toeram-piterahana

1. zozou ( 28/10/2013 08:47)
manaona daholo!
aiza ry zareo no misy toeram-piterahana azo antoka eto antananarivo:
mandray marary tsara
mitsabo ara dalana fa ts le mamilafila sy mikitakita reny
de calme sy madio
de zay mba heverinareo antontony eo ny prix e,na mifanaraka @ omeny fa na somary lafo kely aza ts manin.
manao ahoana ny eny @lutherien ambohibao?mba tsara ve.
anao suivi de grossesse a mantsy de ze iterahako no tiko antonina.
manantena valiny avy aminareo e!
misaotra.
répondu par ZAKAIOSY le 21/11/2013 07:13
2. takona ( 28/10/2013 11:43)
Ny hitako aloha dia ao @ clinique anosibe(ao ambonin'ny ostie ) tena tsara karakara ao no calme be,izy aloha dia somary lafolafo ihany fa na izany aza dia nahafam-po ahy in-3 niteraka tao aho
3. zakaiosy ( 05/11/2013 07:02)
Eny @ MARIE STOPES eny Avaradoha tsara. Ny zanako 4 tao daholo no teraka. Misy Catégorie 3 izy izay ny efitrano fiterahana ka ny Catégorie 1 dia ianao irery no ao @ efitra, ny Catégorie 2 dia olona 2 no ao, ny Catégorie 3 dia olona 3, dia lafolafo kokoa ny Catégorie 1. Fa ny olana izao dia io embouteillage be eo Besarety io raha mandalo eo ny lalanao hankeny. Tena mahay mandray olona daholo ny mpiasa indrindra ny mpampandro zazakely.
4. pisoonja ( 06/11/2013 12:31)
Tsara koa eny @ clinique Saint Fleur ka ny zanako roa koa tao doly no teraka sady tsara karakara no antonony, docteur fa tsy sage femme no nampiteraka ahy , fa tsara ka
5. zozou ( 21/11/2013 06:56)
slt! misaotra anareo mamaly,ny ahy mantsy zaza voalohany dia somary sahirana kely a ka zay no mba anontaniana anareo.mety mba azo lazaina eto ve ny vola lany @ ankapobeny na antsipirihany ra mety amintsika.
de nareo ve nanantona matianina @ fomba fanomanana fiterahana:gym aquatique,maitrise de soufle... ra eny na mba mahafantatra dia mba lazao eto hoe aiza ny tsara andehanana.
dia manantena valiny avy @nareo.



6. ZAKAIOSY ( 21/11/2013 07:13)

zozou:

slt! misaotra anareo mamaly,ny ahy mantsy zaza voalohany dia somary sahirana kely a ka zay no mba anontaniana anareo.mety mba azo lazaina eto ve ny vola lany @ ankapobeny na antsipirihany ra mety amintsika.
de nareo ve nanantona matianina @ fomba fanomanana fiterahana:gym aquatique,maitrise de soufle... ra eny na mba mahafantatra dia mba lazao eto hoe aiza ny tsara andehanana.
dia manantena valiny avy @nareo.

2000000 fmg teo ho eo ny Marie Stopes, 3 andro io ary fiterahana nizotra tsara, ao anatin'io daholo ny fanafody raha misy sy ny sakafon'ny mpiteraka mandritra ny 3 andro ipetrahana ao, raha nisy olana kely na be ny fiterahana dia mihoatra an'io. Ny fiomanana @ fiterahana dia misy an'izany mihitsy ao, fa mila mandeha any dieny izao ianao satria misy fampianarana omena anao mialoha ny fiterahana (mianatra manena, miaina, sns...), tena ilain-dry zareo koa raha manatrika an'io ny vadinao. Dia esory dieny mialoha ny tahotra fa tsy maninona izany io na dia zaza voalohany aza, sady voaray tsara ianao ka tsy miady irery eo am-piterahana. Dia manaova mora e !


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1644