Ny tena kristianina: nirahina hitory ny filazan-tsara sa nirahina hitory ny filazan-doza ?
1. Tefigasy
(
25/04/2014 05:15)
Samia mieritreritra fa izao no voasoratra : "koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina"
novalian'i ombelline ny 05/05/2014 08:43
2. Maranatha
(
25/04/2014 05:34)
Tefigasy:
Samia mieritreritra fa izao no voasoratra : "koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina"
sy ho ela itsony izao tontolo izao dia hilaozan’ilay anjelin’ny famindram-po , ary ireo loza fito farany dia harotsaka ….Ny faharetana sy ny famindram-pon’Andriamanitra dia tsy hiandry eo mandritra ny fotoana tsy manampetra . Ireo tànankodiaran’ny fahatezeran’Andriamanitra dia hilatsaka tsy ho ela intsony , ary rehefa manomboka manafay an’ireo mpandika lalàna Izy , dia tsy hisy fijanonany intsony izany hatramin’ny farany . Temoignages pour les Pasteurs pp 87 , 88
Andriamanitra dia tsy hangina intsony , fa kosa hapifofofofo ny fahatezerany hanohitra an’ireo firenena izay nitsipaka ny fahamarinany . Nahita aho fa ny fisamboaravoaran’ireo firenena , ny fahatezeran’Andriamanitra , ary ny fotoana fitsarana an’ireo maty ,dia zavatra telo miavaka tsara , ka mifanarakaraka izy ireo . Nahita aho fa i Mikaela dia mbola tsy nitsangana , ary ny fotoanan’ny fahoriana izay tsy mbola nisy toa azy , dia mbola tsy nanomboka . Ankehitriny ireo firenena dia misamboaravoara , kanefa rehefa vitan’Ilay mpisoronabe ny asany ao amin’ny fitoerana masina , dia hitsangana Izy , hanaovany ilay fitafiany famaliana, rehefa izany dia harotsaka ho eo ambonin’ny tany ireo loza fito farany . Premiers Ecrits p 36
3. Tefigasy
(
25/04/2014 09:40)
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe : Tompoko , Tompoko , nefa tsy manao izay lazaiko ? (Lio.6)
5. Maranatha
(
25/04/2014 10:31)
Tefigasy:
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe : Tompoko , Tompoko , nefa tsy manao izay lazaiko ? (Lio.6)
Fa hianao ve mihevitra fa tsy manantanteraka ny[ color=blue] Matio 28:19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina 20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao[/color] izahay.
Tokony nofenoinao tsara io toko sy andininy io Matio 7:21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy]23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.
6. Tefigasy
(
25/04/2014 10:41)
bor2lais:
Kitikitihanao indray ny "bibidiany" ry Tefigasy a ! :-)
Ka ireo indrindra no toa mahagaga ahy r'ise a, ny sasany toa milaza azy ho kristianina nefa toa izao bibidia sy filazan-doza izao foana no tsy afaka ao am-bavany fa ilay tena filazan-tsara asaina toriany tsy hita taratra mihitsy, na ny tena marina aza dia toa entina ampiasaina mba hidradradrana sy ankalazana ilay bibidia sy ny loza ! Dia tena loza mihitsy anie satria izao no voasoratra e : Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an'Andriamanitra . Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana , dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka
7. Tefigasy
(
25/04/2014 10:44)
Vakio tsara ny baiboly fa tsy ho hitanao ary tsy hahita an'io fanontaniana napetrak'i Jesoa ao amin'i Matio mihitsy ianao, ary tsy misy hifandraisany amin'io Mat.7:21 mihitsy io fanontaniana io fa natao ho anao eto amin'ity lohahevitra ity fotsiny ihany !
8. ombelline
(
05/05/2014 08:43)
io dia fahasamihafana tsapako manokana eo @ fiangonana any Madagasikara sy aty @ misy ahy : betsaka fampitahorana any, ary ny eto dia mirona kokoa @ resaka famindram-po sy fitiavana
