Adihevitra momba ny sambo fiara Bill Nye sy Ken Ham

21. rhaj0 ( 19/02/2014 17:53)
Nehemiah:
... ny fitompoana teny fantatrareo hoe tsy nisy mihitsy ny ...



Ity dia resaka fototra @ adi-hevitra, hoe hanaporofo fa "misy" sa "tsy misy" ny zavatra iray.

Ny milaza hoe "misy" no mitondra porofo ilay "fisiana".
Ny milaza hoe "tsy misy" dia ... tsy mahita ny tsy misy.

Dia resaka fototra iray koa. Tsy afaky ny hanamarina resaky ny boky iray @ resaka ao anatin'io boky io ihany ianao. Raha tsy izany ve tsy ho "nisy" koa i Hary Potter, satria hoy i Hary Potter tao anaty bokiny hoe, "misy" aho ?



Efa nanontaniana foana i Ken Ham hoe, inona no "porofo", inona ny zava-misy (fact) entinao hanamarinana ny "fisiana" lazainao fa nisy (ilay sambofiara - namonjena ny biby - nandeha tsiroaroa - 4000 taona lasa izay). Efa nilaza foana i Bill Nye hoe, misokatra mihaino anie ny siantista ary hamahavaha izay entinao. Ny hany entin'i Ken tao @ ilay debate dia hoe... "ao anaty Baiboly".



Dia ivereno anie ilay youtube-n'i Hery etsy ambony. Rahefa nanontaniana i Ken hoe, inona no mety hampiova hevitra anao, dia hoy izy hoe "tsisy". Rahefa nanontaniana kosa i Bill, dia hoy izy hoe "facts".


Ka aoka re ry Nehemia.. Tsy i Bill (sy ny siantista) mihitnsy no "mpitompo teny fantatra"
22. Nehemiah ( 20/02/2014 15:50)
Tsarovy fa ao anatin'ny sistema filôzôfika iray dia tsy maintsy misy ny ankina (axiomes), izany hoe fonjan-kevitra ifotony tsy hay porofoina ao anatin'ilay sistema filôzôfika fa tsy maintsy inoana. Ka "what is true for the goose is true for the gander" : izahay mpandala ny fahariana dia miainga avy @ Baiboly, ianareo mpandala ny evôlisiona indray dia miainga avy @ naturalisme, izay fitompoana teny fantatra hoe tsy misy ny fahagagàna fa fizotra hany natoraly no niseho t@ tantaran'ny zanak'olombelona.

Ny anay indray dia tsy azo lazaina ho fitompoana teny fantatra satria nanamarina ny mah'Andriamanitra Azy sy ny zavatra rehetra nolazainy (ary ao anatin'izay ny hoe "Ny Soratra Masina tsy azo foanana" @ Jn. 10:35b) Izy rehefa nitsangana ara-batana @ maty. Tranga 1 mirakitra @ tantaran'ny zanak'olombelona ary nanova ny tarehin'izao tontolo izao @ fomba tsy azo ihodivirana izay.

Torak'izay koa, mbola mitoraka elefanta hatrany ianao : mbola mahalana dia mahalana ny porofo mba nomenao ho an'ny evôlisiona fa raha ny ahy indray dia karohy vetivety ny solonanarako @ lohahevitra nampidirina t@ serasera dia ho hitanao :-)
23. rhaj0 ( 20/02/2014 17:01)
"Izaho", ny tenabeko, dia tsy siantista rezatra ary tsy mahatakatra ny antsipirian'ny lalAna siantifika sy ny fanazavana siantifika ny zava-misy sy ny fiainantsika rehetra eto an-tany.

Nahafinaritra ahy ny valin-tenin'i Bill Nye (siantista), isaka ny tsondromin'i Ken Ham (kreasionista) izy @ tsy fananany valin-teny mazava momba ny fanontaniana manitikitika ny maro (ahoana ny @ "conscience" ohatra). Dia (averiko kely indray) ny valin-tenin'i Bill Nye dia : TSY haiko, fa kosa, izay tsy-fahalalako izay no mamparisika ahy hifoha maraina ary hikarokaroka sy hanaraka ny karokaroky ny siantista namako.

Izaho manokana dia tsy manisy olana raha toa ka tsy misy valiny ny fanontaniana, na raha toa ka tsy manana valiny aho. Sahala @ fony aho mbola kely, fony mbola tsisy internety : efa alatsinainy ny andro, nefa mbola tsy fantatra raha nandresy ihany ny mpanao baolina kitra gasy rahefa nandeha nifanandrina an'i Zambia.. Tsy maninona fa ho fantatro izany ny atalata.
Fa kosa, izaho tsy ho afa-po ary tsy handray ny valin-tenin'ny... mpaminany.
24. Nehemiah ( 21/02/2014 06:13)

rhaj0:
Nahafinaritra ahy ny valin-tenin'i Bill Nye (siantista), isaka ny tsondromin'i Ken Ham (kreasionista) izy @ tsy fananany valin-teny mazava momba ny fanontaniana manitikitika ny maro (ahoana ny @ "conscience" ohatra). Dia (averiko kely indray) ny valin-tenin'i Bill Nye dia : TSY haiko, fa kosa, izay tsy-fahalalako izay no mamparisika ahy hifoha maraina ary hikarokaroka sy hanaraka ny karokaroky ny siantista namako.
Ka eo indrindra ny fihatsarambelatsihin'i Nye : mangataka an'i Ham valiny @ fanontaniana be dia be narosony, nefa nony injay anontaniana izy dia miala pa @'ilay argumentum ad ignorantiam. Nefa manesoeso izy rehefa milaza indray i Ham fa ny Baiboly no ankiny faratampony.

Ny Genesisy no vavolombelon'Andriamanitra @ asa fahariany. Raha tsy hanaiky an'izay vavolombelona izay i Nye, azy ny azy fa kosa tsy manan-jo hanao tery vay manta ny finoany @ ati-dohan'ny ankizy madinika sy ny sarambabembahoaka hoe "Ity ihany no tena izy e", fa feon-dakolosy tokana no ampihainoany ny olona. Nahoana izao raha mba avelan'ny mpandala evôlisiona tahakan'i Nye hihaino ny revers de la médaille, izany hoe ny fahavoazana be dia be @ fotopisainan'ny evôlisiona, ny vahoaka ? Ary mariho fa mbola tsy miresaka momba ny fandalàna ny fahariana aho fa milaza fotsiny hoe aoka ho fantatry ny besinimaro fa tsy mba siansa marim-pototra izao ny evôlisiona !
25. rhaj0 ( 21/02/2014 14:26)
Ivereno ilay debate. Hoy i Bill hoe, ny Fivavahana (Kristiana) sy ny Finoana dia TSY hananany olana; fa izany dia toa ny Filozofia hafa rehetra (Buddhist, ...) ka any @ kilasy Filozofia sns.. no toeran'izany.

Fa kosa raha hampianatra Siansa ny ankizy, Siansa izay fototry ny ivoarana ara-teknolozia, dia aoka tsy atao mifamahofaho ny resaka toa ny ataon'i Ken Ham sy ny Kreasionista namany : mampiditra fisalasalana (doute et confusion), ary mitompo teny fantatra manao pseudoscience...
26. Nehemiah ( 27/02/2014 14:21)

rhaj0:
Ivereno ilay debate. Hoy i Bill hoe, ny Fivavahana (Kristiana) sy ny Finoana dia TSY hananany olana; fa izany dia toa ny Filozofia hafa rehetra (Buddhist, ...) ka any @ kilasy Filozofia sns.. no toeran'izany.

Tsy marina izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1148