Miala tsiny raha efa nisy nametraka ity fanontaniana ity.
Misy mahalala ny tena momba ilay Marka 16:9-20 io ve? Tena niaraka tamin'i bokin'i Marka io sa olon-kafa no nanoratra azy? Ahoana ny hevitrareo izay mety nandalina manokana momba ny baiboly?
Anisan'ny famaranan-teny nataon'ny Marka io ary hita ao amin’ny sora-tanana tranainy sasany (Kôdeksa Alexandrinus, Kôdeksa Ephraemi, Kôdeksa Bezae) sy fandikan-teny tranainy sasany (Vulgate latinina, Dikan-teny syriàkan’i Cureton, Peshitta syriàka), fa tsy hita ao amin’ny Kôdeksa Sinaiticus sy ny Kôdeksa Vaticanus sy ny Kôdeksa Sinaitika Syriàka ary ny Fandikan-teny Armenianina.