Fenouil

1. tslem ( 09/02/2014 19:44)
Manahoana daholo, mety hanaovana lasopy vé ny fenouil?dia sao mba misy mahay recette ampiasana azy io azafady.Misaotra.
novalian'i vazivazo ny 19/06/2014 10:53
2. Noue ( 09/02/2014 20:56)

tslem:

Manahoana daholo, mety hanaovana lasopy vé ny fenouil?dia sao mba misy mahay recette ampiasana azy io azafady.Misaotra.


ie , tena azo hanaovana lasopy ny fenouil, ny ahy ny tena hitiavako ny fenouil dia atao @ salady, tetehina majinika tsara.

ny fanaovako zy ko dia endasina.

somary mafimafy ny fenouil raha tsy tanora indrindra ireny efa lasa vaventy be ireny, dia atao nahandro somary ela kely, hasiana crême fraiche avy eo.

mazotoa eeee
3. tslem ( 10/02/2014 13:22)
Misaotra indrindra Noue a!mbola tsy sahy nividy aho satria tsy nahalaal ny fanaovana azy nefa mitobaka be ilayo izy eny an-tsena an!Nahazo toky aho izay dia mba hanandrana @iza
4. hery ( 10/02/2014 13:33)
Ny anay koa atao salady fa toa mbola tsy tadidiko natao lasopy. Tetehina madinika dia ampiarahina amin'ny karoty manta sns.

Sady mahatsara vavony hono ireny.
5. Noue ( 10/02/2014 18:29)
iéeee ! atao salady miaraka @ karoty dia korizety blanchies ! tsara anieee zany eee

ny lasopy dia fenouil + carotte + ovy fotsiny fa tsy afangaro @ légume hafa fa manimba ny tsirony.

ataovy gratin kooo ny fenouil fa tsara anieee zany eee

fa ilay hendasiny kosa aloha dia tena tiako be eee, hendasina @ dobera fa tsy menaka aa

andramo anie eee
6. tslem ( 11/02/2014 18:57)
Tena tsara ilay izay fa misaotra anareo, nandrahoiko nfangaroko t@ henankisoa fa tena natsiro, dia sady nanao salady Kelly( ohatry somary maka tsirona- réglisse izany)
7. vazivazo ( 19/06/2014 10:53)
dia ampiaraho amin'ny FEN'OMBY kou ange fa vao maika matsiro an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.084