Hanoromna fotom-pinoana

1. gasyjean ( 18/10/2013 14:23)
Manahoana daholo ,elaela indray ny tenanay no tsy teto amin'ny serasera,ka saika mba ametraka fanontaniana kely sao dia mba misy manana vahaolana.
saika hamorona fotom-pinoana vaovao eto Madagasikara ny tenanay ka saika mba anontany hoe inona avy no ilaina aram-panjakana.
Ny finonanay dia ny finoana ny devoly ary mikasa anangana tempoly izahay na fiangonana mba ahafahanay mampiseho ny finoanay ,tahaka ireo rehetra mino izay inoany.Ka mba mangataka toro-hevitra amin'ireo izay rehetra mahalala, misaotra.
novalian'i dimb ny 18/12/2013 13:17
2. mirananirina ( 18/10/2013 19:03)
Finoana ny devoly??? Mazotoa ianareo
3. Nehemiah ( 19/10/2013 05:29)
Tsy vaovao anie izao foto-pinoana izao e :)
4. m.i.s.a ( 19/10/2013 09:31)

gasyjean:


saika hamorona fotom-pinoana vaovao eto Madagasikara ny tenanay


Ny finonanay dia ny finoana ny devoly ary mikasa anangana tempoly izahay na fiangonana mba ahafahanay mampiseho ny finoanay ,tahaka ireo rehetra mino izay inoany.Ka mba mangataka toro-hevitra amin'ireo izay rehetra mahalala, misaotra.



miainga any indray ny sekta tsssssssssssssssssssssssss
5. booboo ( 24/10/2013 17:50)
:-D :-D :-D
6. RBNIR ( 28/10/2013 09:20)
Faly miarahaba namana,
Mino ny fisian'ny devoly v ianao namana dia naleonao izy no narahina fa tsy ilay mpamorona azy?
Mbola tsy tara fa miverena amin'Andriamanitra namana,
Mety nifidy ny devoly ianao satria izy nanome anao fahasambarana sy fahafinaretana vetivety eto an-tany,
Fa hoy ny tenin'ny Tompo hoe : « Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? » (Mat. 16:26)

Miverena amin'i Jesosy Tompo fa izy tena tia anao ary mbola vonona handray anao na dia mena tahaka ny jaky aza ny fahotanao.

Araho namana fandaharana isa-maraina ao amin'ny kolo tv (alatsinainy ka hatramin'ny zoma) amin'ny 5ora sy fahefany ao amin'ny kolo tv fandaharana Vitao ny Asan'ny Fahamarinana hahafantaranao ny marina rehetra.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
7. dimb ( 18/12/2013 13:17)
Ka so de hovery kill @zany direct be zany nareo ry diabolika a!. Tsy aleo iany manohy ny fanao h@zay: "mialokaloka any anaty fiangonana rehetra any; de manolana ny fahamarinana; mody takotakonana @lay oe raiso jesosy ho tompo sy mpamonjy ny fiainanao (tsy fantatra oe @fomba aona), "tano mafy ny izay anananao(anaram-piangonana) ,mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao(mbola anaram-piangonana iany); Na koa ny miracle no atao bobaka!!" Tô zany iany alou atreto no fomba tena mahomby an!
Ka mba dinihi tsara iany sao de ataon'ny losifera maivoka eo rah lasa mipatitaka daolo ny kill.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7983