toko saplet

21. hery ( 22/11/2013 09:03)
Aza mitsikera zavatra tsy fantatra sy tsy nohalalinina akory ho'a. :-)

Tsy misy mahalala ny any am-pon'ny olona rehefa mivavaka izy... raha tsy hoe nomena an'izany fahalalàna ny any ampon'ny olona izany koa ianao... raha tsy hoe lasa Andriamanitra koa ianao.
22. ratsirano ( 22/11/2013 11:41)
Sipagasy > hono hoa e! ahoana tsara moa ny fampiasa iny saplet iny rehefa mivavaka? arahaba ry Maria in 10 dia Rainay izay any an-danitra in 1 dia inona ihany koa?


Valiny :

Jesosy no nanome toro-làlana mazava momban’ny fomba fivavaka ao amin’ny Matio 6:9-13. Io ilay vavaka hoe “Rainay any an-danitra”.

Nampitandrina anefa Jesosy talohan’izay ao amin’ny Matio 6:7 mba tsy hanaovana “teny maro foana” satria hoy izy hoe : tsy “ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy”.

Noho izany dia vavaka modely fotsiny no nomen’i Jesosy ny mpianany mba hahalalan’izy ireo ny fomba fivavaka sy izay tokony atao antom-bavaka.
Porofon’izany, dia nisy fotoana koa i Jesosy mbola nampianatra ny mpianany hivavaka. Hita ao amin’ny Lioka 11:2-4 izany. Mariho fa iray ihany ny hevitra lazain’ireo andininy roa ireo, fa ny teny nampiasainy no samy hafa.

Fa ny zava-dehibe azo asongadina indrindra amin’ireo dia ny nampahafantaran’i Jesosy hoe amin’iza no tokony hivavaka.

Marina fa amin’ny maha mpanota antsika dia mbola mila olona mpanelanelana isika rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. Voalaza ao amin’ny Timoty voalohany 2:5 hoe iza io olona io. Milaza mazava io andinin-teny io fa “iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, izay olona”.

Izay ihany no voalaza ao anatin’ny Soratra Masina, raha momban’ny fomba fivavaka amin’Andriamanitra Mpamorona antsika.
23. Nehemiah ( 22/11/2013 14:55)

hery:
Aza mitsikera zavatra tsy fantatra sy tsy nohalalinina akory ho'a. :-)[/color]
Averiko aminao ny torohevitrao
[quote=hery]Tsy misy mahalala ny any am-pon'ny olona rehefa mivavaka izy... raha tsy hoe nomena an'izany fahalalàna ny any ampon'ny olona izany koa ianao... raha tsy hoe lasa Andriamanitra koa ianao.
Fantatro izany. Jn. 7:24 : Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina
Ary ny marina dia Mt. 6:7
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1173