Fikarakarana ravitoto maina

1. vahiny2004 ( 21/10/2013 09:08)
Hono ho aho, ahoana r'ireto no fomba andrahoana ravitoto maina?

Manana aho manko dia nandrahoiko ny atsasany, angamba efa ho adiny 5 no nandrahoako azy nefa dia tena mbola ohatry ny maina makina be izany . Nasiana menaka nefa .

Mety hety ve raha andrahoina @ lait de coco ?
novalian'i radadatoa ny 14/03/2014 09:47
2. pissoa ( 21/10/2013 12:30)
Ny nataoko taloha (na ravitoto na anana maina hafa) dia lomana rano ela aloha, antsasakadiny farafahakeliny. Tsy atao be loatra koa ilay rano fa manahirana ny manenjika ilay ravitoto etsy sy eroa avy eo lol. Hafanaina ny menaka (misimisy ihany amin'ilay ravitoto). Tatavanina na fihazana araka izay vitanao ny anana, dia arotsaka ao amin'ny menaka mafana. Haroharoina amin'ny menaka elaela tsara aloha vao ampiana rano handrahoina azy. Tsy afaka tanteraka ilay izy efa hoe ravi-toto maina fa tsy mampaninona ahy aloha.
3. vahiny2004 ( 21/10/2013 13:42)

Misaotra anao Pissoa.

Efa nanao anana maina hafa tokoa aho taloha (ravimbomanga , anamamy) dia nalonako kely, fa t@ ity eo @ ilay taratasy misy hoe tsy mila alona , dia tonga dia nataoko.

Fa marina tokoa ny anao fa mety tsy hitovy velively ny tsiron'ny anana efa nohainina sy ny frais . Ary tena misotro menaka ireto anana maina ireto .

Mirary soa e

4. m.i.s.a ( 21/10/2013 15:32)

vahiny2004:

Hono ho aho, ahoana r'ireto no fomba andrahoana ravitoto maina?

Manana aho manko dia nandrahoiko ny atsasany, angamba efa ho adiny 5 no nandrahoako azy nefa dia tena mbola ohatry ny maina makina be izany . Nasiana menaka nefa .

mety tsy ravototo zany fa sakasaka

ny ravototo maina dia mitovy fotoana nahandro @ ravototo lena ihany, saingy ny mahasamy hafa ny maina sy ny lena dia somary elaela kokoa bao masaka ilay lena.

atao anaty vilany dia afangaro tsara @ tanana aloha ho lena daholo io vovony io vao mahandro.

ny sakasaka indray aloha dia ravototo fingotra ary tsy ho masaka takaha ny ravitoto tena izy sady @ zay mbola tsy maintsy tsakohina tsara satria ohatran'ireny misy ventiny tsy mety masaka ireny
5. vahiny2004 ( 22/10/2013 09:20)
m.i.s.a:

Avy any Madagasikara ilay izy fa tsy fantatra marina tokoa na ravitoto fingotra na tsia no nanamboarana azy. Efa nihinana sakasaka aho fa noheveriko hoe ratsy toto fotsiny izy ireny no mahatonga azy ho misy azo tsakoina, hay tsiro tena tsy mitovy izany

Fa io lazainao io tokoa angamba no tokony hatao : mila afangaro tsara @ tanana , dia alona araka ny voalazan'i Pissoa.

Nandramako nasiana lait de coco ilay ambiny tsy lany (efa masaka) , dia ohatry ny netinety kokoa .

Mbola misy ambiny maina ao, fa rehefa malalaka indray aho mikarakara azy arak'ireo torohevitrareo ireo.

Dia misaotra indrindra
6. m.i.s.a ( 22/10/2013 18:43)
iƩ! andramo afangaro tsara @ tanana aloha ny ravototo vovony, rehefa hitanao fa tsy misy vovony intsony fa lena daholo zay vao atao ny nahandro. Fa tena lena tsara io a !
7. booboo ( 24/10/2013 17:57)
Pissoa > ilay hiran'i Tselonina "ravitoto" iny dia hatolotra manokana ho an'i Pissoa mipetraka ao an-tsimontanana ao. :-D :-D. Dein, resa-dravitoto vao mipoitra ve nama ! tssss tssss.
8. vony501 ( 30/10/2013 07:51)
Aty aminay @ faritra atsinanana (Region Atsinanana Mcar) dia tsy andrahoina ela izany ny ravitoto fa vao mangotraka dia efa aroso. Na misy hena io na tsy misy
9. vahiny2004 ( 30/10/2013 09:01)

vony501:

Aty aminay @ faritra atsinanana (Region Atsinanana Mcar) dia tsy andrahoina ela izany ny ravitoto fa vao mangotraka dia efa aroso. Na misy hena io na tsy misy

Ilay izy maina anie ry vony501 no ohatry ny mampisy olana ny fandrahoana azy e
10. Ratoa ( 13/11/2013 21:19)
ny ravitoto maina (poly no iantsoana azy) efa vovoka madio dia alona rano matimaty misy menaka kely indray alina vao handoina. Dia tonga dia atao tahaka ny fahandro ravitoto lena ny fahandro azy. Tsy ela izany, miaraka arotsaka izy sy ny henakisoa matavy (na henondry matavy)
11. Noue ( 10/02/2014 18:32)
tsy mitovy mihintsy aloha ny tsiron'ny ravitoto maina @ ilay lena eee

ny ahy dia ataoko tahaka an'io lazain'i misa io, afangaro @ tanana tsara aloha ho lena tsara zay vao atao ny nahandro
12. Ratoa ( 10/02/2014 22:41)

Noue:

tsy mitovy mihintsy aloha ny tsiron'ny ravitoto maina @ ilay lena eee

ny ahy dia ataoko tahaka an'io lazain'i misa io, afangaro @ tanana tsara aloha ho lena tsara zay vao atao ny nahandro

raha asiana rano matimaty sy menaka izy ka avela hilona iray alina dia tena malefaka tsara
13. radadatoa ( 14/03/2014 09:29)
msaotra dol @ le resadravitoto fa za sur fa ts ravi-mangahazo zany voatoto azonareo zany fa mety ravina titakely
14. radadatoa ( 14/03/2014 09:42)
ka izaho aloa d ts matoky iren ravtot ef voatot vdina antsena reny fa aleoko mitoto, iz aloa ts mahafat fa sarotra masak
15. radadatoa ( 14/03/2014 09:47)
ka izaho aloa d ts matoky iren ravtot ef voatot vdina antsena reny fa aleoko mitoto, iz aloa ts mahafat fa sarotra masak
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3573