Teny voretra amin'ny toerana voretra

1. rabaradaka ( 07/02/2014 11:19)
Mba mandaitra ve ireo soratra hoe "alika zay mamany eto" na ireo hoe "voan'ny dina 5000 ariary miampy daroka" eny amin'ny toerana tsy tokony hamaniana na hangerena ? Toa tsy mandaitra !!
2. 5laody ( 08/02/2014 15:26)

rabaradaka:

Mba mandaitra ve ireo soratra hoe "alika zay mamany eto" na ireo hoe "voan'ny dina 5000 ariary miampy daroka" eny amin'ny toerana tsy tokony hamaniana na hangerena ? Toa tsy mandaitra !!

Matoa eo efa misy soratra dia efa fanaovan-dry zalahy (tsy zavavy akory) amin'ny fotoana tsisy olona.
ohatran'ilay hoe mitrace territoire.
Anisan'ny tokony imasoana ny fanamboarana trano fidiovana eny amin'ny toerana be olona.
3. mirananirina ( 25/02/2014 19:13)
Tsy mandaitra ireny e!! Tsy misy mahita sy manara maso akoriny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8239