Vono olona - fanalan-jaza - fanamelohana ho faty - sns.

1. bor2lais ( 29/11/2013 13:55)
Rehefa avy namaky ny lohahevitra iray tatsy ambadika tatsy mikasika ny fanalan-jaza aho dia nahatsiaro ity lohateny iray ity :
tsindrio eto

Mitovy ihany ve ny "mamono olona" voalazan'ny didy folo (Baiboly) sy ny didy "fanamelohana ho faty" avoakan'ny fitsarana ao amin'ny Firenena mampihatra izany ?
Raha ianao no mpitsara na isan'ny "juré", ahoana ny fihetsikao ?

Azo ampitahana amin'izany koa ve ny fanalan-jaza ? (eny hoy ny namana Nehemiah e ! :-) ) Raha ianao no dokotera atonin'ireny vehivavy tonga mitaraina ireny, inona no ataonao na lazainao azy ?

Ary ahoana raha ianao no lasa miaramila an'ady ? sns.

Ny tiana ahatongavana dia ity : misy degré-ny ve ilay antsoina hoe "mamono olona" sa rehefa vono olona dia mitovy daholo ?

Marihina fa endrika vono ara-batana (physique) no resahina eto fa voalaza "mamono olona" koa ny "manafoka ny rahalahiny" ! Raha ity farany ity indray dia saika mpamono olona daholo isika mianakavy ! :-)

Misaotra amin'ny fandraisanao anjara ! :-)
novalian'i 5laody ny 28/12/2013 17:56
2. Nehemiah ( 29/11/2013 14:41)
Tadaa, tonga ilay "namana Nehemiah" :-) !

Misy zavatra tsy maintsy atao mazava alohan'ny anohizana : ny voambolana hebreo " ratsach" ampiasain'ny Eks. 20:13 dia midika marimarina kokoa hoe "assassiner", izany hoe mamono olona tsy manan-tsiny.

Ary izay koa no andikan'ny Bible Annotée azy hoe : "Tu ne commettras pas de meurtre."

Tsy tafiditra ao anatin'izay izany ohatra ny ady ataon'ny zandary @ dahalo hiarovana ny mpiara-belona aminy sy ny ady ataon'ny miaramila hiarovana ny tanindrazany. Mariho tsara fa rehefa nanontany an'i Jaona Mpanao Batisa ny miaramila rômana hoe inona no tokony ataontsika, tsy namaly mihitsy izy hoe "Mialà @ tafika" (Lk. 3:14). Mariko koa fa rehefa notafihan'ny Rômana ny Jodia t@ taon-jato voalohany, nandray anjara t@ fiarovana ny firenena ny Jiosy Kristiana. Rehefa nasandratra ho "Mesia" i Bar Kokhba, izay voa nisintaka izy ireo satria tsy te-hanaraka Mesia sandoka.

Tsara be anie ny miady ho an'ny fiarovana ny tanindrazana. Jereo izao ny fomba firesahan'ny Baiboly an'i Benaia zanak'i Joiada (2 Sam. 23:20-23).
Mitovy ihany ve ny "mamono olona" voalazan'ny didy folo (Baiboly) sy ny didy "fanamelohana ho faty" avoakan'ny fitsarana ao amin'ny Firenena mampihatra izany ?
Raha ianao no mpitsara na isan'ny "juré", ahoana ny fihetsikao ?

Techniquement aloha, tsy mitovy, araky ny efa nazavaiko.
Fa raha hoe "mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra ve ny faha2" dia angamba tsia no valiny. Andriamanitra no hany tompon'ny fiainana. Araky ny nolazainao koa tsy tokony manala ny ain'olona nohon'ny heloka nataony isika, satria na dia rehefa nomena occasion analàna ny fiainan'olona meloka ny Tompo Jesoa Kristy dia tsy nanao an'izay (Jn. 8:11). Mal placés hanao an'izay ny olombelona rehetra satria, araky ny nolazainao, "mpanafoka rahalahy". Mitovy @ mamono olona marina ny mankahala olona eo imason'Andriamanitra satria tsy maintsy tandremana @ fo ny didy, kanefa faniriana ny zavatra na olona 1 tsy hisy ny fankahalàna azy.

Raha ianao no dokotera atonin'ireny vehivavy tonga mitaraina ireny, inona no ataonao na lazainao azy ?

Izay dia mampahatsiaro ahy tantara izay henoko t@ RFI. Nisy vehivavy argentine nanatona dokotera hanala zaza (tsy tadidiko mihitsy ny antony fa tadidiko fotsiny fa tsy mba anton-dehibe tahaky ny olana ara-pahasalamàna na fanolanana aza ilay izy). Tsy nankasitraka ny fanalan-jaza ilay dokotera ka nampihainony azy ny fitempon'ny fon'ny zanany, na dia tsy nanaiky nivantana aza ilay vehivavy. Tena nilaza mihitsy hono ilay dokotera fa te-hitory an'ilay vehivavy @ pôlisy. Navoaka t@ gazety ilay tantara dia ilay dokotera indray no nenjehin'ny fiaraha-monina.

Hitanareo mantsy, izay ny fihatsarambelatsihin'ny "fandeferana vaovao" : tsy azo atao ny manevateva ny hevitry ny olona satria mitovy lanja daholo hony ny hevitra rehetra, fa rehefa ny kristiana indray no maneho ny heviny hoe i Jesoa Kristy no hany Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana ka mijoro ho an'izay hevitra izay dia tevatevaina...
Ka hoy aho hoe dia ho aiza re ity tontolo ity e ? Lozan’ izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy! (Is. 5:20)

Amaranako azy, tsy misy "degré" izany ny mamono olona fa misy "nuances"
3. booboo ( 29/11/2013 15:29)

Tadaa, tonga ilay "namana Nehemiah" !

:-D :-D
4. gasyjean ( 29/11/2013 16:12)
Ary ny mi"mast " koa izany mamono olona sa ahoana?
5. Nehemiah ( 30/11/2013 05:27)
Ny zavatra tsy azon'i Gasyjean dia tsy mba olombelona ny spermatozoïdes fa sela ara-pananahana fotsiny, tsy manana ADN manokana ahafahany hitombo ka hanjary olon-dehibe vaovao. Fa resaka hafa kosa ny ovocyte.
6. bor2lais ( 30/11/2013 10:31)
Araka io lazain'i Nehemiah io dia aoka tsy afangaro kely ny "mamono olona" sy ny "mamono tena" Ra-Gasy a ! :-)
7. leva2 ( 01/12/2013 10:10)
Velona Jesosy !

"Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy." Eze 33 : 11.
8. bor2lais ( 02/12/2013 13:35)
Dia inona tokoa moa izany no tian'i namana leva2 ahatongavana ? :-)
Ara-nofo sa ara-panahy ?
Ohatra : Ahoana no andraisanao ilay jiolahy nilazan'ny Tompo fa hihaona Aminy any am-paradisa ? Maty sa velona ? ;-)
9. leva2 ( 02/12/2013 19:48)

bor2lais:

Dia inona tokoa moa izany no tian'i namana leva2 ahatongavana ? :-)
Ara-nofo sa ara-panahy ?
Ohatra : Ahoana no andraisanao ilay jiolahy nilazan'ny Tompo fa hihaona Aminy any am-paradisa ? Maty sa velona ? ;-)

Velona Jesosy !

Ity resaka maty sy velona ity namana dia tsara avahana tsara aloha ny maty fanahy (tsy manana an'i Jesosy)fa velona ara-nofo, sy ny velona ara-panahy (efa nateraka indray, nandray ny Fanahy Masina) no sady velona ara-nofo.
Ankoatra izay ny fahafatesana ara-nofo ho an'ny mino, nandray an'i Jesosy, nateraka indray, voavonjy dia dingana fotsiny ihany hahatongavana amin'ilay fiainana mandrakizay. Tahaka izay handehanan'ity jiolahy faharoa niara-nohombohina tamin'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana ity.
Ho an'ireo tsy voavonjy kosa dia miandry azy ny fitsanganana ho amin'ny fitsarana sy ny "fahafatesana faharoa" dia ny afo solifara mirehitra mandrakizay.

Misaotra e
10. bor2lais ( 03/12/2013 09:54)
leva2> misaotra amin'ny fanazavana ! Dia apetrako indray ny fanontaniana : inona no ifandraisan'io andininy nambaranao (ara-panahy) io sy ity lohateny ity (ara-nofo) ? :-)
Raha ianao no eo amin'ny toeran'ny mpitsara any tribonaly fanamelohana ho faty ohatra, inona no ataonao na koa hoe ahoana no ampiharinao io Ez 33. 11 io ? :-)
Raha ny fanazavanao momba ilay jiolahy no arahina dia tsy mampaninona anao (amiko) ny manameloka olona ho faty (ara-nofo) fa anjaran'ilay voaheloka no manao (na nanao) izay ahavoavonjy ny fanahiny (rehefa avy eo) ! Izay ve ilay izy sa izaho no diso fandray ? :-)
11. leva2 ( 04/12/2013 20:42)

Velona Jesosy!

Ka raha vao resaka finoana dia mila jerena foana ireo endrika fahafatesana anakiroa ireo. Araka izany, tsy sitrak'Andriamanitra izany ny hamonoana (ho faty ara-nofo) ny ratsy fanahy (maty ara-panahy). Matoa IZY Tompon'ny aina mbola manome fofon'aina an'ilay ratsy fanahy dia miala nenina ny hibebahany sy handraisany ny famonjena izy. Tsy manana alalana handidy alohan'ny Tompony mihitsy ny olombelona.
Manarak'izay, tsara marihana aloha fa mandritra ny fahavelomana ara-nofo eto ihany no andraisana ny famonjena na tsia fa tsy misy ankoatr'izay. Ilay jiolahy faharoa anie ka nandray ny famonjena tamin'io ora sy minitra io satria niaiky heloka izy, nanaiky ny maha-zanak'Andriamanitra an'i Jesosy izy, ary nila vonjy taminy : "mba tsarovy aho".
Asa raha miara-resy lahatra amiko ianao namana bor2lais fa ny tanjon'ny fahavelomantsika eto anie ka ny "hamonjena ny fanahy e", ary mitahiry izany mandra-pikipin'ny maso.
" car vous obtenez ce qui est le but de votre foi : c'est le salut de votre âme " I Pierre 1 : 9.
12. bor2lais ( 05/12/2013 15:00)
leva2:

Izay vao mazava (amiko) kokoa ny valinteny ! :-)
Dia ahoana izany no ataonao raha mpitsara tribonaly amin'ireny tany ireny ianao ? Avela sa tanterahina ihany ny asa ? ;-)

Tsy mandà mihitsy aho fa mandritra ny fahavelomana ara-nofo eto ihany no andraisana ny famonjena. Izaho angamba no tsy nahay namosaka ny tiako lazaina : efa voaheloka ilay jiolahy (matoa voahombo) fa mbola tsy maty, dia teo izy vao nitodika tamin'Andriamanitra ! Izay no tiako lazaina tery ambony tamin'ilay hoe "rehefa vy eo" (aorian'ny fanamelohana sy alohan'ny fahafatesana ! ;-) )
leva2:

Asa raha miara-resy lahatra amiko ianao namana bor2lais fa ny tanjon'ny fahavelomantsika eto anie ka ny "hamonjena ny fanahy e", ary mitahiry izany mandra-pikipin'ny maso.
" car vous obtenez ce qui est le but de votre foi : c'est le salut de votre âme " I Pierre 1 : 9.

Arakaraka ny olona io ka (sa izaho sy ianao no tianao tenenina eto !) ;-) : jereo fa samy jiolahy izao ihany izy roalahy fa ny iray tsy mba nieritreritra an'izany a ! :-)
13. ravonjison ( 09/12/2013 09:58)

14. mirananirina ( 09/12/2013 13:47)
Nolazaina fa famonoana olona ny fanalana zaza marina izany! Fa olona ahoana ihany no azo vonoina, ny mpanota? Mpangalatra? Sa ny tsy manao ny sitrapon' Andriamanitra? Rehefa jerena manko ny baiboly toa misy faty sy vono olona maromaro ihany ao, na zazakely aza.
15. bor2lais ( 10/12/2013 08:54)
ravonjison > misaotra anao nandalo ! :-)
mirananirina:

Nolazaina fa famonoana olona ny fanalana zaza marina izany!

Manaiky izany ianao eto ! :-)
mirananirina:

Fa olona ahoana ihany no azo vonoina, ny mpanota? Mpangalatra? Sa ny tsy manao ny sitrapon' Andriamanitra? Rehefa jerena manko ny baiboly toa misy faty sy vono olona maromaro ihany ao, na zazakely aza.

Eo no mba iandrasana izay hevitrao koa ! :-)
16. sitlo ( 22/12/2013 08:05)
Ary ny mihinana atody ve mihinana akoho?
17. Nehemiah ( 26/12/2013 13:39)
Ny atody fihinantsika dia atody tsy fécondé, tsy misy tsimoka ao anatiny, ka tsy mitovy @ mihinana akoho izany ny mihinana atody ;)
18. 5laody ( 28/12/2013 17:56)
gasyjean:

Ary ny mi"mast " koa izany mamono olona sa ahoana?

Nisy bandy izay tratran'ny dadany (tsy ataontsika hoe ambodiomby fa manjary miova indray ilay resaka) teo amperinasa.Nanarin' ny rainy ary izy:

-amin'ireny alefan'ialahy ireny anie l'ty mety misy dokotera, mety misy minisitra mety misy sazifamo, mety misy mpanoratra mety misy mpiteny vaovao, .... etsetra etsetra.

Tonga saina tamin'izay ny anao lahy ka nandaitra ny ana-dray amandreny ary tsy namerina intsony.

Elabe taty aoriana anefa, tonga ny fakam-panahy ka tsy nahatohitra nedala fa dia lasa,
koa satria efa fotoana maro no tsy ni-masta dia niporitsaka be ilay fika.
Tadidin'ilery ary ilay tenin'ny dadany dia sady nanondro izy no niteny hoe:

-oay lee! tena sôfera-na tgv iny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.201