bjr daholo mba mila fanampina reto a. za misy hemo...

1. usherrr22 ( 07/01/2014 04:57)
bjr daholo mba mila fanampina reto a. za misy hemoroida kely de inona no tokon ataok akotran manantona dokotera.
novalian'i faed16 ny 30/06/2016 07:03
2. usherrr22 ( 07/01/2014 05:02)
mba valio zareo a.
3. booboo ( 07/01/2014 12:39)
Manatona ihany dokotera @ izay ianao mahazo crème na pommade misy cortisone, vety² dia afaka, fa tsy maintsy @ doko klou vao afaka mahazo an'izay eny @ pharmacie. Bain de siège @ rano mangatsiaka manala ilay fahatsapana marary fa tsy tena manasitrana azy. Ny fanafody antalgique koa manala ilay maharary fotsiny. Fady tena fady ny aspirine. Misotro rano be, misotro rano be, ary mbola misotro rano be hatrany.
4. hery ( 07/01/2014 20:29)
Raha fanafody aloha no ilaina dia tsy maintsy mandalo dokotera ihany. Fa ny fitandremana amin'ny sakafo koa no tena mahasitrana. Tandremo ny sakafo mavesatra, menaka, misy épices. Dia misotroa rano betsaka.
Dia manaova koa exercices maromaro fa aza dia mipetrapetraka ela be.

5. usherrr22 ( 08/01/2014 10:03)
merci ry zareo a.
6. usherrr22 ( 08/01/2014 10:06)
misaotra anareo. fa le izy tsy marary fa misy fotoana mangididy fotsiny fa na izany aza mataotra ihany a sody lasa ngeza be io. kanefa za hatramzay naha olona ana tsy mbola nanantona dokotera zany sady tsy manana dokotera de mba menatra ihany ny tena oe dokotera iza no aleha..
7. usherrr22 ( 08/01/2014 10:51)
booboo: fa met ho vitan fanafod ihany ve io?? sa rehefa oe mis mipotsaka kel d ts maints didiana??
8. booboo ( 08/01/2014 19:17)
Tsy voatery ho didiana izany ! manatona ho'aho doko @ izay mahazo ilay fanafody. hihihihi fa ny ahy afaka ho azy nony teraka :-P, mpahazo ny vhv mitondra vohoka io indrindra² @ dernier trimestre iny.
9. hasiniony ( 14/01/2014 11:52)
Inty misy raha mety aminao:
...manaova fifadian-kanina somary lavalava, eo amin'ny 3 à 7 andro eo izay vitanao...fa tsara kokoa ny lavalava (raha kristiana dia vao mainka mety tsara), tena tsy mihinana mihintsy na misotro; fa kosa manao repos, izany hoe eo ampandriana foana! Rehefa vita izay dia tsy avy hatrany dia mihinana vetin-kanina fa ranondranony aloha no hanina sady atao miandalana tsikelikely!
- Rehefa aretina rehetra mety mahazo ny taova dia sitran'io avoko (oh: vavony, sns...)
10. endriny ( 15/01/2014 15:32)

usherrr22:

booboo: fa met ho vitan fanafod ihany ve io?? sa rehefa oe mis mipotsaka kel d ts maints didiana??


Izany hoe matahotra ho didiana izany ianao dia tsy sahy manantona Dokotera ve?

Ny fandidiana Hemoroida raha toa tsy maintsy didiana ianao fa tsy mety levina amin'ny fanafody intsony, dia mbola mora noho ny manala parasy amin'ny tongotra fa tsy tokony hisy atahoranao. Raha manana zanaka lahy ianao ka natao didipoitra dia iny aza mbola maharary noho ny manala hemoroida.

Manantona aloha dokotera dia hitany ny fanafody omena anao e. Misy ny ody Malagasy mety mahasitra an'io, araka ny tenin'ny namana iray io ambony io, ny fisasana amin'ny katrafay, hazondrano, etsetra... Saingy ireo rehetra ireo dia mila fitozoana sy fifadiana karazan-tsakafo daholo.. Miverina mantsy ilay izy rehefa reraka ianao na nihinana zavatra manaitaitra (sakay, sakamalao, poavra..) na mavesatra

Mirary soa e
11. DAIKA ( 14/02/2014 11:12)
hono hoa ry hasiniony, raha voan' ny diabeta ve de mety ho sitrana amin' izany fifadian-kanina izany koa ?
12. vonynive ( 26/02/2014 10:23)

hasiniony:

Inty misy raha mety aminao:
...manaova fifadian-kanina somary lavalava, eo amin'ny 3 à 7 andro eo izay vitanao...fa tsara kokoa ny lavalava (raha kristiana dia vao mainka mety tsara), tena tsy mihinana mihintsy na misotro; fa kosa manao repos, izany hoe eo ampandriana foana! Rehefa vita izay dia tsy avy hatrany dia mihinana vetin-kanina fa ranondranony aloha no hanina sady atao miandalana tsikelikely!
- Rehefa aretina rehetra mety mahazo ny taova dia sitran'io avoko (oh: vavony, sns...)

raha olona efa mahia na taizan' arentina kosa ve d mbola hifady hanina ihany ?
13. endriny ( 15/03/2014 09:29)

DAIKA:

hono hoa ry hasiniony, raha voan' ny diabeta ve de mety ho sitrana amin' izany fifadian-kanina izany koa ?


Aoka aloha fa sao dia hanaonao foana ianao... Ny diabety izany dia vokatry ny tsy firindran'ny siramamy ao amin'ny vatana. Ka raha mety tena hanimba anao ny fifadian-kanina raha tsy ampy siramamy ny vatanao, Raha fantatrao kosa anefa fa matavy ianao dia mila manena tena kely hampihena ny siramamy ao aminao, fa tsy midika hoe mifady hanina, fa mety hoe hifady zavatra be siramamy fotsiny,

MIankina amin'ny kilas misy ilay diabety no mety ahasitrana azy na tsia, fa ny marina matoa mitranga ilay izy dia efa ho tarazo ka mila mitandrina, hodin-draotra no fanafody diabeta atao fisotro isan'anandro raha tsy mahatakatra insuline ianao.
14. DAIKA ( 17/03/2014 05:44)
Misaotra amin' ny valin-teny . Asa raha mba afaka hazavainao misimisy ny momba ilay hoditra rotra .(ampangotrahana ve sa ahoana)
Misaotra mialoha
15. endriny ( 18/03/2014 14:52)
Tenahina toy ny dite ilay izy, ary tsy misy fatrany voafetra saingy ataovy matsoratsora ihany. Ny rotra mantsy tsy misy poizina. Fa eny amin'ny Ratsimamanga ihany koa misy amidy efa vita voatra raha toa ka somary te hanaraka ny moderiderina kokoa ianao. Mirary soa
16. DAIKA ( 19/03/2014 05:21)
Misaotra betsaka
17. endriny ( 20/03/2014 14:06)

DAIKA:

Misaotra betsaka

Tsy misy fisaorana fa mirary soa. Moa koa mba manantona ihany na midira mpikambana amin'ilay Amadea e. Io mantsy mba afaka manazava sy manoro ny fitaizan-tena ho an'ny olona misy diabeta. Pr Ramahandridona no namorona an'io.
18. faed16 ( 30/06/2016 07:03)
emorahida zany tsy hafaka dokotera re olono! fa calmùent ihany no homeny anao dia miverina koa io rehefa aveo , maka miviana poivra vongany maina enao miaraka @ tentenly de paraky gasy , ento aty amiko analako hemorahide nao, raha tianao hofantatra mpitsabo traduitionnelle ny tenako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4984