsy nihetsika ka misy vovoka de ny alin iny aho tena sempotra be, tsy mahita tory mihitsy indraindray, de mandeha mivoka kely aloha mifoka rivotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2098