Tiko izy nefa....

1. Mateyous ( 17/02/2014 07:57)
Salama daholo ry namana rehetra a!!!

Misy ankizy vavy iray zay namanako ao amin'ny FB e!!!! Mbola vao haingana ihany izahay nanomboka nifampiresaka. Tsy mbol nifanena sy nifankahita tava izahay.
Izy aloha mandray be sady tsy miavona mintsy.
Tena reveko be io sipa io, nefa ... rehafa mba nambarako azy ny tena faniriko de tsy haiko na mody odiany fanina na tsy rarahiany mintsy. Tena tiko angeh io sipa io e!! mba toroy hevitra re ry reto fa mbola tsy nidoboka mafy hoatrizany ny foko hatramin'izay nitsiriritako vehivavy raha tsy tamin'ny ty anjely keliko ty e!!!!
Inona no mba havitra avy aminareo ny namana rehetra fa tena mila ho lasa adala mintsy e!!! tsy mahita matory mintsy ami'ny alina, toa mitady hiavarilalana daholo ny atao rehetra.
novalian'i hadji ny 14/03/2014 09:08
2. djhamhal ( 18/02/2014 09:06)
slt! ianao ve hitia olona tsy nifanatrika sy niresaka nivantana taminao ?? tandremo sao dia ho diso fanantenana , ny ataonao dia ny mihaona mivantana aminy ary mitory fitiavana mivantana aminy ihany koa ! tandremo fa ny sary am tranonkalam pifandraisana anie ka 90 isanjato namboamboarina avokoa ê ! na tsy izy akory aza ! ary tsy ny lafy ratsiny miitsy no apotrany sy asehony anao eo fa izay heveriny ho point fort ny ! tsy misy afa tsy mifanatri tava ianareo dia mamboraka ny fitiavanao ianao ! mila fasahiana sy fahavononana nefa izany ! mankahery anao
3. mpisotrtoaka ( 18/02/2014 13:22)
Marina mihits zany ! Tandremo sao mittia lolo ka rehefa mivadika fanday izy d hitomany tena eo !
4. cbd ( 19/02/2014 09:11)

Mateyous:


rehafa mba nambarako azy ny tena faniriko de tsy haiko na mody odiany fanina na tsy rarahiany mintsy. Tena tiko angeh io sipa io e!! mba toroy hevitra re ry reto fa mbola tsy nidoboka mafy hoatrizany ny foko hatramin'izay nitsiriritako vehivavy raha tsy tamin'ny ty anjely keliko ty e!!!!






zay no mahavoa an'lisany!!!! aiza ko l'ty d vao mahita sipa ts fantatra akory d hoe anjely keliko??? d hoe tena tiako sns eo??? harary fo am tsinapany eo lisany!!
5. Iavotraina ( 22/02/2014 08:05)
Diso miaina any anaty ttlo tsy hita maso loatra elà na ilay antsoina hoe "metaphysique", ny dingana voalohany tokony ataon'ise zao de mangatak fihaonana aminy aloha, refa mety @ zay izy vao tokony hanantena zavtra miankina @ zay reskareo mivantana sy mifanatrika eo io fa raha toa mo izy tsy tonga @lay fotoana ifanomezana d'efa amboary ny saina fa tsy izy no izy, ao anaty fb ngeh afaka milaza nofinofy dôl ny tsirairay eee!! afaka mandainga afaka mamitaka... aza miantehitra @ zavatra tsy azo tsapain-tanana zany leisy eee!! amboary ny saina elà faza mora tafalatsaka b toy izany fa afo mandoro io fitiavana io refa tsy hay ny mitondra azy.
6. shannie ( 22/02/2014 08:22)
Tena azoko ny mahazo anao, fa marina mintsy ny voalazan ny nàmana ireo. aleo miaona mivantana d ita eo ny toiny. courage elah.
7. mirananirina ( 22/02/2014 08:31)
Matoa ianao nodiany fanina dia efa manana izy izay. Ny vehivavy ange tsy hoe mamaly anareo miresaka izy dia hoe tara na tia izay eh! Diso be izany , tsy miavona izy.
8. josiah ( 23/02/2014 23:22)
Tsy hainao na tsy vehivavy akory ary ilay niresaka taminao.Tandremo fa mamitaka ny internet, indrindra fa facebook zany.
9. Annih ( 24/02/2014 14:38)
Marina avokoa iero hevitry ny namatsika reo ry Mateyous a!!! 1- mangatà fionana aminy 2- Efa tsapanao fa t@ voalohany izy tsy niavona nf vo nresaanao ny fanirianao aminy izy d mody odiany fanina: soit ts sariny le eo matoa izy ts masà miona @ao soit izy efa miaraka @ olon-kafa d ts t iona @ao. courage
10. moi ( 04/03/2014 11:59)
mba efa nangatahanao num ve izy ? adiresy mailaka ? fantatrao hoe aiza izy io miresaka io zao ?
Misy ange miresaka eto fa tsy mikasa zay hihaona zany e, ny mampiresaka sy manala azy eto no mahafinaritra azy ! ny momba azy manokana ve efa nofantarinao, sao efa manambady, na manana olon-tiana, efa mananjanaka .... aza manonofy loatra aloha raha tsy efa mba nihaona mivantana e
11. miar ( 04/03/2014 13:04)
aza hitako ka satanic
12. ombelline ( 04/03/2014 14:15)
Mety hoe bandy koa ilay izy fa mody maka pseudo na sipa dia mampiasa sarina sipa fa tandremo

Tadidiko efa elabe, vao nanomboka ity internet sy tchat ity (1999 tany), nisy mpiara-miasa nanaovanay kilalao ratsy, tena roboka t@ sipa izay izy nefa izahay mpiara-miasa tao no namorona io olona virtuel io ... Tena fihomehezana sisa nony kôpy lery hoe hay izahay no tao am-badika
13. hadji ( 14/03/2014 09:08)
aza mhazakazka mafy baina ah anovy resaka tsy misy fitiavana tampoka fa raha misikotra fitia izy dia tia anao ihany koa fa raha tsy izay aza mandevina sotrobe ao fa vao indray mandeha ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0599