Ireo Bibidia voalazan'ny apokalipsy 13

1. Maranatha ( 17/03/2014 10:26)
Ny Bibidia I (Ilay niakatra avy t@ ranomasina) = Ny fahefana papaly
http://forum.serasera.org/forum/message/m5320432bcc785
Ny Bibidia II (Ilay niakatra avy amin'ny tany) = Etas Unies d'Amerique
http://forum.serasera.org/forum/message/m53204385d7e15
Ny sarin'ny Bibidia = Ireo protestanta nihemotra
http://forum.serasera.org/forum/message/m532043cbd7f1f
novalian'i bor2lais ny 18/03/2014 15:36
2. RBNIR ( 17/03/2014 14:06)
Faly miarahaba namana,

Ny bibidia I namana dia olona iray hiakatra avy amin'ny ranomasina (vahoaka).
Mbola tsy hoteneniko aloha hoe iza fa azo eritreretina tokoa fa mety ho iray amin'ireo mpitondra fivavahana miziriziry ny amin'ny andro alahady tokoa no atosikiny olona hiakatra eo amin'io toeran'ny bibidia io raha tsy mibebaka izy.

Ny bibidia II kosa indray dia fikambanamben'ny filoham-pirenena izay hitondra amin'ny fotoana hanjakan'ny bibidia,

Vakio tsara ato hoy aho

Samia ho tahin'ny Tompo namana,

3. bor2lais ( 17/03/2014 17:10)
RBNIR->Maranatha:

Vakio tsara ato hoy aho

I Maranatha kosa tsy mba mihaino izay nolazain'i RBNIR a ! :-)
4. RBNIR ( 17/03/2014 18:42)

bor2lais:

RBNIR->Maranatha:

Vakio tsara ato hoy aho

I Maranatha kosa tsy mba mihaino izay nolazain'i RBNIR a ! :-)

mahatsara ny olona ny teny miverimberina namana
samia ho tahin'ny Tompo
5. RBNIR ( 17/03/2014 18:45)
fil.3:1
6. RBNIR ( 18/03/2014 08:28)
RBNIR:


Ny bibidia I namana dia olona iray hiakatra avy amin'ny ranomasina (vahoaka).
Mbola tsy hoteneniko aloha hoe iza fa azo eritreretina tokoa fa mety ho iray amin'ireo mpitondra fivavahana miziriziry ny amin'ny andro alahady tokoa no atosikiny olona hiakatra eo amin'io toeran'ny bibidia io raha tsy mibebaka izy.

Faly miaraha ry namana isany,
Hatosiky ny olona hoy aho ilay bibidia,
Mampalahelo satria anjara ratsy indrindra tokoa mantsy ny an'io bibidia io satria voalaza fa izy sy ilay mpaminany sandoka no hisantatra ny afoB ary dia tena hatsipy velona any izireo:
« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. » (Apok.19:20)
Io ihany koa ry namana isany no entiko hanaporofoina amintsika fa tena olona iray ilay bibidia voalohany fa tsy hoe firenena na koa hoe mitovitovy amin'izany.

Anjarany moa izay (mitovy amin'ny anjaran'i Jodasy ihany) fa ho antsika kosa dia izao no hafatra:

« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apok.14:11)

KOA DIA MIBEBAHA RE RY NAMANA ISANY NY AMIN'NY SABATAN'I JEHOVAH A! AZA MIANDRY ELA RE SAO DIA HO TARA EO IANAO E!
FITIAVANA NO HILAZANA AN'IZANY RY NAMANA MALALA ISANY.

[dailymotion]http://www.dailymotion.com/video/x5776t_taona-maro-ny-menafify_music[/dailymotion]

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA ARY IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA,

Samia ho tahin'ny Tompo daholo ry namana.
7. bor2lais ( 18/03/2014 15:36)
RBNIR:

mahatsara ny olona ny teny miverimberina namana

zany an ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3813