Filoha vaovao : ny hoavin-dramalagasy ?

1. leva2 ( 17/01/2014 18:58)


Velona mandrakizay Jesosy !

Hoy ny feon-gazety ny volana novembre 2013 raha mbola nandeha ny propagandy 2eme tour : "Les malgaches auront un président qui leur méritent".

Hoy ny tenin'Andriamanitra : "Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana" Rom 13/1-2.

Hoy koa ny teniNy : "Leur langue est une arme menaçante, dit le Seigneur. Ce n'est pas grâce à la verité mais grâce au mensonge qu'ils règnent dans le pays. Ils vont de méfait en méfait, ils m'ignorent" Jer 9/2.

Ny fijerinao azy namana ?
2. rekinbelo ( 17/01/2014 19:12)
Tsy fotoana hanatsarana na handraisana anjara @ ity tontolon'i Satna ity intsony izao namana fa mitandrina mafy ny tena sisa izao no azo atao, efa tsy ela dia ary tena efa akaiky tsy toy ny taloha intsony ny farany izao koa avelantsika eo izay hitondra eo fa tsy asiatsika olana akory, mandalo iany ireny fa tsy aharitra ela akory eeeee
Mahereza namana a
3. Nehemiah ( 18/01/2014 10:25)
Ny fijeriko manokana ?

Mbola mihamafy hatoka hatrany isika gasy ka nanapa-kevitra Andriamanitra hanasazy antsika impito avo heny nohon'ny otantsika.

Tena hihomehimehy aho rehefa hanao ny ataony @'izay io rangahy io : io ihany no nofidin-dRamalagasy koa ! Ooooeeeeeee !
4. ombelline ( 20/01/2014 08:43)

Nehemiah:

Ny fijeriko manokana ?

Mbola mihamafy hatoka hatrany isika gasy ka nanapa-kevitra Andriamanitra hanasazy antsika impito avo heny nohon'ny otantsika.

Tena hihomehimehy aho rehefa hanao ny ataony @'izay io rangahy io : io ihany no nofidin-dRamalagasy koa ! Ooooeeeeeee !


Tsy ampy fahalalàna ve isika sa mafy hatoka tokoa ?
Raha ny 50% n'ny afaka mifidy no tsy nandeha nifidy dia apetrako @ tsy fahalalàna ny olana
5. mpisotrtoaka ( 20/01/2014 09:54)
Mijereva daholo am saina tsy miangatra sy fo tony sao marary fo tapaka lalan-drà eo jiaby ! Pôlitika io fa afaka fotoana vitsy d hifampisakambina ny mpifanandrina ! Jereo fotsiny ilay indépendant avant fifidianana d avy eo lasa Mapar avy eo ! Lol be ! Ny asa atao mafy ho an'izay manana dia ho an'ze tsy manana mahereza mikaroka ary aza dia mifidy asa loatra fa izany no fototra tsy hananana asa ! Tsy mampiditra n'inon'inona amin'ny fiainanao izay ataon'ireo eo fa mainka aza hampilentika bebe kokoa anao ! Siora e
6. mirananirina ( 24/01/2014 12:06)
Vao nivaly ny 1 er tour dia kivy aho vao dr sy HR no lasa... Hoy aho hoe dia olona efa teo nanapotika ny firenena @ famonoana olona, fampijaliana ny vahoaka, valifaty isan' andro! Rehefa tonga ny 2 e tour dia tsy maintsy maka olona ianao fa tsy nanao ohatra ny sasany tsy mifidy tsy manao inona(tsy mahavita adidy) ny ahy dia vitako ny nanao procuration t@ anarako. Eo dia na i dr na i H ka tsy ilaina mijery an i Rjoelina sy Ravalo fa ny ireo no jerena ny asany, fahaizany sns! Ary indrindra indrindra jerena ny fomba fiteniny sy ny zvt nambarany!
nehemiah< tsy misy Andriamanitra manasazy izany fa maninona ireo tanana be olona maty indrindra no tsy saziany? Fa gasy kely mahantra tokony ho tsinjoviny! Inona ilay sazy? Sa ireo tondra-drano ireto dia efa sazy? Nefa tsy i Mada ihany fa pays maro no tratra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.029