Ny firaisana latabatra @ Tompo fahatanterahan'ny fihinanana ny paska teo aloha

21. tôlédo ( 28/02/2014 01:03)
Tsetsatsetsa!

Ary hono ho'aho e!: "Maninona raha mitodika amin'ny Tompo, Dé mangataka fanazavana avy aminy?".
Amin'ny fijeriko azy, tsy mifanohitra velively na mifanipaka ny hevitra isankarazany eo ambony eo io.

Voambolana - vocabulaire no tena tsy itovizanareo. Na koa hoe samy manana "teboka" na koa hoe manana "fomba fijery manokana" ny tsirairay amintsika eto.
Ka resy lahatra amin'ny fahamarinan'izany teboka izany isika: Ary izay indrindra no lasa faharesen-dahatra ho an'ny tsiraidray.
Ka rehefa samy resy lahatra amin'izay teboka manokana izay tokoa mantsy dia mifikitra amin'izay fomba fijery izay KA lasa tsy mitovy ny fomba fijery.

Amin'ny fihevitro azy: Tsy fampitahorana ny Tompo. Tsy "frappe-crâne" ihany koa.
Isika olombelona no mampiasa ny anaran'ny Tompo sy ny teny misoratra ao anaty Baiboly mba ho fitaovana "Fampitahorana" sy "Frappe-crâne".

Ka izany indrindra hoe tokony hanana fifandraisana manokana (personnel / privilégié) amin'ny Tompo isika". Mangataka toro-làlana aminy!
22. jajajaly ( 28/02/2014 05:38)
Maranatha, rhaj0....

Misaotra amin'ny fanehoan-kevitra fa izao ny tena marina lazain'ny baiboly. Ny Kristianina ihany ve no voavonjy? sns
Asa. 24:15: “Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”
Izany hoe zany: Samy hatsangana na ireo nanaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra (hevitr'i Maranatha), na ireo nanao ny tsy marina noho ny tsy fahalalana (Hevitr'i rhajo). Tsy resahin’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany hoe iza avy no hatsangana amin’ny maty. Afaka matoky anefa isika fa tsy hizaha tavan’olona Andriamanitra, satria mahalala ny zava-drehetra izy. Tsy hanao tsinontsinona an’ireo fitsipiny ara-drariny izy, satria manao ny rariny sy mamindra fo.
Tena izany tokoa ve? mariho izay lazain'ny teniny ao amin'ny Genesisy 18:25 manao hoe "Sanatria anao ny hanao toy izany! Eny, sanatria anao ny hamono ny marina miaraka amin’ny ratsy fanahy! Raha izany mantsy, dia ho toy izay manjo ny ratsy fanahy ihany no manjo ny marina. Tsy hanao ny rariny anefa ve ny Mpitsara ny tany manontolo?”

Tadidinareo ve ny valitenin'i Jehovah tamin'io!!!!

23. Maranatha ( 28/02/2014 09:47)

jajajaly:

Maranatha, rhaj0....

.....

Misaotra anao; fa izao samy ho hatrangana daholo tokoa fa ao ireo hatrangana ho amin'ny henatra sy ny latsa, ao kosa ny handova ny fiainana mandrakizay.
Lasa any @ fiavian'ny Tompo ny resaka. Hazavaiko ihany fa tsy maninona.
Rehefa tonga ny Tompo dia hatrangana @ maty ireo izay maty tao amin'i Tompo, hitsena Azy miaraka @ ireo velona ka mbola mitoetra (izany hoe mbola manompo ny Tompo) hovaina ho tahaka ny endriky ny any andanitra izy ireo dia ho any @ Tompo mandrakariva (Vakio ny I tes 4:15-17).
Ireo velona tsy ao @ Tompo @ fihaviany dia ho levonin'ny fofonain'ny vavany . Ireo maty tsy tao @ Tompo kosa dia mbola tsy hatrangana aloha fa miandry ny fahavitan'ny 1000 taona vao hatrangana. (Mandritra ny 1000 taona ny fitsarana azy ireo). Efa fantatra ny momba azy fa isan'ireo ratsy fanahy izy. Ny antony hitranganany dia ny hilazana aminy ny antony mahavery azy . Aseho aminy daholo ny tsy mety nataony, ny fisarihana azy hino ny Tompo sns.... Izay tsy norahirahiny. Hiaiky izy ireo fa marina sy mahintsy ny fitsaran'ny Ray Tsitoha.
Saiky mbola ho tohizako h@ Jerosalema vaovao, ny handringanana ny ratsy fanahy sy ny momba ny Afobe, ny fandovan'ireo tsara fanahy ny Tany, ny fitetezana ireo planeta sns..... fa mbola lava izany fa aleo aloha hajanona eo aloha.
24. rhaj0 ( 28/02/2014 17:29)
Dia mamerina indray aho hoe... samy niteraka daholo isika (angamba), ka dia rain-janak'olona toa inona re no hanary ho faty ny zanany..

Izaho aloha, raha ny zanako, na olona tsy zanako aza koa, nanao raha ka melohin'ny lalAnam-piaraha-monina (na lalAnam-pivavahana) ho faty, dia tena TSY momba ny hanary izany olona izany ho faty mihintsy aho (tsy momba ny peine capitale). Mainka fa zanako ??? zanaka naterako ???

Misy raha tsy manjary ao zareo kah...
25. Maranatha ( 03/03/2014 05:21)

rhaj0:

Dia mamerina indray aho hoe... samy niteraka daholo isika (angamba), ka dia rain-janak'olona toa inona re no hanary ho faty ny zanany..

Izaho aloha, raha ny zanako, na olona tsy zanako aza koa, nanao raha ka melohin'ny lalAnam-piaraha-monina (na lalAnam-pivavahana) ho faty, dia tena TSY momba ny hanary izany olona izany ho faty mihintsy aho (tsy momba ny peine capitale). Mainka fa zanako ??? zanaka naterako ???

Misy raha tsy manjary ao zareo kah...

Nefa ny an'I Tsitoha rehefa natambatra t@ Jesoa daholo ny fahotan'ny olombelona ka teo ambony hazo fijaliana Izy dia tsy nojeren'i ray akory Izy noho ny nitondran'ny fahotan'ny olombelona izay no nahatonga Azy nilaza hoe Ray o nahoana no dia nahafoy Ahy Hianao.
Tsy moramora ilay atao hoe Kristiana rjh0 a!
26. rhaj0 ( 04/03/2014 15:00)
Inty ary soratra iray tao @ Apokalypsy 2 :
21 Ary nomeko fotoana hibebahana+ izy, nefa tsy te hibebaka amin’ny fijangajangany.+ 22 Hataoko marary mafy eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga* aminy dia hatsipiko ao amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy hoe mibebaka amin’izay namitahan-dravehivavy azy angaha izy ireo. 23 Ary hovonoiko amin’ny aretina mahafaty ny zana-dravehivavy...


Raha ilay reniny no atao "marary mafy", na ireo lehilahy nijangajanga no latsaka amina "fahoriana lehibe", rahefa tsy hibebaka, dia mbola afaka ifampiresahina ihany, fa ilay zaza kosa TSY manan-tsiny e...
27. Maranatha ( 05/03/2014 05:55)

rhaj0:

Inty ary soratra iray tao @ Apokalypsy 2 :
21 Ary nomeko fotoana hibebahana+ izy, nefa tsy te hibebaka amin’ny fijangajangany.+ 22 Hataoko marary mafy eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga* aminy dia hatsipiko ao amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy hoe mibebaka amin’izay namitahan-dravehivavy azy angaha izy ireo. 23 Ary hovonoiko amin’ny aretina mahafaty ny zana-dravehivavy...


Raha ilay reniny no atao "marary mafy", na ireo lehilahy nijangajanga no latsaka amina "fahoriana lehibe", rahefa tsy hibebaka, dia mbola afaka ifampiresahina ihany, fa ilay zaza kosa TSY manan-tsiny e...

Efa mitady hahazo ny soratra masina hianao. Apok 18:4 Mivoaha eo aminy hianareo ry oloko mba tsy hiombonanareo ota aminy.
Miala amin'ilay reniny ilay zaza dia mikambana @ vahoakan'i Tsitoha dia tsy ataon'i Ray inona-inona.
Mahereza hianao
28. Maranatha ( 05/03/2014 06:01)
Mba fantatry i haj0 moa hoe iza io vehivavy mpijangajanga io ? Ilay fiangonana janga. Ny vadiny dia ny Tompo ilay vehivavy dia ny Fiangonana katolika Romana e! ny fahefana papaly. Izay nampisotrony divain'ny fijangajangany t@ olona rehetra; Ny divay dia ny fampianarany. Novainy ny fampianarana tsy misy kilema avy any andanitra ka nosoloiny ny fampianarany
( santionany iray ity ny Sabatan'Tsitoha novainy ho alahady ny fiangonana)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3608